Socio-eco

ZES – ANTSIRANANA : Tongotra mby an-dakana.


Ho tanterahina ny 20 ka hatramin’ny 23 febroary 2018 ny fihaonambe iraisam-pirenena ho an’ny famatsiam-bola stratejika ny faritra Avaratr’i Madagasikara (C2ISNM), andiany faharoa. Hivory eny amin’ny San Cristobal, Maibahoaka Ivato momba ny fametrahana ireo foto-drafitra asa mifanaraka amin’ny hevitra fonosin’ny faritra ara-toekarena na « Zone économique spécial » (ZES) ireo mpandraharaha. Miantso ireo mpandraharaha Malagasy na vahiny ny komity mpikarakara ny C2ISNM ho avy handinika ny teti-bola ilaina amin’ny fanamboarana ireo foto-drafitra asa toy ny seran-tsambo, seram-piaramanidina, indostria mpamokatra herinaratra avy amin’ny angovo azo havaozina ao Antsiranana. « Velaran-tany 2000 ha no ampiasaina ka ao amin’ny lemak’i Andrakaka no hananganana izany. Hanamora fifanakalozana ara-barotra amin’ny firenena hafa toy ny fanondranana vokatra voahodina ao amin’ny ZES sy ny fanafarana ny akora fototra ilaina amin’ny indostria mpanodina ny vokatra ny fanamboarana io seranan-tsambo vaovao io”, hoy ny komity mpikarakara ny C2ISNM , Freddie MAHAZOASY nandritra ny valan-dresaka niarahana tamin’ny mpanao gazety ny 02 febroary 2018. Nambarany ihany koa fa hampiakatra ny tahan’ny mpizahan-tany avy any ivelany sy avy eto an-toerana amin’ny faritra DIANA sy SAVA ny fisian’ny seranam-piaramanidina vaovao. Mazava ho azy, hitombo ny toerana fandraisam-bahiny ka hamorona sehatr’asa ho an’ireo mpandraharaha.

Tetikasa moderina

Hiteraka asa ho an’ny mponina any amin’ny faritra Antsiranana ny fananganana ZES ao Andrakaka. Omena sehatra hanangana indostria ireo mpandraharaha vahiny na Malagasy. Ho laharam-pamehana amin’izany ny seha-pihariana “agrobusiness” izay miteraka lalam-pihariana mifampiankina. Manomboka amin’ny fambolena amin’ny tany midadasika, ny fanodinana ny vokatra eo an-toerana, fanondranana ny vokatra voahodina any ivelany. Tsy ho latsa-danja ny fambolena ireo vokatra mampiavaka ny faritra Avaratr’i Madagasikara toy ny “cacao”, lavanila, fary… Mandritra ny telo andro ny fihaonambe iraisam-pirenena ho an’ny famatsiam-bola stratejika ny faritra Avaratr’i Madagasikara no hamaritana ny teti-bola sy ny lafiny ara-teknika ary ny tetiandro hananganana ny ZES any Antsiranana.

Nirina R.

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *