Catégorie Socio-eco



PASITERA MAILHOL: Ny mpanao politika no mampahantra fa tsy ny mpitondra fivavahana


Voatonona tao anatin’ny horonan-tsary navoakan’i Luc Hervé tao amin’ny pejy “facebook” ny anaran’ireo mpitondra fivavahana malaza eto Madagasikara. Tao anatin’izany i pasitera Mailhol. Anisan’ireo nahazo tenin-dratsy sy ompa variraraka avy amin’ity mpikirakira “facebook” ity ny tenany fa manambaka vahoaka fotsiny amin’ny fivavahana. Continuer la lecture


MINISTERAN’NY HARENA ANATY RANO SY NY JONO: Nampiditra 517 miliara Ariary tao ao amin’ny ny kitapom-bolam-panjakana


Nandray anjara 7% tamin’ny hari-karena faoben’i Madagasikara ny Ministeran’ny harena anaty sy ny jono ny taona 2017. Nambaran’ny Ministra Gilbert François, nandritra ny fifampiarahabana nahatratry ny taona an’ny mpiasan’ny Ministera, tamin’ny 12 janoary 2018 fa tafiakatra hatramin’ny 517.370.000.000 Ariary ny vola azo avy amin’ny fanondranana any ivelany ny vokatry ny jono sy ny fiompiana anaty rano. Continuer la lecture


CENI : 718.656 ny mpifidy eto Antananarivo renivohitra ao anaty lisi-pifidianana


Manana 20 andro ireo mpifidy tsy mbola tafiditra ao anatin’ny lisi-pifidianana. Nambaran’ny Filohan’ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI), Hery RAKOTOMANANA nandritra ny dinik’asa niarahana  tamin’ireo lehiben’ny fokontany sy ny lefitry ny lehiben’ny fokontany rehetra  ao anatin’ny kaominina an’Antananarivo Renivohitra (CUA), ny 11 janoary fa mbola afaka manoratra ny anarany eny amin’ny biraom-pokontany ireo mpifidy tsy mbola ao anatin’ny lisi-pifidianana hatramin’ny 31 janoary 2018. Continuer la lecture