Nisafidy ny hanohana ny kandida Andry Rajoelina i Joseph Martin Randriamampionona na i dadafara. Raha toa ka niparitaka tany amin’ny tambazotran-tserasera “facebook” ny sariny niresaka tamin’i Marc Ravalomanana dia mifanohitra amin’izany ny zava-mitranga. Continuer la lecture
Auteur lynda
FRANCINE RANAIVO: Mila mifanaraka ny mpitondra sy ny vahoaka
“Mbola tsy nahita olona afaka hihaino azy ny vahoaka hatramin’izao”, hoy ny filoha mpanorina ny fikambanana Alliance Internationale des femmes de France et Madagascar (AIFM), Francine Ranaivo rehefa nivahiny tao amin’ny televiziona afrikanina “télésud” ny 28 novambra 2018. Nambarany tao anaty ny fandaharana fa mitady olona afaka hihaino azy ny vahoaka. “Na dia hiroso amin’ny fifidianana fihodinana faharoa aza isika dia tsy fanirian’ny vahoaka izany. Handeha hifidy izy ireo mba hanatanteraka ny adidy”. Noho izany, mila manome izay tadiavin’ny vahoaka ny filoham-pirenena ho lany eo, araka ny fanehoan-keviny. Ao anatin’izany ny fahatsaram-piainana, ny fahafahana ny Malagasy rehetra miara-miaina lavitry ny fampitahorana sy fampihorohoroana.
Fifanarahana
Ankoatra maha filoha mpanorina ny AIFM an’i Francine Ranaivo dia mpila ravinahitra ao Paris izy. Anisany mpanao gazety nitantana gazety voalohany teto Madagasikara ny rainy. Xavier Ranaivo no anarany itompokolahy. “Rehefa niresaka tamin’ireo mpila ravinahitra (diaspora) amiko aty Frantsa aho dia mila mamolavola sata ny vahoaka sy ny mpitondra. Ho soniavin’ny roa tonta izany ary omena fe-potoana ny mpitondra, ohatra enim-bolana ka jerena aorian’izay raha niova ny fiainan’ny tsirairay. “Tsy misy vahaolana ankoatra izay”, hoy i Francine Ranaivo. Io sata io no hamatotra ny filoham-pirenena ka hifanarahana ny fepetra ho raisina raha toa ka tsy nisy fampandrosoana vanona. Ho an’izay filohan’ny repoblika vaovao eo, efa mampilaza sahady ny diaspora any Frantsa fa hiady izy ireo mba ahafahan’ny diaspora mifidy, araka ny fanambaran’ny solontenan’izy ireo, Francine Ranaivo.
Lynda A.
LALAM-PIOFANANA “AUDIOVISUEL ET CINÉMATOGRAPHIE” : E-media irery ihany no nahazo fankatoavana
Sambany teto Madagasikara no nisy nahazo diplaoma momba ny “audiovisuel et cinématographie”. Mizara roa ny e-media ka voalohany amin’izany ny fampianarana ambony hahazoana ny diplaoma licence sy ny master ary fampiofanana arak’asa ny faharoa. Continuer la lecture
PASITERA MAILHOL: Tsy mitombona ny fangatahan-dRajoelina sy Ravalomanana
Nanapa-kevitra ny birao nasionaly ny antoko politika Gideona ny Fandresena ny Fahantrana eto Madagasikara (GFFM) izay nanolotra an’i Mailhol ho kandida tamin’ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany. Continuer la lecture
DISTRIKA AMBOHIDRATRIMO : Nanome fampitaovana ny faritra Analamanga
Nahazo fampitaovana avy amin’ny faritra Analamanga ireo kaominina 15 ao amin’ny distrikan’Ambohidratrimo. Noho ny fangatahan’ireo kaominina ireo fa misy foto-drafitrasa tsy maintsy vonjena maika amin’izao fotoam-pahavaratra izao dia nanolo-tanana azy ireo ny faritra Analamanga. Continuer la lecture
FANDRAOFANA NY FAKO ETO ANTANANARIVO: Ho alefa any amin’ny ministeran’ny rano ny faktiora
“Manao bemarenina ry zareo ao amin’ny ministeran’ny rano sy ny SAMVA”, hoy ny mpanolontsaina manokana ny ben’ny tanàna an’Antananarivo renivohitra, Marc Ravalomanana. Continuer la lecture
MPAMPIANATRA FANATANJAHANTENA: Samy hafa ny any an-tsekoly sy ny federasiona
Mampatsiahy ny fitakiana nataony ny mpampianatra fanatanjahantena (EPS). Efa nisy tamin’ireo fangatahan’izy ireo no voavaly amin’ny ampahany saingy mbola misy ihany koa no mbola tsy voavalin’ny fanjakana. Continuer la lecture
HAZANDRANOMASINA MISY POIZINA: Vanim-potoanany izao
Mateti-pitranga amin’ny faritra manamorona ny morontsiraka eto Madagasikara ny fanapoizinana vokatry ny fihinanana hazandranomasina. Continuer la lecture
CCCOI 2018: Samy homena loka ny “arbitre” sy ny ekipa mendrika
Mampiantrano ny lalao iadiana ny tompondaka ny “handball” ho an’ny ranomasimbe Indiana (CCCOI) i Madagasikara. Hanomboka rahampitso 24 novambra 2018 tolakandro ity lalao ity. Continuer la lecture
STARTIMES : Miandry ny mpanjifa ny « abonnement » maimaim-poana
Hiara-hankalaza ny fetin’ny noely amin’ny mpianakavy ny Startimes. Izay mividy “décodeur” Startimes dia mahazo “abonnement” roa volana be izao. Continuer la lecture











