Naroso ny daty hanatanterahana ny fifaninanana ara-panatanjahantena ho an’ny mpiasam-panjakana ho an’ity taona 2019 ity. Continuer la lecture
Auteur lynda
ADY AMIN’NY KOLIKOLY: Nahitam-bokany ny ezaky ny fitondram-panjakana
Nahavita ezaka ny firenena Malagasy momba ny ady amin’ny kolikoly tamin’iny taona 2018 iny raha ny indice de perception de la corruption (IPC) navoakan’ny transparency International no jerena. Continuer la lecture
SENATERA LYLISON: Tsy voatery ho ministra vao afaka mampandroso firenena
Nambaran’ny senatera Lylison René de Rolland fa tsy voatery ho ministra vao afaka mampandroso fa na dia mpamafa làlana aza dia efa mampandroso firenena izany. Continuer la lecture
FIHOTSAHAN’NY RARIVATO TENY TSIMIALONJAFY: Misy hifandraisany amin’ny tafondro ve ?
Indro ny antso avo nataon’i Joe Colombine Rasambaina, mponina eny ambanin’Ampamarinana manoloana ny fihotsahan’ny rarivato tao Tsimialonjafy, ambanin’Andohalo izay nahafaty olona 12: Continuer la lecture
TAHAM-PAMOKARANA VARY: Ny tarehimarika niavaka
Raha niompana tamin’ny fambolena tantanam-pianakaviana ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra nandritra izay nahazoana ny fahaleovantena izay, niroso tamin’ny fampiroboroboana sehatra telo hafa ny ministeran’ny fambolena sy ny fiompiana (MINAE). Continuer la lecture
KAOMININA AMPITATAFIKA: Ny mampandeha ny fampandrosoana
“Tsy maharitra iray volana akory ny fanampiana avy fanjakana kanefa misy 12 volana ny taona iray”, hoy ny ben’ny tanàna ny kaominina Ampitatafika, Rado Ramparaoelina. Nambarany fa miha sarotra ny fitantanana ny kaominina satria lasa handoavana ny karaman’ny mpiasa sy fampandehanan-draharaha sisa ny vola miditra amin’ny kaominina. Na dia eo aza izany, mahavita dingana amin’ny fampandrosoana ny tanàna ny kaominina fa tsy mijanona amin’ny fanatsarana ny fomba fiasa amin’ny lafiny fampandehanan-draharaha fotsiny.
Fanampiana
Raha atao ny jery todika tamin’ny taona 2018, nisy ny asa vita na dia nihena aza ny hetra niditra tamin’ny kitapom-bolan’ny kaominina noho ny antony maro samihafa. “Nalaina nandoa hetra ny mponina vao nanomboka ny vanim-potoanan’ny fampielezan-kevitra tamin’ny fifidianana filoham-pirenena. Tsy hay mihitsy ny antony”, hoy i Rado Ramparaoelina. Ankoatra izany, tsy tratra ny fanamby ny kaominina hahaleo tena ara-bola tamin’iny taona iny. Araka ny fanazavan’ny ben’ny tanàna an’Ampitatafika fa ny asa mandeha no nahafahana nanamboatra foto-drafitr’asa. Nanampy tamin’ny fampandrosoana ny kaominina ny PUD na “plan d’urbanisme détaillé” satria rehefa misy ny fividianana tanimbary dia mazava ho azy fa hisy ny fanotorana. Efa nalain’ny kaominina mialoha ny vola tokony aloa amin’ny fanotorana ny tany. Anisany nahafahan’ny kaominina nihetsika izany.
Asa vita
Raha tanisaina ny asa vitan’ny kaominina Ampitatafika tamin’ny taona 2018 dia ao anatin’izany ny fametrahana jiro an-dalam-be miisa 45, ny fanamboaran-dàlana eny anelanelan’ny fokontany izay mirefy efatra kilometatra, ny fanampiana ny efitranon-tsekoly, ny fanadiovana ny tatatra hiatrehana ny fahavaratra, ny fividianana “kubota” miisa roa sy cyclo-pousse miisa valo handraofana fako… Nilaza ihany koa ny ben’ny tanàna fa voaloa avokoa ny karaman’ny mpiasa sy ny volan’ny CNAPS. Tsy hisy olana ny fampandehana-draharaha ny kaominina mandritra ity taona 2019. Nividy tonner (encre) miisa 50 ny kaominina ka haharitra hatramin’ ny volana janoary 2020 izany. Marihina fa mbola mitohy amin’ity taona vaovao ity ny fanamby ny kaominina ambanivohitra Ampitatafika mba hahaleo tena ara-bola.
Lynda A.
MALAGASY ANY FRANTSA SY ERAOPA: Miankina amin’ny HCC ny fampandrosoana tena izy
Miray fo amin’ny mpiray tanindrazana ireo Malagasy mipetraka any Frantsa sy Eraopa manoloana ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny. Continuer la lecture
AGENCE AMBININTSOA: Mpiasa an-trano 300 nahazo valisoa
Nampitoviana ny valisoa nomen’ny agence Ambinintsoa ireo mpanampy nahafeno herintaona tany amin’ny mpampiasa azy ho an’ny taona 2018. Continuer la lecture
FARITRA ANALAMANGA: Nitondra fanampiana ho an’ireo zaza nania
Efa mpiara-miasa akaiky amin’ny “aumônerie FJKM” ny faritra Analamanga ho fanampiana ireo marary any hopitaly, ireo ankizy taizana eny amin’ny toby fanabeazana… Continuer la lecture
F2MF: Naneho ny safidiny ankalalahana ny Malagasy
“Hitanay sahady fa misy ny fanohitohinana ny safidim-bahoaka”. Continuer la lecture











