Catégorie Socio-eco



FAMATSIAM-BOLA: « Fanampiana hanandevozana »


Miverina amin’ny mpamatsy vola ny 60 % ny vola nindramina ankoatra ny famerenana ny vola iray manontolo miampy ny zana-bola. Nambaran’ny mpahay toekarena, Roger RALISON fa ny mpamatsy vola ihany ny mividy ny fitaovana ilaina na ny orinasa vahiny miara-miasa aminy no mahazo ny tsena amin’ny fanatanterahana foto-drafitra asa amina tetikasa iray. Ny 40 % fotsiny no anjaran’ny firenena Malagasy izay mpangataka fanampiana. « Fanampiana hanandevozana ny mitranga eto Madagasikara fa tsy fanampiana mitondra fampandrosoana. Raha tokony ny mpandraharaha Malagasy no tokony hahazo tombony amin’ny tetikasa iray, ireo vahiny indray no migoaka ny tombontsoa amin’izany.

Boka trosa

Tsy miantraika mivantana amin’ny vahoaka ny tetikasam-panjakana nahazoana famatsiam-bola. Nambaran’i Profesora nandritra ny anterivava natao azy fa tokony ny sehatra fototra sy ny faharoa no tena hitadiavana famatsiam-bola. « Mankasitraka ny fanamboarana foto-drafitra asa toy ny hopitaly, lalana, tetezana, sekoly… ny tenako saingy mbola laharam-pamehana ny fanodinana ny vokatra eto an-toerana. Rehefa betsaka ny orinasa mpanodina akora fototra eo amin’ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana, ny jono, ny harena an-kibon’ny tany…teraka ny famoronan’asa, miditra ny vola vahiny amin’ny fanondranana ireo vokatra voahodina. Zava-mitranga amin’izao anefa tototry ny trosa ny fitondram-panajakana satria tsy misy ny vola hamerenana ny vola nindramina noho ny fidiran’ny entana avy ivelany izay tsy mandoa hetra ka tsy mampidi-bola. Mahatonga izany ny tsy fanodinana vokatra.

Nirina R.

Horonan-tsary


LAKAN-DRANO TSENTSINA: Trano miorina tsy ara-dalana 1000 ho arodana


Hiroso amin’ny fanadiovana ny lakan-drano “canal C3” izay mampikoriana ny rano manomboka any Anosibe, Namontana, 67 ha, Ankasina, Ankazomanga, Anosivavaka ary mifarana eo Ambodimita ny Ministeram-panjakana misahana ny tetikasan’ny Filoham-pirenena, fanajariana ny tany sy ny fampitaovana (M2PATE). Ankoatra ny fanadiovana, hohamafisina ny sisiny ny lakan-drano ary hohatsaraina ny morony. Continuer la lecture