Catégorie Actus



FAMATSIAM-BOLA: « Fanampiana hanandevozana »


Miverina amin’ny mpamatsy vola ny 60 % ny vola nindramina ankoatra ny famerenana ny vola iray manontolo miampy ny zana-bola. Nambaran’ny mpahay toekarena, Roger RALISON fa ny mpamatsy vola ihany ny mividy ny fitaovana ilaina na ny orinasa vahiny miara-miasa aminy no mahazo ny tsena amin’ny fanatanterahana foto-drafitra asa amina tetikasa iray. Ny 40 % fotsiny no anjaran’ny firenena Malagasy izay mpangataka fanampiana. « Fanampiana hanandevozana ny mitranga eto Madagasikara fa tsy fanampiana mitondra fampandrosoana. Raha tokony ny mpandraharaha Malagasy no tokony hahazo tombony amin’ny tetikasa iray, ireo vahiny indray no migoaka ny tombontsoa amin’izany.

Boka trosa

Tsy miantraika mivantana amin’ny vahoaka ny tetikasam-panjakana nahazoana famatsiam-bola. Nambaran’i Profesora nandritra ny anterivava natao azy fa tokony ny sehatra fototra sy ny faharoa no tena hitadiavana famatsiam-bola. « Mankasitraka ny fanamboarana foto-drafitra asa toy ny hopitaly, lalana, tetezana, sekoly… ny tenako saingy mbola laharam-pamehana ny fanodinana ny vokatra eto an-toerana. Rehefa betsaka ny orinasa mpanodina akora fototra eo amin’ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana, ny jono, ny harena an-kibon’ny tany…teraka ny famoronan’asa, miditra ny vola vahiny amin’ny fanondranana ireo vokatra voahodina. Zava-mitranga amin’izao anefa tototry ny trosa ny fitondram-panajakana satria tsy misy ny vola hamerenana ny vola nindramina noho ny fidiran’ny entana avy ivelany izay tsy mandoa hetra ka tsy mampidi-bola. Mahatonga izany ny tsy fanodinana vokatra.

Nirina R.

Horonan-tsary


LAKAN-DRANO TSENTSINA: Trano miorina tsy ara-dalana 1000 ho arodana


Hiroso amin’ny fanadiovana ny lakan-drano “canal C3” izay mampikoriana ny rano manomboka any Anosibe, Namontana, 67 ha, Ankasina, Ankazomanga, Anosivavaka ary mifarana eo Ambodimita ny Ministeram-panjakana misahana ny tetikasan’ny Filoham-pirenena, fanajariana ny tany sy ny fampitaovana (M2PATE). Ankoatra ny fanadiovana, hohamafisina ny sisiny ny lakan-drano ary hohatsaraina ny morony. Continuer la lecture


GARE ROUTIERE AMBOHIMANGAKELY : 35 % ny foto-drafitra asa sisa no tsy vita


Hotokanana amin’ny volana martsa ny toby fiantsonana vaovao eny Ambohimangakely. Nandeha nitsidika ny fizotran’ny asa teny an-toerana ny tomponandraikitra teo anivon’ny Ministeram-panjakana misahana ny tetikasan’ny Filoham-pirenena, ny fanajariana ny tany sy ny fampitaovana (M2PATE) , ny Ministeran’ny fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro sy ireo koperativa hampiasa ny « gare routière » androany 31 janoary 2018. Continuer la lecture


MASOIVOHO AMERIKANA: Mitazona fahatokisan’ny mpifidy ny tamberinandraikitra


 « Tsara tantanana ny fanjakana rehefa misy ny tamberinandraikitra », hoy ny Ambasadaoron’i Etazonia eto Madagasikara, Robert Yamate nandritra ny fampahafantarana tamin’ny ofisialy ny boky torolalana « SOSA » momba ny tamberinandraikitra natao ho an’ny olom-pirenena sy ny horonantsary  mitantara ny fanamby ataon’ny  tanora eto Madagasikara amin’ny fampiharana ny tamberinandraikitra. Continuer la lecture


TETIKASA LAMINA : Tombony ho an’ny manana olana ara-pivezivezena


Mbola hitohy ny tetikasa fanampiana ireo olona tra-pahasembanana sy ireo manana olana ara-pivezivezena. « Na dia tapitra aza ny tetikasa Lalan-jotra Miaty ny Namana (LAMINA) izay iantsorohan’ny ONG Lalana, hiara-hiasa amin’ny fikambanan’ny olona sembana izahay hanohizana ny fitsinjovana ireo sembana sy manana olana ara-pivezivezena amin’ny fampiasana ny fitateram-bahoaka », hoy ny mpandrindra ny tetikasa, Continuer la lecture


ADY AMIN’NY PARAKY SY SIGARA : Hahazo famatsiam-bola i Madagasikara


600.000 ny olona maty vokatry ny setroka sigara maneran-tany. Mitovy lenta amin’ny mpifoka sigara ny loza mihatra amin’ireo olona manodidina ny mpifoka iray amin’ny toerana mihidy na mifefy. Nohazavain’ny Talen’ny Ofisy nasionaly miady amin’ny paraky (OFNALAT), David RAVELOJOELIANDRIAMBE fa miteraka homamiadan’ny fitaovam-pisefoana sy mitarika fahafatesana ny fifohana sigara sy setroka sigara. Continuer la lecture


Marc Ravalomanana à Tolagnaro : Présentation des vœux perturbée


A Tolagnaro lundi dernier dans le cadre de la présen- tation de vœux du nouvel An à la population d’Anosy et de la célébration des 15 années d’existence du parti Tiako i Madagasikara, Marc Ravalomanana n’a pas pu les célébrer totalement car des éléments de l’Emmo-Reg ont été déployés dans la ville de Taolagnaro, pour empêcher toute manifestation dans les rues, l’électricité a été coupée et les matériels de sonorisation, prévus pour la manifestation ont été confisqués et selon les informations, de même les portables de ceux qui ont voulu prendre en photos l’évènement.