Socio-eco

FAMBOLEN-KAZO : Miandrandra an’Imanja ny SFPMA


Nitodi-doha teny Imanja, Ambohimanga (Avaradrano), ny Sakaizan’ny Fiangonana Protestanta Malagasy Andafy na SFPMA ny sabotsy 23 janoary 2016. Manjamanja tokoa ny resaka !

Fotoam-pivavahana fohy no nanombohana izany tamy 11 ora. Nitohy tamy fifampiarahabana taombaovao, ary koa fanolorana rary soa ho an’ireo Filoham-boninahitra tonga nanatrika dia Atoa isany Rakotondraibe Richard, Mpitandrina; Andriamparison David, Tale Foibe Frenjy iraisam-pirenena.

Ny Filoham-boninahitra roa lahy hafa kosa dia mbola any ivelany. Ny Mpitandrina Andriamampianina Désiré mivady any Frantsa, fa ny Dr Rasolondraibe Péri, Pastora sy ny vadiny kosa any Amerika.

Vina sy tetikasa.

Ny Maintimolaly FPMA (MFPMA) no nanomboka nanabe voa ny velaran-tany eny Imanja tany amy taona 2005, ka efa tonga hazo avobe ankehitriny ny kininina sy kesika novoleny tamin’izany. Io MFPMA io no niova ho Sakaizan’ny FPMA (SFPMA) ankehitriny. Vokatra koa ireo voly legioma an-tanety fanaon’ny SFPMA miaraka amy mponina eo amy fokontany, toy ny voanjobory (pois Bambara).

Nametraka fangatahana an’io velaran-tany novolena hazo sy legioma io any amy Fanjakana tompon’andraikitra ny SFPMA, satria misy vina hanatanterahana tetikasa lehibe an-dalam-piketrehana. Tsy inona izany fa fanorenana “Foibe Fanabeazana sy Fanatsarana ny Fiainam-bahoaka amy lafiny Vatana Saina Fanahy”. Koa manantena hoavy mamirapiratra ny SPFMA raha mivaly io fangatahana io.

Zanakazo mahasoa.

Nahatratra 200 fototra kosa ny zanakazo novolena, ary karazany folo izany saingy tsy nisy kininina sy kesika intsony (hazo ala, hazo fihinam-boa, hazo fanao fanafody, ravintsara, hazo fanaovan-trano sy fanaka…). Tsy nisy niolonolona na ny vahiny na ny fokonolona tompontany fa samy nifarimbona am-pifaliana naira-nanatanteraka izany asa fambolenkazo izany.

Nivimbina solom-penakoho noho ny tonon-taona ho an’ny teny an-toerana ny SFPMA sady nofonkena mitam-pihavanana rahateo. Novatsiana menaka 1L ny isan-tokantrano, ary nozaraina vatomamy sy “biscuits”ny ankizy madinika rehetra. Ny sakafo (vary sy laoka) nentin’ny tsirairay mpamboly hazo avy aty an-drenivohitra no niarahan’ny rehetra nihinana niaraka tamy mponina tao Imanja.

Nanangona Razaka Oliva


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *