De-Lire

Lasa aiza ny SAMVA no MTTM no mandroaka ny fako !


Hita teny amin’ny fiara mpitatitra ny fako omaly ny soratra hoe : MTTM no manadio ny tanana. Iza indray ity MTTM ity izay hita mandroaka ny fakon’Antananarivo renivohitra ? Tsy ny SAMVA intsony ve izany ny manadio ny tanana ? sa manampy ny SAMVA amin’ny tsy fananany vola ka miasa maimaimpoana. Tsy mazava intsony ny tomponandraikitra mikasika ny fanadiovan’ny tanana eto Antananarivo renivohitra. Ny CUA mangataka ny hiverenan’ny SAMVA, ny minisitry ny Rano, sy ny Fahadiovana ary ny Fanadiovana milaza fa tsy mandoa vola tokony omena ny SAMVA ny CUA. Ny mahagaga rehefa miteny ny filoha mailaka ny fanadiovana, mila baikoina ve izany izy ireo vao mandray andraikitra ? Ny an’ny vahoaka tsotra, rehefa madio dia ampy azy.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *