Le SALFA ou Sampan’asa Loterana momba ny Fahasalamana (Organe luthérien de la santé) va bientôt boucler sa mission qui consiste à remettre des kits (savons, caches-bouche, spiruline et divers lots de médicaments…) au sein de ses agences dans toute l’île, ainsi que des toby Fifohazana ou Grands Centres de Réveil Spirituel. Pour ce faire, le SALFA a affecté les voitures 4×4 reçues des partenaires à parcourir la grande île à travers dix axes. Continuer la lecture
Catégorie Mahoraka
JIRAMA: Madio ny rano atolotra ny mpanjifa
VONO OLONA TAMIN’NY FOMBA FENO HABIBIANA : Maty Ralivao Hélène
Fomba enti-milaza olona tsara tarehy ny hoe “Anjely latsaka an-tany”! Fiteny ihany io ka fiteny, fa ny devoly latsaka an-tany kosa dia tena misy, ary andro Alahady antoandro benanahary tsy lavitry ny fiangonana mihitsy no nanehoany ny maha bibidia sy maha dragona azy.
BETAFO ANTSIRABE : Olan’ny rano fisotro madio
Tsy mety milamina araky ny nambaran-dRa-THEO (FIBEMIH), mpitarika ny fiarovana ny Zon’ny mpanjifa ao Betafo ny fomba fitantanana ny rano fisotro madio ao amin’ny Kaominina Ambonivohitra Betafo, satria mitongilana mankany amin’ny mpitantana ny rano fotsiny hatrany ny fiarovan’ny tompon’andraikim-panjakana ao an-toerana sy ny eo anivon’ny Sampandraharaham-paritry ny Rano Vakinankaratra ny zo sy ny tombontsoa fa tsy misy fijerevana velively ny zo sy ny tombontsoan’ny Mpanjifa!
Hatsikana : “One man show” miaraka amin’i Za’Rery
Mpanao hatsikana vao misandratra kanefa manana ny maha izy azy i Za’Rery. Hampifaly, hanala sorisory, hitondra tsiky ny mpankafy hatsikana na ireo te hiala voly ity mpanakanto ity mandritra ny seho an-tsehatra “One man show”, ny 27 aprily 2019 ho avy izao ao amin’ny CGM Analakely.
« STAR TOUR » : Hitorajofo indray Antsirabe
Ny 20 hatramin’ny 22 Aprily 2019 ho avy izao dia hifety tanteraka indray ny tanàna an’Antsirabe. 14 taona izao no niarahan’Antsirabe sy ny Star isaky ny fetin’ny Paska. Amin’ity taona ity dia hiavaka hatrany ny fety satria efa andiany faha dimy sahady izao ny « Star tour » ary andiany faharoa kosa raha ho an’Antsirabe manokana. Continuer la lecture
Anciens de la Marine Nationale : Un avant-goût du nouvel an
Les ex-matafs (anciens retraités ou quillards de la Marine Nationale) n’ont pas attendu le rendez-vous fixé pour la célébration comme à l’accoutumée du nouvel an 2019 programmée cette fois chez un amiral encore en activité. Ils ont saisi l’opportunité du passage au pays d’un des leurs, pour se retrouver autour d’une table, non pas ronde, mais rectangulaire.
Dr Quanbeck mianakavy : « Miverina amin’ny taniny ny Jiosy »
Tsy Jiosy tsy akory Dokotera Stanley Dwight Quanbeck fa Amerikana fotsy fiodirana. Olo-be, raiamandreny, sady olo-malaza teo anivon’ny Fiangonana Loterana Malagasy Dr Quanbeck. Izy no angady nananana sy vy nahitana (Pionnier) ny Sampan’Asa Loterana momba ny Fahasalamana (SALFA).
Anterivava : Dr Quanbeck
Olon-dehibe tsotra, manetritena. Tsy nofihininy ho azy samy irery ny fisalorana izany fiantsoana hoe “Pionnier” izany, fa mbola notsiahiviny ny tanan-kavanany niombon’antoka taminy tamy fanorenana sy fiterahana ny SALFA avy any an-karangana, dia Chef Andréas Richard. Hoy mantsy izy raha nandray fitenenana: “Hoatran’ny tao amin’ny Testamenta Taloha izahay sy Andréas ka izaho Mosesy, izy Arona”.
40 taona.
Hankalaza tsy ho ela ny faha-40 taona nijoroana ny SALFA. Ho fanatanterahana ny hevitry ny Komity Maharitry ny Synoda Lehibe (KMSL) tamin’ny 1979 no nanendren’ny FLM an’i Dr Quanbeck hanangana ny SALFA. Niainga tamina toerana fizaham-pahasalamana tanaty efitra roa tao amin’ny FLM 67ha ny SALFA ka ankehitriny dia nahavita an’io trano tsara bika eo Andohalo io. Manana toeram-pitsaboana sy hopitaly maro manerana ny Nosy koa ny SALFA, ary anisan’ireny ny any amy faritra Atsimo manontolo. Tsy hadinoin’i Dokotera mianakavy ny hitsidika an’i Ejeda sy Bezaha, izay nandaniany ny fahatanorany.
Fandraisana mendrika.
Lanonana ara-panahy tsotsotra sy mendrika no nandraisan’ny mpiara-miasa rehetra SALFA an’i Dr Quanbeck sy ny zanaka aman-jafiny ny zoma 6 aprily 2018. Taranaka fahatelo misionera niasa teto Madagasikara izy, ary ny raibeny avy amin’ny reniny dia Pastora milevina any Manasoa-Fanjahira Bezaha (Toliara). Tsy nahatana ranomaso ny lehilahy raha nampahatsiahy izany, ary tsaroany ireo anaram-bosotra niantsoana azy hoe Dokotera Marivoranomaso, sy ny hoe Dokotera Lesola. Nahatsikaiky ny filazany fa tsy mitsahatra mitombo ny fahasolany izy misotroronono sy mihoatra ny 80 taona izao.
Tsisy tsy nahalala an’i Dr Quanbeck izay nisera teo anivon’ny FLM. Mahafehy hatrany ny teny malagasy izy na dia 40 taona aty aoriana aza.
Anterivava : Chef Andréas Richard
Razaka Oliva
Sary
Lanterne taxi-ville eto Antananarivo : Maimaim-poana sady tsy an-tery no ahazoana izany
Telo tonta no namolavola ny tetikasa ho amin’ny fanatsarana ny fampiasana ny fitaterana an-dRenivohitra eto Antananarivo. Teo ny CUA (Kaominina Antananativo Renivohitra) , ny FTAR (Fikambanan’ireo matihanina amin’ny fanaovana ny Taxi-ville) ary ny orinasa tsy miankina Publimotion. Efa nanomboka tamin’ny Desambra 2016 no nahatafatambatra ny rehetra tamin’ny hoe mila hazaina sy tsy tokony hahazo sehatra intsony ny mpitandraka ny asa fitaterana amin’ny « fomba maloto ». Continuer la lecture
Holafitry ny mpanao gazety: Fanambaràna
Manoloana ny fisamborana an’i Fernand Cello, mpanao gazetin’ny Radio Jupiter, ny alin’ny zoma 5 mey teo, izahay mpikamban’ny Holafitry ny Mpanao Gazety eto Madagasikara dia manao izao fanambaràna izao : Continuer la lecture


























