Misokatra ho an’ny rehetra ny fifaninanana tantara foronina izay karakarain’ny SyNAEL. Samy mamorona ny lohateniny ny mpandray anjara tsirairay fa tsy mifanohitra amin’ny lohahevitra hoe: “Sao fanambadiana aloha loatra?” kosa. Pejy 50 ka hatramin’ny 70 eo no takiana amin’ny mpanoratra sy atao sora-printy ary amin’ny teny Malagasy . Continuer la lecture
Auteur R Nirina
Famangiana hafa kely !
Hafa indray ity famangiana iray ity. Samy eny anoloana avokoa ny rehetra. Ny valopy famangiana mivezivezy sy vao ho fenoina vola eo imason’ny vangina. Ny mandray fitenenana etsy an-daniny mamangy, ny miaraka aminy mihetsika atsy mihetsika eroa. Mahita atao isika Malagasy e ! Ny mpanao politika mantsy e !
Nirina R.
Mihantsy ady amin’ny Antandroy ny fanjakana.
“Tandroy izay velona, ampy izay ny fialana nenina, handray fanapaha-kevitra izahay”. Niaka-peo ireo havan’i Mandignisoa, maty voatifitry ny mpitandro filaminana tao amin’ny toeram-pitrandrahana Ankaraoka, Kaominina Marotsopoy, Toliara. Mbola tsy hita ny fatiny hatramin’izao ary mitaky izany ireo havany. Continuer la lecture
PRAIMINISITRA : tezitra aminareo za !
Nisafoaka tamin’ny mpanao gazety ny Praiminisitra Gal jean RAVELONARIVO fa nifandrombaka nametra-panontaniana izy ireo. Betsaka ny fanontaniana manitikitika no nahatonga izany. Oviana moa no tsy nisy izany ? fa tsy mbola nisy mpitondra naneho hatezerana toa azy sa kosa mamy ny seza ka rehefa mandindona ny fialana dia miseho ny hatezerana ? Maro be no tiana hazava ka aza tezitra e ! araho ny horonan-tsary.
Nirina R.
Ny i-BC sy Didi RATSIMBAZAFY : ‘Zay zany e !
‘Zay zany e ! izay no azo ilazana ny zavatra nitranga omaly. Nihazakazaka mafy tamin’ny hafainganam-pandeha 350km/h ny raharaha nitorian’ny filoha tale jeneralin’ny i-BC Andry RAOBELINA an’i Didi RATSIMBAZAFY sy Haja mpiasan’ny i-BC noroahina ny alin’ny fahamaizan’ny immeuble STOI. Taorian’ny fihaonan’ny voatory sy ny biraon’ny Holafitry ny mpanao gazety tamin’ireo mpampahalala vaovao tetsy amin’ny ANTA Ambohidahy omaly dia niravina ny raharaha. Na dia nisy aza ny fikasan’ireo mpiasan’ny i-BC izay notarihan’ny filoha tale jeneraliny hihaona tamin’ny mpanao gazety, nisy kosa ny fihaonana miafina nataon’ny roa tonta notarihan’ny filohan’ny holafitra Gérard RAKOTONIRINA izay niangavy azy ireo hifampihaino. Nifanaraka noho izany izy ireo fa mikatona ny raharaha mikasika azy ireo. ‘Zay zany e ! samia mieritreritra alohan’ny anaovana zavatra oa ! efa mihahaka ny natao vao nifanaraka.
Nirina R.
SARY
Lasa aiza ny SAMVA no MTTM no mandroaka ny fako !
Hita teny amin’ny fiara mpitatitra ny fako omaly ny soratra hoe : MTTM no manadio ny tanana. Iza indray ity MTTM ity izay hita mandroaka ny fakon’Antananarivo renivohitra ? Tsy ny SAMVA intsony ve izany ny manadio ny tanana ? sa manampy ny SAMVA amin’ny tsy fananany vola ka miasa maimaimpoana. Continuer la lecture
NOCE DE LA SAINT-SYLVESTRE : L’ancien SG de la FFPM se remarie
Le Pasteur Rasoavimbahoaka Fanjanavalona, alias Pasteur Fanja, a choisi la journée de la Saint-Sylvestre, un jeudi, dernier jour de l’année 2015, pour contracter mariage à la mairie de la commune rurale de Manandriana Avaradrano avec la nommée Andriamihasoa Razanatseheno Nyaina.
En tant qu’ex-SG de la FFPM (Fédération des Eglises Protestantes de Madagascar), le Pasteur Fanja fait partie des VIP du protestantisme à Madagascar. L’Officier de l’Etat-civil de ladite commune rurale a daigné se déplacer avec le registre au FOFIKRI Ilafy, un domaine appartenant à la FFPM. C’est un cadre plus intime, et en outre comme il se doit : à tout seigneur tout honneur. A l’issue de cet acte matrimonial, le nouveau couple a dit oui devant Dieu et devant les hommes à la FJKM Rasalama Maritiora Manarintsoa Namehana.
Style préféré.
Le Pasteur Fanja, dans l’expectative d’une nouvelle attribution, assume l’intérim à la tête de cette paroisse après avoir quitté le poste de Secrétaire Général de la Fédération des Eglises Protestantes de Madagascar, fonction qu’il a exercée à Vohipiraisana. Quant à Nyaina, elle est de la paroisse FJKM Montrouge Paris (membre du Synode SP-37). Selon des sources, une grande partie de la diaspora malgache de Paris aurait souhaité bénéficier du sacerdoce du Pasteur Fanja et de son style d’évangélisation.
Bénédiction consortiale.
La bénédiction du mariage est conjointement officiée par un trio de Pasteurs composé de Randrianalidera Radoniaina, président du Collectif des Pasteurs du SPIA19, de Radimisaon Jonah, SG du Département des Eglises au Bureau Central FJKM, et de Rakotonavalona Maholy, paroissien d’Ambohitantely. L’homélie prononcée par le SG du Département des Eglises du Foibe FJKM est extraite du livre de l’Ecclésiaste chap. 4 vs 9 qui stipule : « Deux hommes valent mieux qu’un seul, car ils ont un bon salaire pour leur travail ».
Sans viduité.
Partant du chap. 2 vs 18b de la Genèse (« Il n’est pas bon pour l’homme d’être seul »), le prélat après l’exégèse, dans sa dialectique, a encouragé le couple pour le projet matérialisé par ce mariage. En tout cas, le dispositif réglementaire donne raison à Ingahindriana Fanjanavalona… car la gent masculine n’est pas sujette à la période de viduité. Par ailleurs, aristocratie oblige
Airs classique et zafindraony.
Les chorales Akon’ny Serafima, Antoko-Pihira MANAFI, STK TANOMAFI, trois formations de renommée ont donné du tonus à la glorification en alternant les airs Handel, Bach, Vivaldi et Zafindraony Fifohazana. Les fidèles de la paroisse et les riverains curieux ont empli la galerie du temple, rendant ainsi honneur à leur « Curé ».
Après la cérémonie, les nouveaux mariés ont emmené les invités au PK 17,5 de la RN3 à l’Espace Hary’s pour un superbe avant-goût du réveillon de la Saint-Sylvestre.
Texte et photos : Razaka Oliva
FITAKIANA NY « ILES EPARSES » : Tsy navelan’ny mpitandro filaminana hanao ny hetsika
Nosakanan’ny mpitandro filaminana tsy hanao ny hetsika ireo vondron’ny mpitaky ireo nosy kely Malagasy. Tonga teny Ambohijatovo izy ireo nahitana an’i ANDRIANJAKA Rajaonah…Nandefasana vovoka mandatsa-dranomaso mihitsy. Tsy niala teny anefa izy ireo na dia nisy aza izany. Voasakatsakana ihany koa anefa ny fifamoivoizana noho ny sakana ataon’ny mpitandro filaminana ny lalana mba hanakanana azy ireo tsy ho any Analakely. Nanentana izay tia tanindrazana izy ireo ho tonga eny amin’ny foiben’ny otrikafo etsy Andravohangy rahampitso amin’ny 10 ora maraina.
Marihana fa ny filoha Hery RAJAONARIMAMPIANINA raha nanao ny kabariny teny Mavoloha dia niteny fa « hajaintsika ny zo haneho hevitra sy fahalalahana noho ny maha demokraty antsika. Aoka kosa tsy hisy ny fihoaram-pefy mitondra amin’ny fampiadiana amin’ny samy Malagasy, mitondra amin’ny fanelezana lainga sy tsaho mampisavorovoro ny saim-bahoaka, mitondra amin’ny fanitsakitsahana ny zony sasany ». Ka asa na inona amin’ireo no zavatra nitranga teny Ambohijatovo ny Sabotsy lasa teo? Nanaja ny zo naneho hevitra ve ny fanjakana ? tena demokraty tokoa ve ? Nisy fihoaram-pefy ve teny ka nampiady ny Malagasy ? Namafy lainga sy tsaho ve ny mpitarika ny hetsika ka nisavorovoro ny saim-bahoaka? Ny mpitandro filaminana indray aza no nanitsakitsaka ny zon’ny sasany tsy handeha malalaka fa nosakanana ny lalana. Tsy navela andeha amin’ny sisin-dalana izy ireo raha nangataka ny andeha amin’izany.
Araho ny zavatra ny tranga teny Ambohijatovo amin’ity horonan-tsary ity.
Nirina R.
TSY AFAKA AM-BAVAN’NY OLONA NY FAKO !
Mampiteny ny moana mihitsy ny fako eto Andrenivohitr’ i Madagasikara. Teny voalohany avoakan’izy ireo ankehitriny ny hoe : « maimbo ». Tsy afaka am-bavan’ny olona ny fako manerana ny tanana azo lazaina mihitsy aza fa efa an-tenda kely. Mahazo hery vaovao indray ireo voalavo noho ireo fisian’ny fako misavovona ary tsy mahagaga raha hisy ny aretina entin’izany. Niteny ny prefektioran’Antananarivo fa tsy mahazo alalana hanao filaharana ny vondron’ny mpitaky ny « iles eparses » rahampitso fa manelingelina ny vahoaka. Fa ny fako ve izany tsy manelingelina ny vahoaka ? Continuer la lecture









































