Nankinin’ny fikambanana « Ny fanahy maha olona » amin’ny mpisolovava Willy RASOLONJATOVO ny raharaha momba ny fanaovana lavanty ny fanomezana avy any amin’ny Mpanjakan’i Dubaï. Ho fiarovana ny fikambanana amin’ny mety zava-doza hitranga no antony natrehan’ny fikambanana ny raharaha amin’ny Maitre Olala. Continuer la lecture
Catégorie Actus
FTHM: Manaraka ny ISO 9001:2015 ny kalitaon’ny fitantanana.
Mitombo hatrany ny hatsaran’ny kalitaon’ny tolotra omen’ny FTHM Consulting ny mpanjifa sy ireo mpiara-miasa akaiky aminy. Nahazo ny fanamarinana « certification » ISO 9001 :2015 ity « cabinet de conseil » ity. « Manamafy andraikitra sahaninay ny fahazoana ny fanamarinana ISO 9001:2015. Continuer la lecture
MISS WORLD MADAGASCAR 2018: Ho hentitra ny fifantenana.
Tanora zazavavy 18 ka hatramin’ny 24 taona miisa 16 hiatrika ny dingana famaranana amin’ny fifaninanana “Miss World Madagascar”. Fantatra amin’ny zoma 15 desambra 2017 eny amin’ny Carlton Anosy ny hisalotra ny Miss World Madagascar 2018. Handray anjara amin’ny Miss Monde andiany manaraka izay handrombaka ny laharana voalohany. Continuer la lecture
Atelier onusien sur la CIDPH à Windhoek : Madagascar à l’honneur
L’UNDESA ou Département des Affaires économiques et sociales des Nations Unies, organise un atelier de renforcement de capacité des pays africains pour la mise en œuvre de la Convention Internationale relative aux Droits des Personnes Handicapées. l’UNICEF en Namibie est également responsable de cet atelier international réservé à des associations des personnes handicapées venant de différents pays d’Afrique, et à des représentants d’Etats de quelques pays africains.
WINDHOEK – NAMIBIA : Atrikasa iraisam-pirenena momba ny fahasembanana
Nisokatra ara-pomba ofisialy ny talata 12 desambira teto Windhoek renivohitr’i Namibia ny atrikasa iraisam-pirenena eo ambany fiahian’ny Firenena-Mikambana: fampiofanana momba ny fampiarana ny fifanarahana iraisam-pirenena mikasika ny zon’ny olona manana fahasembanana. Teratany afrikana miisa 27 avy amina firenena afrikana 11, miampy ireo tompon’andraikitra mpampiofana avy amin’ny Firenena-Mikambana any New York, sy ny UNICEF avy eto Namibia no vonory eto amin’ny SAFARI HOTELS, miatrika izany hatramin’ny zoma 15 desambra 2017.
MOPERA RAHAJARIZAFY: Nivoy ny maha Malagasy sy kristianina modely.
Tsangam-bato faha-100 taona nahaterahan’ny Mopera Antoine de Padoue RAHAJARIZAFY ny boky vaovao “Ny fanahy no olona, un prêtre, un oeuvre”. Voarakitra ao anatin’io boky io ny fahitan’ireo olona nifanerasera taminy nandritra ny fahavelomany. Amin’ny maha mpanoratra an’ny mopera RAHAJARIZAFY, nivoy kolontsaina maha Malagasy ny tenany. Continuer la lecture
OMS : Mamolavola tondro zotra hisorohana ny fiparitahan’ny pesta.
“Mbola mitohy ny ady na dia nandresy tamin’ny fifehezana ny valan’aretina pesta”. Mbola ao anatin’ny vanim-potoanan’ny pesta mifindra amin’ny alalan’ny parasy na “bubonique” ny eto Madagasikara. Amin’ny volana aprily 2018 any vao hifarana izany. Ho fanamafisana ny fifehezana sy fisorohana azy ity, nanao jery todika ny asa vita nandritra ny firongatry ny pesta “pulmonaire” izay nahafaty Malagasy maro ny Fianakaviambe manerantany ho an’ny fahasalamana (OMS). Continuer la lecture
ORANGE MADAGASCAR: Manome lanja ny fahasalaman’ny mpiasa.
Hanampy ny fikambanana misahana ny olona tra-pahasembanana ny “application ellomi”. Ahafahana mamantatra ny toe-batan’ireo manana fahasembanana ara-batana, ara-tsaina ity application vaovao navoakan’ny orinasa Orange ity. Tsy ny fahasembanana hita maso ihany no azo ampiasaina ny “ellomi” fa ahazoana vaovao ara-potoana ny toe-pahasalaman’ny olona iray ao anatin’ny fivoriana na toeram-pisakafoana… ihany koa izy ity. Continuer la lecture
FTHM CONSULTING : Ny tantaran’ny toekarena Malagasy, fototra hiatrehana ny ho avy.
“Fototra hitsinjovana ny ho avy ny lasa”. Mamolavola olom-pirenena mandray andraikitry ny vanona sy famakafakana ny tantara ekonomika nisy teto Madagasikara nanomboka ny taona 2016 no mankaty. Continuer la lecture
FANJAKANA MALAGASY: Hatao lavanty ny fanomezan’ny mpanjakan’ny DUBAI.
Fito volana aty aoriana, ataon’ny fanjakana lavanty amin’ny Alatsinainy 11 Desambra 2017 ny fanomezana ho an’ny mponina tra-boina tamin’ny fandalovan’ny rivo-doza Enawo. Sakafo iray « conteneur » avy amin’ny « Fondation » ny mpanjakan’ny DUBAI, Sheik Mohammed Al Makthoum Bin Rashid. Continuer la lecture





















