Socio-eco

OLAN’NY FANANANTANY: Ny fifampihainoana eo amin’ny mpitondra sy ny vahoaka no vahaolana


20 taona taty aorian’ny nijoroany dia mahatsapa ny Sehatra Iombonan’ny Fananantany fa mbola maro ireo olan’ny fananantany saro-bahana sy mahazo vahana. Tsy mitsahatra mitondra ny anjara biriky amin’ny fanatsarana ny fitantanana ny fananantany sy famahana ny olan’ny fananantany  anefa ny SIF. Nanangana ny “JERITANY” ity vovonana Firaisamonimpirenena misehatra amin’ny Fananantany ity ny tapaky ny taona 2023. Rafitra iray hanangonam-baovao sy antontan-kevitra momba ny olan’ny fananantany eto Madagasikara ny JERITANY. Mandray ny fitarainan’ireo olona manana olana momba ny fananantany ary manoro azy ireo ny vahaolana tokony ho raisina. Hidina hanao fanadihadiana lalina any amin’ireo toerana ahitana olana ihany koa ny ekipan’ny JERITANY. Hisy ihany koa  ny fandalinana amin’ny antsipiriany ireo antontam-baovovao mba ahafahana misintona vahaolana afaka aroso ho dinihan’ny Mpanantanteraka isan-tsokajiny sy isan’ambaratongany. “Tsy vao omaly no nisy ny olan’ny fananantany. Vao maika mitombo izany. Tsy fifanomezana tsiny no hampivaha an’io fa fifampihainoana no tokony atao. Mihaino izay olan’ny mpitondra ary ny entina koa  tokony hohenoina, izay no tena ao ambadiky ny fifampiresahana. Noho izany, ilaina ny atontan-kevitra mba ahafahana mifampiresaka, inona no vahaolana hampivaha fananantany”, hoy i Raparison Eric, mpandrindra nasionalin’ny SIF. Manana vina hanokatra  sehatra nomerika ahafahana mamoaka ireo antontam-baovao sy antontan-kevitra ny tetikasa JERITANY.

Ny fikirakirana ny atontan-kevitra misy eo amin’ny SIF nandritra izay 20 taona nisiany izay dia nahafahana namintina fa mifototra amin’ireto teboka telo ireto ny endrika isehoan’ny olan’ny fananan-tany eto Madagasikara :

  • Ny olana ateraky ny fanoratan-jo fananan-tany dia ny fangatahana titra na famindrana titra amin’ny alalan’ny fandovàna, fifampivarotana, fanolorana ary fifampizarana.
  • Ny olana ateraky ny sata-tany lany andro, toy ny Tany misotra amin’ny Voanjo (Terrain titré au nom de Colon), ny Kadasitra tsy tontosa hatramin’ny farany.
  • Ny olana ateraky ny fibodoana tany ataon’ireo Orinasa na Mpampiasa vola vaventy, ary ihany ko ny fanesorana ny olona mampiasa ny tany raha misy ilain’ny Fanjakana ny tany.

Nikarakara atrikasa fifanankalozan-kevitra eo amin’ny Mpisehatra amin’ny Fananantany ny vovonana ny 8 mey 2024, teny Antaninarenina. Nasaina hanatrika izany ireo solotenan’ny fokonolona manana olan’ny fananan-tany manerana an’i Madagasikara izay nanaovana fanadihadiana tao anatin’ny JERITANY ary ireo sokajin’olona hafa misehatra amin’ny fananantany.  Miompana amin’ny fampahafantarana ny JERITANY sy firosoana sahady amin’ny fifampidinihana eo amin’ireo solotenan’ny fokonolona manana olan’ny fananantany eto Madagasikara amin’ireo Tomponandraikitra isan-tsokajiny mba ahafahana manoritroritra vahaolana entina mamaha izany olan’ny fananantany izany ny votoatin’ny atrikasa.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *