Finie la trêve de Noël, celle du nouvel an est dans l’expectative. En effet, le contexte politique postélectoral semble être des plus délétères. Continuer la lecture
Auteur R Nirina
CONFRONTATION DES PV: Des anomalies soulevées
Pas de trêve de Noël pour l’équipe Legal Team du K25 et CO 25 (Comité d’Ouverture) qui depuis quelques jours procède à la confrontation des procès verbaux des élections dans le locaux de la CENI Alarobia. Continuer la lecture
CENI: Hiala amin’ny lalàna
Araka ny lalàna fehizoro laharana 2018/008 andininy 52 ao amin’ny andininy 192 dia ny fampitahana ny fitanana an-tsotra (PV) ihany no azon’ny Vaomiera Mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI) atao sy fahefana ananany. Continuer la lecture
GASY FOOT: Raikitra ny tournoi « the best fans »
Lalao maka tahaka ny champion’s league ny the best fans. Miahy ny tournoi « the best fans » andiany faharoa ny mpilalao baolina kitra kalaza, Abel Anicet Andriamanantena. Continuer la lecture
FETIN’NY NOELY: Misesy lany ny fizaràna fanomezana
Amin’izao fetin’ny noely izao, nahatsiaro ireo ankizy sahirana ao amin’ny fokontany misy ny orinasany ny “Vima real Estate” (VRE). Isan-taona, mizara hafaliana ho an’ireo ankizy ao amin’ny fokontany Ankorondrano Andranomahery izay foiben-toeran’ny orinasa sy ireo ankizy ao amin’ny kaominina Ambohibao Antehiroka ny Vima. Continuer la lecture
FANIRISOA ERINAIVO: « Niseho masoandro ny fanaovana hosoka »
Kandida maro no efa nitaraina amin’ny fisian’ny hosoka tamin’iny fihodinana voalohany iny. Fomba isan-karazany no mety fisehon’ny fangalaram-bato amin’ny fifidianana izany. Continuer la lecture
RAHARAHA MBOLA RAJAONAH: Ahiana ho tonga any amin’ny fisamborana
Mihenjana amin’ny raharaha momban’i Mbola Rajaonah ny Bianco. Ny 28 Novambra 2018 lasa teo no naharay ny fampiantsoana azy ho eny amin’ny « Birao mahaleotena mpirenena mahaleo tena misahana ny ady amin’ny kolikoly » ( Bianco) ny 12 Desambra 2018 lasa teo izy. Noho ny tsy maha eto Antananarivo azy anefa dia nangataka ny hanaovana ny famotorana azy amin’ny 20 Desambra 2018 ny mpiaro an’i Mbola Rajaonah. « Nivezivezy teny amin’ny bianco hatrany izahay teo anelanelan’ireo fotoana ireo nitondra ny taratasy fampahafantarana ny tsy fahatratraran’i Mbola Rajaoanah ny fotoana hanaovana ny famotorana. Nampahafantarina azy ireo fa tsy ho tonga izy noho ny toetr’andro ratsy sy ny asany. Izay no antony nangatahanay ny fanemorana ny famotorana azy », hoy ny mpisolo vava azy, Eric Rafidison. Ho tonga any amin’ny fisamborana azy ny raharaha raha mitohy izao fihenjanan’ny bianco izao. Nitabataba mafy sady nampiseho fahatezerana tamin’ireto mpisolo vava ireto ny Tale jeneralin’ny Bianco, Jean Louis Andriamifidy raha nifanena azy ireo teny an-dalatsara. Tsy dia fahita izany « police judiciaire » mitabataba ny mpisolo vava izay hitondra fanazavana, hoy hatrany ireto mpisolo vava azy ireto.
Antonta-taratasy
Mahagaga ny fahasahian’ny tale jeneralin’ny biaco milaza ampahibemaso milaza fa misy ny « vesatra » anenjehana an’i Mbola Rajaonah kanefa tsy mbola nandalo famotorana akory izy, hoy ny mpisolo vava azy. Tsy voahaja noho izany ny tsiambaratelon’ny famotorana. Rehefa dinihana ireo fihetsika ataony ireo izao dia mipetraka ao amin’ireto mpisolo vava ireto ny fanontaniana hoe, nahoana no atao tery vay manta toy izao ity raharaha ity.
Tsy nomena ny mpisolo vava azy ny antonta-taratasy momban’ny antony izao fampiantsona izao raha tsy ny andron’ny 12 Desambra 2018 hanaovana ny famotorana an’i Mbola Rajaonah. Nomarihan’izy ireo fa efa nanomboka ny fandraisana ny fampiatsona azy no nangataka izany ny mpisolo vava azy kanefa tsy nomena izany. Gaga anefa ireto mpisolo vava ireto fa ny antonta-taratasy efa vita famotorana ka efa lasa eny amin’ny fitsarana ihany izao hanaovana famotorana azy izao indray. Raha ny tokony ho izy anefa tsy azon’ny police judiciaire atao intsony ny manao famotorana indray rehefa lasa eny amin’ny fitsarana ny raharaha, hoy ny mpisolo vava. Azo atao ihany anefa ny hanatanteraka zavatra ao anatin’ny antontaratasy izany rehefa ny fitsarana no maniraka ny police judiciaire hanao izany.
Nomarihan’izy ireo fa antonta-taratasy avy amin’ny « Sampandraharaha iadiana amin’ny famotsim-bola » (Samifin) ny 04 Mai 2018 ihany ity raharaha ity.
Nirina R.
MPISOLOVAVA AN’I MBOLA RAJAONAH: Tsy voahaja ny tsiambaratelo ny fanadihadiana
“Mampanontany tena ny tsy fanarahan-dalàna momba ny raharaha Mbola Joseph Rajaonah”, hoy ny mpisolovavany, Eric Rafidison. Continuer la lecture
Handicap et/ou atout
Marc Ravalomanana ne prononce pas très bien le français, ses accords et ses conjugaisons sont loin d’être irréprochables… Et alors ? Ne pas maîtriser la langue de Molière est-il un handicap voire un pêché pour un dirigeant malgache ? Continuer la lecture
FIKAMBANANA TSIORINTSOA: Manao ny asa tsy vitan’ny fanjakana
“Matoa betsaka ny fikambanana mpanao asa soa dia misy lesoka avy any amin’ny fitondram-panjakana”, hoy ny fikambanana Tsiorintsoa Atsimondrano. Continuer la lecture










