Voatonona tao anatin’ny horonan-tsary navoakan’i Luc Hervé tao amin’ny pejy “facebook” ny anaran’ireo mpitondra fivavahana malaza eto Madagasikara. Tao anatin’izany i pasitera Mailhol. Anisan’ireo nahazo tenin-dratsy sy ompa variraraka avy amin’ity mpikirakira “facebook” ity ny tenany fa manambaka vahoaka fotsiny amin’ny fivavahana. Continuer la lecture
Catégorie Actus
Affaire des 70 000 euros : Le scandale judiciaire de trop
Une chose est sûre : le régime y perdra quelques (sinon plusieurs) ailes avec cette affaire de milliers d’euros de pots de vin qu’aurait versé un ressortissant français à des hauts responsables de la justice malgache pour s’évader de la maison centrale de Tsiafahy et prendre la large hors du territoire national malgache. L’affaire a été ébruitée par le très sérieux journal français « Le Parisien » qui a eu une interview exclusive avec l’homme en cavale.
MINISTERAN’NY HARENA ANATY RANO SY NY JONO: Nampiditra 517 miliara Ariary tao ao amin’ny ny kitapom-bolam-panjakana
Nandray anjara 7% tamin’ny hari-karena faoben’i Madagasikara ny Ministeran’ny harena anaty sy ny jono ny taona 2017. Nambaran’ny Ministra Gilbert François, nandritra ny fifampiarahabana nahatratry ny taona an’ny mpiasan’ny Ministera, tamin’ny 12 janoary 2018 fa tafiakatra hatramin’ny 517.370.000.000 Ariary ny vola azo avy amin’ny fanondranana any ivelany ny vokatry ny jono sy ny fiompiana anaty rano. Continuer la lecture
CENI : 718.656 ny mpifidy eto Antananarivo renivohitra ao anaty lisi-pifidianana
Manana 20 andro ireo mpifidy tsy mbola tafiditra ao anatin’ny lisi-pifidianana. Nambaran’ny Filohan’ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI), Hery RAKOTOMANANA nandritra ny dinik’asa niarahana tamin’ireo lehiben’ny fokontany sy ny lefitry ny lehiben’ny fokontany rehetra ao anatin’ny kaominina an’Antananarivo Renivohitra (CUA), ny 11 janoary fa mbola afaka manoratra ny anarany eny amin’ny biraom-pokontany ireo mpifidy tsy mbola ao anatin’ny lisi-pifidianana hatramin’ny 31 janoary 2018. Continuer la lecture
FOIRE INTERNATIONALE DES PIERRES BRUTES : Nampiavaka ny foara ny trano heva 16 an’ireo mpandraharaha Malagasy
Vato sarobidy, firavaka, vatosoa tsy mbola voapaika isan-karazany milanja 800 kilao avy any amin’ny firenena samihafa nampirantiana nandritra ny foara iraisam-pirenena ho an’ny vato tsy mbola voapaika (foire internationale des pierres brutes), tany « Jaipur Inde ». Continuer la lecture
VISION MADAGASCAR : 2018, taona fanantenana ho an’ny mpandraharaha
Tetikasan’ny Filoham-pirenena, Hery RAJAONARIMAMPIANINA amin’ity taona 2018 ny fanohizana ny asa efa vita teo aloha toy fanamboaran-dalana, ny fametrahana fitaovana mampiodina ny herinaratra. Fanantenana ho an’ireo mpandraharaha ara-toekarena izany. Continuer la lecture
Rivo-doza “AVA”: Tapaka ny lalana, miakatra sahady ny vidim-bary
Tondraka ny rano, potika ny voly. Tapaka ny lalana, mikatso ny fitaterana. Noho ny voka-dratsy nateraky ny rivo-doza “AVA”, manomboka sahady ny fiakaran’ny vidim-bary. Maro amin’ireo mpivaro-bary no efa mampiakatra ny vidim-bary na dia efa entana tahiry aza. Continuer la lecture
OMS: 4 tapitrisa dolara ilaina maika amin’izao vanim-potoana ny pesta izao
Nanolotra fanomezana ho mari-pahatsiarovana noho ny fiarahamiasa tamin’ny OMS ny Ministeran’ny Fahalasalamam-bahoaka ny alatsinainy 08 janoary 2018 nandritra ny fitsidihan’ny Tale Jeneraly Tedros Adhanom . Continuer la lecture
FILOHAMPIRENENA HERY RAJAONARIMAMPIANINA : 70 % sisa ny taham-pahantran’ny Malagasy
Tao anatin’ny efa-taona nitondrana an’i Madagasikara, nambaran’ny Filohan’ny Repoblika Malagasy nandritra ny fifampiarahabana nahatratry ny taona 2018, teny Iavoloha fa nihena 18 % ny Malagasy miaina ao anatin’ny fahantrana. Nidina ho 70 izany raha 92 % teo aloha. Continuer la lecture
HALATRA TANY MANAN-TOMPO: Manjaka ny kolikoly eo amin’ny fikarakarana taratasy
Fomba fiady ahazoana tany manan-tompo an-tsokosoko ny fizaka-manana na “prescription acquisitive”. Vitaina ambony latabatra ny fidinana ifotony tokony hanaovana fitsirihana (constatation mise en valeur). Manan-kery amin’ny fitsarana izany na dia hosoka aza. Continuer la lecture