Catégorie Socio-eco



FIZAFATO: Hitotorebika eny amin’ny ANS Ampefiloha


Zanak’i Toliara avy eto Antananarivo sy any amin’ny faritra maherin’ny 3000 no handrasana ho avy amin’ny fihaonamben’ny FIZAFATO rahampitso 28 jolay 2018. Ho fanamarihana ny fankalazana ny faha-40 taonan’ny fikambanan’ny zanaka ampielezan’ny faritany Toliara na FIZAFATO ity lanonana hotanterahina etsy amin’ny kianjan’ny ANS Ampefiloha ity, hoy ny birao nasionaly sy ny komity mpanomana ny fankalazana. Hanomboka amin’ny 10 ora maraina ny fety ka hifandimby hanafàna izany ireo mpanankato zanak’i Toliara. Hisy ny fizaràna nofon-kena mitam-pihavanana satria omby folo no hovonoina amin’io fotoana io.

Tolo-kevitra

Ny taona 1978 no nitsangana ny FIZAFATO. Fanabeazana ny olona hahay hifanampy no fototra ijoroan’ny fikambanana. Manoloana izany, miezaka hatrany ny FIZAFATO mitondra ny heviny eo anivon’ny fitondram-panjakana mba hampandrosoana ny faritra Atsimo. “Tsy miady amin’ny fanjakana izahay fa mangataka na mandroso hevitra kosa mba hahamety kokoa ny faritr’i Toliara”, hoy ny filoha nasionalin’ny fikambanana, Maharante Jean de Dieu nandritra ny valan-dresaka tamin’ny mpanao gazety androany 27 jolay 2018. Hevitra efa naroso ny fanajanonana ny fitaterana rano amin’ny alalan’ny kamiô. Ny fampiasana ny “pipeline” hitarihana ny rano no vahaolana hitan’ny fikambanana hamahana ny olan’ny tsy fisian-drano any Atsimo.

Horonan-tsary


TAMBOHOBE: “Tapa-tenda ny ray aman-dreny”


Feno 15 taona ny fikambanana Tambohobe na Tanora Mbola Ho Beazina. Ho fanamarihana izany tsingerin-taona niforonany izany dia mikarakara lalao “rugby” ravahina fampisehoana vakisôva ny fikambanana. Ny ady amin’ny herisetra atao amin’ny ankizy, amin’ny tanora, amin’ny vehivavy no fototra nijoroan’ny fikambanana nanomboka tamin’ny taona 2002 ka hatramin’izao. Raha ny tantara, niainga teny amin’ny fokontany Andraisoro, boriborin-tany faha-dimy no niforonan’ny Tambohobe. Faritra mena amin’ny lafiny herisetra io fokontany io. “Ny fanolanana ankizy sy tovovavy no tena mpitranga teny an-toerana”, hoy ny filohan’ny fikambanana, Willy Rabenjamina. Lalao baolina lavalava roa lehibe no hitranga ny 29 jolay 2018. Ny 17 aogositra 2018 kosa ny fotoam-pivavahana. Eny amin’ny kianjaben’i Mahamasina ny famaranana ny fankalazana, ny 02 septambra 2018.

Vakisôva

Nijoro ny fikambanana hiady amin’ny herisetra amin’ny lafiny rehetra. Amin’ny alalan’ny fampidirana ny zaza sahirana an-tsekoly no andraikitra noraisin’ny fikambanana. Ankoatra izany, namelomaso ny “vakisôva” ny Tambohobe. Amin’ny alalan’ity zava-kanto ity no hanabeazana ny tanora. “Sady fampatsiahivina ny kolontsaina sy ny soatoavina Malagasy ny vakisôva amin’ny maha gazety an-kira azy”, hoy ny sekretera jeneralin’ny Tambohobe, Rivoson Théogène. Nambaran’i Myriam, ramatoa mpiangaly ny sôva fa fanaovana ampamoaka ny zava-misy amin’ny alalan’ny hira ny vakisôva. Fitaovana iray hananarana ny ankizy sy ny tanora ihany koa ity zava-kanto ity. “Noho ny fahasahirana mianjady amin’ny tokantrano dia ny zanaka indray no mibaiko ny ray aman-dreny. Tapa-tenda ny ray aman-dreny raha mananatra ny zanany. Raha mba manam-bola kely ny zanaka dia izy no maniraka ny ray aman-dreny. Mifanohitra amin’ny soatoavina Malagasy anefa izany satria natao hanaja ny ray aman-dreny ny zanaka”, hoy i Myriam. Miompana amin’ny ady amin’ny herisetra sy hampiroboroboana ny soatoavina Malagasy ny fanamarihana ny fankalazana ny faha-15 taona ny Tambohobe.

Lynda A.

Horonan-tsary


Fitrandrahana fasi-mainty: Very fanahy ny mponina


Niakatra teto Antananarivo renivohitra mihitsy ireo solontenan’ny fikambanana mpamboly sy mpiompy ary mpanjono manana olana amin’ny fitrandrahana fasi-mainty ao Fort-Dauphin, ny zoma 20 jolay 2018. 7660 ny isan’ny mpikambana ka avy ao amin’ny kaominina Taolagnaro, Ampasy-Nampohana sy Mandromondromotra izy ireo. « Tsy tanteraka avokoa izay filoha lefitry ny fikambanana. Nambaran’ny mpandrindra nasionaly ny CRAAD-OI mpiaro ny zon’olombelona, Zo Randriamaro fa voafaritra ao anatin’ny lalàna mifehy ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany eto Madagasikara fa mandoa onitra ny orinasa mpitandraka raha misy olona mampiasa ny tany hanaovana fitrandrahana.

Tsy afa-manoatra

Rehefa nisy ny fifampiresahana tamin’ny fikambanan’ny mpamboly sy mpiompy niaraka tamin’ny QMM dia 3000 Ariary isaky ny metatra tsy mivadi-mandry no aloan’ny orinasa mpitrandraka amin’ny tansaha. Nilaza anefa Mahazomanana Alain, solontenan’ny fikambanana fa 500 Ariary isaky ny metatra tsy mivadi-mandry no naloan’ny QMM ary vao indray mandeha monja ny QMM no nandoa io vola io tamin’ny taona 2016. Nidina an-dalam-be nanao fitokonana ireo tantsaha nitaky ny ambiny ny vola ny faran’ny volana mey lasa teo. Olona efatra naman’izy ireo no nosamboran’ny mpitandro ny filaminana. Nahazo sazy miantona heritaona izy ireo ary nasaina nandoa onitra iray tapitrisa Ariary avy. Ny Solombavambahoaka voafidy taoTolagnaro, Jerry Hatrefindrazana aza efa nandefa taratasy tany amin’ny CRAAD-OI fa lany hevitra tanteraka manoloana ny fitrandrahana fasi-mainty. Mitaraina ireto tantsaha ireto amin’ny tsindry hazolena mianjady amin’izy ireo.

Lynda A.