Socio-eco

HAKANTO CONTEMPORARY: Manasongadina ireo sangan’asan’i Dany Be, rain’ny paka sary malagasy sy mpanao gazety paka sary


Sary tokana dia mahafoaka izay rehetra tiana ambara. Tsapa avy hatrany izany rehefa mahita ny sary nalain’i Daniel Rakotoseheno na i Dany Be. Andrarezin’ny fakana sary sy rain’ny mpanao gazety paka sary malagasy  i Dany Be. Mampihaiky ny sangan’asany satria ankoatra maha mpanao gazety paka sary azy dia manana endrika kanto  ny sary alainy. Nisafidy ny hampiranty ireo sary nalainy nandritra ny taona maro ny Hakanto Contemporary. « DANY BE WHAT A WONDERFUL WORLD” ny lohateny nampitondraina ny fampirantiana. Misokatra ho an’ny daholobe, nanomboka ny 4 mey 2023 ka hatramin’ny 26 oktobra 2024, eny amin’ny  Alhambra Gallery Ankadimbahoaka ity fampirantiana momba ny sary ity. 127 ny sary no miranty eny an-toerana ka ny ankamaroan’izy ireo dia sary miavaka, maneho ny talentan’i Dany Be. Entina hanehoana ny fomba fijerin’ny paka sary ny tontolon’ny politika, sosialy, fanatanjahantena, kolontsaina eto Madagasikara tamin’izany  sy ny tanlentany amin’ny fanehoana sary no tanjon’ny fampirantiana.   “Nisafidy ny tsy hanasaraka ny asan’i Dany Be, amin’ny maha mpanao gazety sy ny maha mpisehatra azy amin’ny kanto izahay fa nampifandray kokoa ireo lafiny roa ireo aza no asehonay. Etsy andaniny, mampiseho mivantana ny zavanisy sy sehatra samihafa, toy ny politika, sosialy, fanatanjahantena na fialamboly ireo sary nosafidiana. Etsy ankilany, mampiseho ny fomba fijerin’ny paka sary ireo toerana sy erana, zavamisy manerana ny Nosy. Nanamarika  vanim-potoana maro, nanomboka tamin’ny fahazoana ny fahaleovantena, ny 1960, ny sary nalainy. Vavolombelon’ny tantaram-pirenena i Dany Be.  Tsy adino ihany koa ireo sary miresaka ny andavanandrom-piainana. Anisany fitaratra ho an’ny paka sary malagasy izy », araka ny fanazavan’ireo mpikarakara ny fampirantiana, Rina Ralay-Ranaivo  sy Jean Loup Pivin ary Rado Rakotoseheno.

Tantaram-piainan’i Dany Be

Tamin’ny taona 1935 i Dany Be no teraka. Ny taona 1947, nanatrika ny fisamborana ny rainy, mpanorina ny gazety La Grande Île izy. Nahita ny herisetra nahazo ny rainy ihany koa izy rehefa namangy azy tany am-ponja. Teo anelanelan’ny taona 1955 -1956 dia nanao raharaha miaramila tao amin’ny tafika frantsay  izy. Nahita ny habibian’ireo mpanjanaka namakivaky  lohasaha sy kirihitrala izy. Noho ny fahitan’ireo zava-misy ireo no nahatonga azy ho lasa paka sary mba hanoherany ny hetsika famoretana sy tsy fahamarinana. Nanomboka ny taona 1957 no nivoatra tsikelikely ny asany amin’ny maha paka sary azy. Tamin’ny 1959 izy no niditra niasa tao amin’ny gazety “Madagascar Dimanche”. Mpanao gazety paka sary izy tamin’izany ka fanadihadiana voalohany nataony  ny tondran-drano lehibe nandifotra ny lemak’Antananarivo, ny volana martsa 1959. Nivoatra hatrany ny talentany teo anelanelan’ny 1960 – 1970. Resy lahatra izy fa misy fiantraikany amin’ny  hevitry ny sarambambem-bahoaka ny sary an-gazety ary manantena izy fa hisy ny fahatongavan-tsainan’ny daholobe. Nisedra ny mafy ihany koa izy satria efa nosamborina, nogadraina, saika nandritra ny fitondrana nifanesy. Voaraoka tao amin’ny gazety Courrier de Madagascar izy ny 1971. Ny tena nangidy taminy dia fanagiazan’ny « police de la censure », tamin’ny taona 1983, ny tahirin-tsariny nalaina teo anelanelan’ny taona 60 sy 70. “Pellicules” miisa 2000  no very anjavony vokatr’izany. Nodimandry ny taona 2021 i Dany Be rehefa avy nisehatra tamin’ny asa fanaovan-gazety sy fakana sary  nandritra 62 taona.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *