Taorian’ny fahombiazana lehibe tamin’ireo andiany roa voalohany, dia hisy indray ny ny andiany fahatelo amin’ity taona 2025 ity ny « Festival des Pirates ». Continuer la lecture
Catégorie Actus
POESAM 2025 : Natolotry ny Orange Madagascar ny lokan’ireo mpandraharaha nandresy
Andiany faha-15 ny POESAM tamin’ity taona 2025 ity izay nanasongadina indray ny fahaiza-mamorona sy ny fahasahian’ny tanora malagasy amin’ny famolavolana vahaolana maharitra sy manampy ny fiarahamonina. Continuer la lecture
À Paris, Madagascar célèbre son cacao d’exception et son innovation numérique au Salon du Chocolat 2025
À l’occasion du 30ᵉ anniversaire du Salon du Chocolat à Paris, Madagascar se distingue par une double vitrine de son savoir-faire et de son innovation. Continuer la lecture
TENNIS : Les duos Mirana–Tsanta et Nicolas–Rado triomphent à la SIPEM BANQUE CUP 2025
Le tournoi de Tennis SIPEM BANQUE CUP 2ème édition s’est tenu les 25 et 26 octobre 2025 au Country Club Ambohitrarahaba. Continuer la lecture
MVOLA : Olana ara-teknika no nahatonga ny tsy fahafahana niditra tamin’ireo tolotra
Manoloana ny vaovao tsy marina na « fake news » nimparitaka amin’ny tambanjotra sosialy dia manitsy ny zava-nisy ny MVOLA. Continuer la lecture
FANOVANA RAFITRA : Lalana tsy azo ihodivirana ny fanomezana lanja fokonolona
« Olana fototra iray mavesa-danja hatramin’izay ny fanaovana tsinotsinona ny fokonolona », hoy ireo Ray aman-dreny nanatrika ny fikaonandoha momba ny fiainam-pirenena, ny tantarany sy ny zava-misy ankehitriny, natao teto Antananarivo, ny 29 oktobra 2025. Continuer la lecture
FAMOAHANA GADRA « TSY POLITIKA »: Manaitra ny Filoham-panjakana sy ny fitsarana ny mpanao gazety mikirakira ny tontolo iainana mba handray fepetra
Nanao antso fanairana ny Filoham-panjakana, indrindra ny fitsarana ny fikambanan’ny mpanao gazety mikirakira ny tontolo iainana eto Madagasikara (Associations des Journalistes Environnementaux na AJE) manoloana ny famoahana gadra politika. Continuer la lecture
TAFO MIHAAVO – FANONGA FOKONOLONA: Manentana ny andrimasom-pokonolona sy ny manampahefana hanaramaso ny harem-pirenena sy ny fananana iombonana
« Raha mandinika tsara ianareo rehefa misy krizy dia mirongatra be ny fanondranana antsokosoko ny harem-pirenena. Continuer la lecture
RAHARAHAM-PIRENENA : Nangina ny ankamaroan’ireo teknisianina sy manampahaizana nandritra ny fitondrana Rajoelina
Nandritra ny fitondrana Rajoelina dia maro ireo teknisianina sy manampahaizana no nisafidy ny hangina, na dia nahita sy nahatsapa ny tsy rariny aza teo amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana. Continuer la lecture
STARTIMES: Mandeha manomboka ny 16 oktobra 2025 ny « Gangs of Manila », tantara mitohy filipiana nadika amin’ny teny malagasy
Anisany be mpanaraka amin’ny Startimes ny tantara mitohy amin’ny teny vahiny voadika amin’ny teny malagasy. Handeha manomboka ny alakamisy 16 oktobra 2025, ao amin’ny chaîne GASYSTAR ny « Gangs of Manila », « série » filipiana nadika amin’ny teny gasy. Mpandray anjara fototra amin’ity tantara mitohy ity i Coco Martin. Nampalaza azy ny anarana Cardo tamin’ny série Brothers. Tangol kosa ny anarany amin’ity horonantsary vaovao ity. Ao anatin’ny tontolon’ny “gangs” na andian-jiolahy ny anjara asa lalaoviny.
Ankoatra izany, handeha ao amin’ny UPTV ny tantara mitohy « Ma Vie Merveilleuse », vokatra « turque » mampifangaro ny tantaram-pitiavana, ny tantara mampalahelo sy ny tsiambaratelom-pianakaviana. Nadika amin’ny teny Malagasy ihany koa izy ity araka ny fampitam-baovao.
Ho fanamorana ny fahafahan’ny mpijery manaraka ireo vokatra iraisam-pirenena no tanjon’ny Startimes amin’ny fadikana ireo horonantsary vahiny amin’ny teny gasy.
Amin’ny lafiny fanatanjahantena, nanamafy i Randrianarivony Nantenaina, mpitarika ny ekipan’ny marketing sy serasera eo anivon’ny StarTimes Média Madagascar fa tsy diso anjara ny mpankafy baolina kitra. Mbola mitohy ny fitantarana amin’ny teny gasy ny fifaninanana Laliga.
Manentana ny mpanjifa na ity televiziona nomerika ity hanavao ny fandoavana ny abonnement. Manomboka amin’ny 14.000 Ariary dia afaka misitraka bouquet natao ho an’ny fianakaviana izay mandefa sarimihetsika, horonantsary mitohy, sary miaina sy fampitana mivantana ireo lalao ara-panatanjahantena.
Ra-Nirina





















