Catégorie Socio-eco



MADAGASIKARA: « Lohalaharana amin’ny krizy ara-toe-tany… »


Tsy maintsy mihetsika haingana ny mpitondra eran-tany mba hamonjena aina sy hiarovana ny zo izay atahorana ho voahosihosy noho ny loza ara-toe-tany eto Madagasikara.

Ny krizy ara-toe-tany dia nanamafy ny haintany manimba ny any atsimon’i Madagasikara, izay nahatonga ny hanoanana goavana. Olona miisa 1 tapitrisa ho eo no miatrika mosary, hoy ny Amnesty International ao anatin’ny tatitra nataony ny 27 Oktobra 2021. Miaina ny haintany ratsy indrindra nisy teo aminy i Madagasikara. Miteraka fijaliana lehibe sy famoizana ain’olona  ny fiovan’ny toe-tany.

« Tara loatra raha efa maty izahay vao ho tonga ny fanampiana ». Ny Amnesty dia nanoratra momban’ny fiantraikan’ny haintany amin’ny fahazoana misitraka ireo zon’olombelona ho an’ny olona ao amin’ny faritra « Le Grand Sud” eto Madagasikara. Marihana fa 91%n’ny mponina any dia miaina ambanin’ny fetra azo ekena amin’ny fahantrana. Miantso ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny fikambanana mba handray andraikitra haingana hamahana ny krizy amin’ny toe-tany ary hiaro ny olona any amin’ny firenena toa an’i Madagasikara izay mora tohina amin’ny fiovan’ny toe-tany.

“I Madagasikara no lohalaharana amin’ny krizy ara-toe-tany. Ho an’ny olona iray tapitrisa dia haintany. Loza io, ary fanitsakitsahana ny zon’izy ireo hisitraka fiainana, fahasalamana, sakafo ary rano. Midika izany fa mety ho faty noho ny hanoanana izy ireo. Izao no mitranga izany toe-javatra izany. Ny vinavina momba ny fiovan’ny toe-tany ankehitriny dia manondro fa ny haintany dia mety hihamafy kokoa, ka hisy fiantraikany ratsy kokoa amin’ny olona any amin’ny firenena an-dàlam-pandrosoana. Mialoha ny fivoriana momba ny toe-tany ataon’ny Firenena Mikambana ao amin’ny COP26, dia antso fanairana ho an’ny mpitondra an’izao tontolo izao ity, mba tsy hitaredretra intsony izy ireo amin’ny loza ara-toe-tany », hoy i Agnès Callamard, sekretera jeneralin’ny Amnesty International.

“Ny vondrona iraisam-pirenena dia tsy maintsy manome fanampiana sy famatsiam-bola fanampiny avy hatrany ho an’ny olona eto Madagasikara tratry ny haintany noho ny fatiantoka sy fahavoazana nosedrain’izy ireo. Manomboka izao dia tsy maintsy manome fanampiana ara-bola sy ara- teknika fanampiny koa ireo firenena izay nandray anjara betsaka indrindra tamin’ny fiovan’ny toe-tany sy ireo manana loharanon-karena amin’izany, mba hanampiana ny olona any Madagasikara mba hahafahany miatrika tsara kokoa ny fiantraiky ny fiovan’ny toe-tany, toy ny haintany mihamafy sy maharitra.”

Ny Amnesty dia miantso ihany koa ny mpitondra rehetra eran’izao tontolo izao handray andraikitra matotra sy hita maso hampidina 45% ny famokarana entona karbônika hita tamin’ny 2010, ka manana hatramin’ny 2030 izy ireo amin’izany. Ary tokony hahatratra aotra ny famokarana entona karbônika alohan’ny na amin’ny 2050, izay mifanaraka amin’ny porofo ara- tsiansa.

Anisan’ny firenena marefo indrindra amin’ny fiovan’ny toe-tany i Madagasikara. Ny porofo ara-tsiansa dia mampiseho fa ny fiovan’ny toe-tany maneran-tany dia mety nahatonga ny mari-pana ambony kokoa sy ny rotsak’orana tsy ho ara-dalàna any amin’ny faritra atsimo izay tany maina, sy nahitana rotsak’orana ambany dia ambany raha hampitahiana amin’ny dimy taona lasa nisesy izay. Nambaran’ny Firenena Mikambana fa efa eo amoron’ny mosary voalohany eran-tany nateraky ny fiovan’ny toe-tany i Madagasikara.

Ny hamafin’ny haintany

Ny Fandaharan’asan’ny Firenena Mikambana mikasika ny sakafo maneran- tany (Programme alimentaire mondiale – PAM) sy ny Sampana miahy ny ara- tsakafo sy ara-pambolena ao amin’ny Firenena Mikambana (Organisation des Nations unies pour l’alimentation et l’agriculture – ONUAA) dia nilaza tamin’ny volana Mey fa manodidina ny 1.14 tapitrisa ny olona iharan’ny tsy fahampiana ara-tsakafo mahery vaika any atsimo, ary efa ho 14 000 no “iharan-doza » – ny sokajy tsy fahampiana ara-tsakafo avo indrindra eo ambanin’ny ambaratonga dimy amin’ny Fitaovana fanasokajiana ny tahan’ny fanjarian-tsakafo (Cadre integré de classification de la securité alimentaire na IPC). Sambany izany no voarakitra an-tsoratra hatramin’ny nampidirina teto Madagasikara ny fitaovana fanasokajiana IPC tamin’ny 2016.

Raha ny filazan’ny ONUAA, 95 isan-jaton’ny olona miatrika ny tsy fanjariana ara-tsakafo mafy ao atsimon’i Madagasikara dia miankina amin’ny fambolena, ny fiompiana ary ny jono. Saingy kely ny vanim-potoana ilatsahan’ny orana noho ny mahazatra, tao anatin’izay taona vitsy lasa izay, dia nitarika fihenan’ny famokarana ireo foto-tsakafo, toy ny vary sy mangahazo, ary koa ny fihenan’ny isan’ny omby sy ny habehiny. Ny haintany dia niteraka fahafatesan’omby ihany koa, ary vao maika nampihena ny foto- piveloman’ny olona.

Na dia tsy misy antontan’isa ofisialy aza mikasika ny fahafatesa vokatry ny haintany, izay nanomboka tamin’ny Novambra 2020, ny Amnesty International dia nanadihady olona marobe avy any amin’ny faritra atsimo izay nitatitra ny fahafatesana nisy teo amin’ny fiarahamonin’izy ireo noho ny hanoanana.

Tamin’ny volana Martsa dia nilaza tamin’ny Amnesty International i Votsora, tantsaha iray izay 50 taona, fa olona 10 no maty tao anatin’ny iray volana talohan’io tao an-tanànany, ary olona dimy avy amin’ny tokantrano iray no matin’ny hanoanana tao anatin’ny iray andro.

Vehivavy iray noresahina tamin’ny volana Martsa koa dia nilaza fa namoy zanaka roa noho ny hanoanana. “Nijaly satria naona izy ireo… ary maty. Tsy dia mihinana na inona na inona izahay,” hoy izy.

Nisy lehilahy iray hafa nilaza fa namoy zazakely roa: “Herintaona sy roa volana ny iray, ary ny iray kosa valo volana. Maty izy ireo efa herintaona lasa izay … Satria tsy nihinana na inona na inona izahay.”

Fiantraikany  amin’ny zon’olombelona

Ny haintany dia manambana fa hatahorana ny fahafahana misitraka ny zo hiaina, ary koa ny zo hafa, toy ny zo ho salama, ny zo hisitraka rano, fidiovana ary sakafo ho an’ny olona any atsimon’i Madagasikara.

Satria manova tanteraka ny fiainan’ny olona ny loza, maro no tsy nanan- tsafidy afa-tsy ny fifindra-monina tany amin’ny faritra hafa mba hitadiavana sakafo.

Voaroba ny ho avin’ny ankizy, satria ny hanoanana dia manery ny maro hiala an-tsekoly hitady asa hamelomana ny ankohonany. Ny ray aman-dreny koa tsy sahy mandefa ny zanany any an-tsekoly rehefa tsy nisakafo izy ireo.

Ny krizy koa dia mavesatra kokoa ho an’ny vehivavy sy tokantrano entim- behivavy, izay matetika miankina amin’ny fambolena mba hivelomana.

« Tsy azontsika ekena intsony fa ny vondron’olona mahantra indrindra sy voahilikilika indrindra amin’ny fiarahamonina no miantoka ny vesatra ambony indrindra amin’ny fihetsika sy ny tsy fahombiazan’ireo firenena mamokatra entona karbonika lehibe indrindra eto an-tany » hoy i Agnès Callamard.

« Ny tena ratsy indrindra dia heritreretina fa hitombo hatrany ny hamafin’ny haintany eto amin’ity faritra atsimon’i Madagasikara ity, izay mety hidika fa voahosihosy hatrany ny fiarovana ny zon’olombelona. Ny sehatra iraisam- pirenena dia tokony manao ny adidiny ary hiantoka ny fahafahan’ny tsirairay hisitraka ny zo hanana tontolo madio, salama ary afaka lovainjafy, izay ilaina amin’ny fahazoana misitraka ny zony maro hafa ».

Marihana fa nisy haintany efatra nisesy tany amin’ny faritra atsimon’i Madagasikara, izay nandripaka ny fijinjana sy nanasakana ny fahazoan’ny mponina hisitraka sakafo. Ny haintany farany dia nanomboka tamin’ny volana Novambra 2020 ary nitohy hatramin’ny volana Janoary 2021. Tonga tamin’ny fiandohan’ity taona ity ny vanim-potoana maitso ahitra, ny fotoana anelanelan’ny fambolena sy ny fijinjana, ary nampitombo ny hanoanana maharitra izay atrehan’ny olona any atsimo. Nisy fiantraikany lehibe tamin’ireo vondrom- piarahamonina traboina ny haintany, nahatonga ny hanoanana, ny tsy fanjarian-tsakafo ary ny fahafatesan’ny olona.

Raha ny fampitam-baovao faran’ny PAM momba ny sakafo sy ny fanjarian- tsakafo nandritry ny volana Aprily ka hatramin’ny volana Septambra 2021 dia olona 1.14 tapitrisa avy any atsimon’i Madagasikara no iharan’ny tsy fahampian-tsakafo mahery vaika.

Mialoha ny fihaonambe momba ny toe-tany COP26, miantso ny firenena rehetra ny Amnesty International mba:

  • Hanome antoka momban’ireo tanjona kendrena hampihenana ny famokarana entona manimba, izay mifanaraka amin’ny zon’olombelona, ary hitazona antsika ambanin’ny fiakaran’ny mari- pana manerantany 5°C.
  • Hanome antoka fa hanafoana haingana ny solika fôsily fa tsy hiantehitra amin’ny fepetra ala safay izay manemotra  ny hetsika hiadiana amin’ny loza ara-toe-tany ary izay mety hisy fiantraikany ratsy amin’ny zon’olombelona.
  • Hametraka rafitra maneran-tany hanohanana ireo olona izay hita fa voakasik’izany ny zony, ary ireo governemanta manankarena dia tokony mandoa ny sarany amin’ny alàlan’ny famatsiam-bola
  • Miantoka ny zon’ireo voakasikin’ny fiovan’ny toe-tany amin’ny fampahalalana sy fandraisana anjara amin’ny fanapaha-kevitra mifandraika amin’ny toe-tany.

Ho fanampin’izany, ny Amnesty International dia miantso ny firenena manankarena mba hampitombo ny famatsiam-bola ho an’ny fihenan’ny famokarana entona karbônika mifanaraka amin’ny zon’olombelona, ary ho an’ny fepetra fihatrehanan’ny fiovan’ny toe-tany any amin’ny firenena tsy dia manankarena.

Nanangona, Ra-Nirina

Horonan-tsary:


La STAR honore ses collaborateurs : Miisa 217 ireo notolorana mari-boninahitra


Cette année encore, la STAR n’a pas manqué de distinguer ses collaborateurs pour preuve de son engagement et de son attachement envers ses employés. 217 collaborateurs STAR ont été décorés dans l’ensemble de toutes les exploitations de la STAR. Compte tenu du contexte sanitaire dernièrement, les cérémonies de remise ont été organisées dans plusieurs villes de Madagascar au plus proche de ses collaborateurs. Comme tous les ans, chaque cérémonie de remise est dédiée aux collaborateurs récipiendaires pour récompenser leur fidélité envers la STAR, leur remarquable volonté et leur persévérance à la participation active au développement de l’entreprise.
Continuer la lecture


Tetikasa « Rary Aro Mada » Tohanan’ny minisiteran’ny fampianarana ambony


Teny amin’ny trano fiasany teny Fiadanana no nandraisan-dRamatoa minisitry ny fampianarana ambony, ny mpandrindra ny rafitry ny firenena mikambana izay miasa sy monina eto Madagasikarara.
Dinika tsotra sy tamin’ny fomba fifanajana no nisy teo amin’ny roa tonta ka nahafahan’izy ireo nanasongadina hatrany ny fiaraha-miasa sy ny fanaovana sonia tetikasa lasitra momba ny fiarovan’ireo tanora ny zon’olombelona sy fametrahana ho fanamafisana ny fandriampahalemana, sy ny fametrahana ihany koa ny fitoniana ara-tsosialy eny anivon’ny fiaraha-monina…
Ity tetikasa ity izany raha ny marimarina kokoa dia vokatry ny asan’ny OHCHR sy ny UNESCO ary vatsian’ny PBF vola, izany dia ho fanohanana ireo tanora mianatra eny amin’ny oniversité eto amintsika.
Navoitran’ny minisitra Assoumacou Elia Béatrice, nandritra ity fihaonana ity ihany koa ny fifandraisan’ireo samy mpianatry ny oniversité, indrindra rehefa misy fihetsiketsehana sy fitakiana ataon’izy ireo…
Ny  tetikasa « Rary Aro Mada » ihany koa, hoy izy, no hanampy amin’ny fanabeazana ireo tanora, ary ahafantarany tsara izany fiarovana ny zon’olombelona izany, ary ny fiarovana ny fananana iombonana ka mba tsy hisian’ny fihetsika mety ho fanimbàna na koa hnelingelenana ny fizotry ny fampianarana. Izany indrindra dia mba ahafahana manala ny tanora amin’ny haraton’ny kotontana ara-piaraha-monina sy ara-politika
Issa Sanogo, ilay mpandrindra maharitry ny rafitry ny firenena mikambana eto amintsika kosa tetsy ankilan’izany dia niarahaba sy nankasitraka an-dRamatoa minisitra amin’ny fanohanan’ny minisitera izay tarihiny ity tetika ity ho an’nireo tanoran’ny oniversite eto amintsika.


E-journées nucléaires virtuelle : L’INSTN représente Madagascar


Dans le contexte pandémique qui sévit encore le monde actuellement, l’ouverture officielle des e-journées nucléaires virtuelles s’est faite par visio-conférence, à Fiadanana. Comme à l’accoutumée, Madagascar participe  à ce rendez-vous hautement scientifique par le biais de Institut National des Sciences et Techniques Nucléaire ou INSTN.

A L’occasion de l’ouverture officielle, Pr ASSOUMACOU Elia Béatrice, ministre de l’Enseignement supérieur et de la Recherche scientifique a réitéré l’importance du secteur nucléaire pour en faveur du développement du pays. Ainsi, le programme en question tient compte de quelques secteurs, à savoir : la santé avec la radiothérapie pour le traitement des cancers par exemple ; l’agriculture avec l’optimisation des engrais ; l’eau avec le suivi de la pollution des nappes phréatiques ; les mines avec les mesures d’accompagnement en radioprotection ; l’élevage avec l’optimisation de la reproduction et de la santé animales. Par la même occasion, elle a procédé à la signature du programme cadre national régissant la coopération technique avec et financée par l’AIEA pour les cinq prochaines années.

Continuer la lecture