Efa fanaon’ny solombavambahoaka Vololona Raherisoa lany teny amin’ny boribory tany faha enina tamin’ny alalan’ny MAPAR ny manao tatitra amin’ny vahoaka nifidy azy rehefa vita ny fivoriana teny amin’ny Antenimierampirenena. Continuer la lecture
Auteur R Nirina
HETSIKY NY MAPAR SY TIM: Manetry ny fahefan’ny prefet
Na dia mahazo fahazoan-dalana avy any amin’ny kaominina an’Antananarivo renivohitra aza ny hetsika ataon’ireo solombavambahoaka MAPAR sy TIM, ny prefektioran’ny polisy no tompon-teny farany. Manam-pikasana hamory vahoaka eo amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely ireto solombavambahoaka tsy nandray anjara tamin’ny fifidianana ny lalàna fehizoro momba ny fifidianana ireto, amin’ny sabotsy 21 aprily 2018 ho avy izao. Hanao tatitra momba ny fandaniana io lalàna io no anton’ny hetsika. Tsy mbola nampahafantarina momba ny hetsika sy naharay taratasy fangatahana hanao izany ny eo anivon’ny prefektioran’ny polisy hatramin’ny omaly 17 aprily 2018, nanaovany valan-dresaka tamin’ny mpanao gazety.
Mihevitra ireo solombavambahoaka fa voalazan’ny lalam-panorenana ny fanaovana tatitra amin’ny vahoaka. Noho izany, tsy ilaina akory ny fangatahana fahazoan-dalana. Nilaza kosa anefa ny prefet, Angelo Christian Ravelonarivo fa manao tsinontsinona ny fahefany sy ny maha izy izany. Noho izany, tsy manaiky ny famoriam-bahoaka ataon’ireo solombavambahoaka ny eo anivon’ny prefektioran’ny polisy. Nanapa-kevitra ihany ireo solombavambahoaka taorian’ny valan-dresaka naaon’ny prefet ka nanatitra taratasy fampahafantarana ny hetsika.
Lynda A.
Boana Jean Pierre (AV7) : Rako-pantsy ny TIM-MAPAR
« Manao tsinontsinona ny rà latsaka sy aina nafoy teo Antaninarenina tamin’ny 7 febroary 2009 ny fivondronan’ireo solombavambahoaka MAPAR sy ny TIM », hoy ny mpitarika ny AV7, Boana Jean Pierre. Continuer la lecture
FAHASIMBAN’NY TONTOLO IAINANA : Anisany ny fomba fambolena.
Manao izay ho afany ny rehetra amin’ny tokony hiarovana ny tontolo iainana izay efa tandindon-doza ankehitriny. Nanatanteraka andro amin’ny fomba fambolena maharitra na « Agro-écologiques » ny GSDM sy ireo mpiara-miombon’antoka ny 12 sy 13 Aprily 2018 lasa teo tany Antsirabe. Continuer la lecture
FAMPIHAVANAM-PIRENENA: Tsy ho vita ao anatin’ny fotoana fohy
Anterivava : Maître Valisoa RAZAFIMAHATRATRA
Manana andraikitra amin’ny fanorenana indray ny firenena sy ny repoblika ny CFM na ny kaomity ny fampihavanana Malagasy. Continuer la lecture
SEKOLIM-PANJAKANA: Mpianatra 11 taona, manao firaisana ara-nofo sahady
Noborahin’ny mpampianatra nandritra ny « conseil de classe » tamin’ny ray aman-drenin’ilay zaza fa manao firaisana ara-nofo sahady ny zanany. Continuer la lecture
JULES ETIENNE: Aidina ny vidin-tsolika
Nitombo indray ny kandida handray anjara amin’ny fifidianana filoham-pirenena. Taorian’ny zaika be nataon’ny antoko Madagasikara Fivoarana (MAFI), androany 05 Aprily 2018, nanao fanambarana ofisialy i Jules Etienne Rolland izay filoha nasionalin’ny antoko MAFI fa ho anisany kandida amin’ity taona 2018 ity. Continuer la lecture
ANTOKO MAFI : Hanao ny kongresiny.
Hisafidy ny Hotel Panorama ny antoko MAFI “ Madagasikara Fivoarana” tarihin’ny filohany, dokotera Jules ETIENNE Rolland raha hanao ny kongresiny rahampitso 05 Aprily 2018. Continuer la lecture
ZAH GASY : Tsy maika ny fifidianana filoham-pirenena
Efa miseho lany ny farisihan’ny antoko politika handray anjara amin’ny fifidianana ho filoham-pirenena amin’ity taona 2018 ity. Mifanohitra amin’izay ny an’ny fikambanana Zah Gasy. Continuer la lecture
VISION MADAGASCAR : « Niorina tamin’ny fitiavana ny firenena Malagasy »
Feno 71 taona amin’ity taona 2018 ity ny tolona nataon’ny Malagasy mahery fo tamin’ny 29 martsa 1947. Nanatrika ny fahatsiarovana ny tolom-panafahana tao amin’ny Moramanga ny Filoha Tale Jeneralin’ny orinasa « Vision Madagascar » na VIMA, Zouzar BOUKA. Continuer la lecture











