Nihotsaka ny tany ao ambadiky ny EPP Ambodihady Ambohimanarina ka tandidomin-doza ny sekoly. Efa am-polo taonany no nisy fihotsahana saingy tsy nisy ny fandraisan’andraikitra na dia efa natao aza ny tatitra tamin’ireo tomponandraikitra mahefa. Continuer la lecture
Auteur R Nirina
DISTRIKAN’AMBOHIDRATRIMO : Kandida solombavambahoaka Rabemihoatra Mino
Nifanojo ny fanapahankevitry ny maro an’isa amin’ireo ben’ny tanàna ao amin’ny distrika an’Ambohidratrimo sy ireo vahoaka avy amin’ireo kaominina 24 mandrafitra ny distrika fa hanolotra an-dRabemihoatra Mino Mbolatiana ho kandidà amin’ny fifidianana solombavambahoaka ny 27 mey 2019. Continuer la lecture
POLITIQUE DE DEVELOPPEMENT: La loi des finances rectificatives très attendue
Apparemment le régime Andry Rajoelina ne connaît aucune formation politique d’envergure d’opposition. Continuer la lecture
GRENADY « LACRYMOGÈNE » SY BALA: Teny am-pelatanan’ny olon-dratsy
Miezaka ary mampiasa ny paikady amin’ny asan’ireo olon-dratsy ny eo anivon’ny polisim-pirenena. Izay indrindra no nahazoan’izy ireo karazana grenady lacrymogène sy bala. Continuer la lecture
FIKAMBANANA « DESTINY »: Niavaka ny fankalazana ny 8 martsa
Nisantatra voalohany ny tranom-pokonolona Ankadindravola, kaominina Ivato ny fikambanana “Destiny”. Continuer la lecture
JEAN NAVANDAHY RATIHARISON: Ho solombavambahoaka tsy ho ela
Kandida amin’ny fifidianana solombavambahoaka voalohany nanatitra ny taratasy filatsahan-ko fidian’ny teny amin’ny OVEC (Organe de Vérification et d’Enregistrement des Candidatures), distrika an’Antananarivo faha- II i Jean Navandahy Ratiharison. Continuer la lecture
FANOMANANA NY CAN 2019 : Misy ny tetibola natokana ho an’ny Barea
Hatramin’ny fifaranan’ny lalao CAN 2019 atao any Egypta ny fifanarahana amin’ny Nicolas Dupuis, mpanazatra ny ekipam-pirenena Malagasy, araka ny fanazavan’ny filohan’ny kômity ny fampanarahana fenitra (comité de normalisation), Atallah Béatrice. Hiaro ny voninahitr’i Madagasikara ny Barea ka tapaka teo anivon’ity kômity ity fa misy ny tetibola manokana ho fanohanana ny ekipam-pirenena sy ireo delegasiona hiaraka amn’izy ireo mandritra ny lalao. “Hanampy ara-bola ny FIFA, ny CAF ary hantenaina fa handray anjara ihany koa ny fitondram-panjakana amin’ny fanohanana ny ekipam-pirenena Malagasy ka ny Prezidan’ny Repoblika no hanolorana voalohany io tetibola nofaritana io”, hoy i Atallah Béatrice nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety ny zoma 1 martsa 2019 lasa teo.
Lalaom-pirahalahiana
Ao anatin’izay fanomanana ny lalao iadiana ny tompondaka an’i Afrika izay hatrany dia handray anjara amin’ny lalaom-pirahalahiana ny ekim-pirenena Malagasy. Raha tsy misy ny sampona dia ny 2 jona 2019 izy ireo no hifanandrina amin’ny Luxembourg ary ny 5 jona kosa amin’ny Kenya. Mbola hifampiresahana kosa ny lalao ara-pirahalahiana ho atao eto an-tanindrazana mialoha ny CAN, raha ny fanazavan’ny filohan’ny kômity ny fampanarahana fenitra hatrany.
Fifidianana
Mampanahy ny tsy hahavitan’ny fifidianana ny filohan’ny federasiona ny baolina kitra Malagasy (FMF) mialoha ny fahataperan’ny fe-potoana hiasan’ny kômity ny fampanarahana fenitra izay ny 12 mey ho avy izao. Nambaran’ny filohan’ny kômity ny fampanarahana fenitra fa tsy maintsy hirosoana aloha ny fifidianana ny filohan’ny ligy ny Bongolava izay anisany sakana tsy nahavitan’ ny fifidianana ny filohan’ny federasiona nokarakarain’ny FMF teo aloha. Ho averina ihany koa ny fifidianana filohan’ny seksiona ao Tsiroanomandidy. Aorian’ireo fifidianana ireo no hamaritana ireo delege tokony hiatrika ny fivoriambe tsy ara-potoanan’ny kômity ny fampanarahana fenitra amin’ny fiandohan’ny volana aprily 2019 ary ho fantatra amin’io fivoriana io ireo mpifidy 22 handray anjara amin’ny fifidianana filohan’ny FMF.
Lynda A.
TAKAITRA NAVELAN’NY RIVO-DOZA SY ORAMBE: Asa maika ny fanarenana ireo traboina
In-droa nahita ny loza ny tany amin’ny faritra atsimo izay iasan’ny fikambanana Secours Islamique France (SIF) tamin’iny volana Janoary sy Febroary lasa iny. Continuer la lecture
FITRANDRAHANA FASI-MAINTY ATAON’NY BASE TOLIARA: “Vonona ho faty ho an’ny tanindrazany ireo fokonolona”
“Rehefa olon-tsotra no manapaka hazo sy mihaza biby dia lazaina fa manimba tontolo iainana fa rehefa orinasa vahiny no manao izany dia fampandrosoana. Continuer la lecture
ADMINISTRATION: Le grand ménage…
Il est tout à fait logique que les vaincus cèdent la place aux vainqueurs et le nouveau régime Rajoelina n’a pas failli à cette règle. Continuer la lecture











