Mahoraka

VONO OLONA TAMIN’NY FOMBA FENO HABIBIANA : Maty Ralivao Hélène


 

Fomba enti-milaza olona tsara tarehy ny hoe “Anjely latsaka an-tany”! Fiteny ihany io ka fiteny, fa ny devoly latsaka an-tany kosa dia tena misy, ary andro Alahady antoandro benanahary tsy lavitry ny fiangonana mihitsy no nanehoany ny maha bibidia sy maha dragona azy.

FLM 1                                                                   Ralivao Hélène fony izy Tonia FBL

Tsimifaditrovana.

Maty novonoin’ny dahalo tamin’ny fomba feno habibiana Ramatoa Ralivao Hélène, Sekretera Jeneraly voalohan’ny Fikambanam-Behivavy Loterana (FBL). Teny Morondava Ambohibao Antehiroka tsy lavitra ny trano fonenany no nisehoan’ny asa mampihorin-koditra. Ao amin’ny foibe ILOFAV na Ivontoerana Loterana ho Fampandrosoana ny Vehivavy no mipetraka sy monina ny fianakaviana. Mpanorina sady efa Tale mpitantana tao Ralivao Hélène nandritra ny taona maro. Vadin’ny Pastora Ramiaramanana René, Mpitondra Fitandremana FLM Ambohibao Antampontanàna Itompokovavy.

FLM 2                             Foibe FBL: Ramatoa Toromare Mananato (2ème à droite) no nandimby azy

 

Manampahaizan’i Soatanana.

Vaovao ratsy nanaitra sy nampivarahontsana izay nandre tokoa ity tranga ity. Nandritra ny famoriana Mpanao gazety nataon’ny Filohan’ny FLM, dia nanao antso avo tamin’ny Mpitondra Fanjakana mahefa izy ka namaky bantsilana ny firoborobon’ny herisetra manerana ny Nosy. Olomangan’ny FLM Ralivao Hélène ary fantatry ny Kristiana maro tsy eo amin’ny sehatry ny FBL sy Dorkasy ihany, fa eo amin’nyny tontolon’ny fampianarana koa. Tsy latsa-danja noho izany koa ny andraikitra noraisiny teo anivon’ny Fifohazana. Anisan’ireo vehivavy manampahaizana vitsivitsy nisafidy ny atokana ho Mpiandry tany amin’ny tobilehibe Soatanana izy, niaraka tamin-dry Dr Razivelo Mariette Profesora SALT Fianarantsoa, sy ny Teolojiana Razaiarinisa Vahatriniaina Profesora sy nanorina ny Sekoly Fampianarana Teolojia Loterana (SeFaTeL). Anisan’izy ireo koa ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena ankehitriny Razanamahasoa Christine.

FLM 3Ireo andriambavilanitra mpitarika ny FBL. Mora fantatra: Ramializafy, Ralivao Hélène, Dr Razivelo Mariette

Ambonin’izany, dia anisan’ny manohitra ny herisetra izy, ary eo am-panoratana boky momba izany. Saingy indrisy fa tsy mbola vitany hatramy farany io asa soratra nokendreny ho vita sokitra amy boky io.

Any Fandriana Fisakana no hiandrasany ny fitsanganana amy maty. Very olomanga ny FLM. Maty zanaka sady namoy raiamandreny ny FLM manontolo.

Misaona sy kamboty ny FBL sy ny rantsana Maria-Marta.

Razaka Oliva


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *