“Nandika lalana ireo namolavola ny tolo-dalana ho fanitsiana ny lalana mahakasika ny holafitry ny mpahay mandrefy tany na ny “ordre des géomètres experts” satria voalaza ao anatin’ny lalana laharana faha-2011/005, andininy faha-22 sy faha-23, fa raha misy ny fanitsiana ny fitsipika mifehy ny holafitra dia tsy maintsy mandalo fivoriana izany. Mifanohitra amin’izany anefa no nitranga, tsy nampahafantarina ny holafitra mihitsy fa hisy ny fanitsiana io lalana io, hoy ny Filohan’ny “Ordre des Géomètres Experts”, Lucien RANAIVOARISOA. Noho izany, nanentana ny loholona, ny governemanta ary ny solombavambahoaka izy tsy handany io fanitsiana io. Ankoatra izay, vao tamin’ny desambra 2015 no nivoahan’ny didy fampiharana kanefa dia izao asiam-panitsiana izao sahady. “Famotehana ny mpandraharaha amin’io sehatra io ny fandaniana izany”.
Anterivava : Lucien RANAIVOARISOA
Marihana fa lany teny amin’ny fivoriana azo atrehan’ny besimaro teny amin’ny lapan’Antenimierampirenena omaly fa “afaka manao fandinihana topografika sy manao ireo asa topografika momba ny fananan-tany toy ny fanatsatoham-bato, famaritana ireo fetran-tany sy ireo zavatra eo amboniny, fanamboarana sarin-tany ara-dalana, fitsinjarana tany, fanombanana vidin-tany na trano, fandinihana lalina momba ny taratasin-tany miakatra fitsarana” na ny mpahay mandrefy miasa amin’ny fanjakana na ny tsy miankina . Ny lalana mbola mihatra amin’izao fotoana izao anefa milaza fa ny mpahay mandrefy tsy miankina no manatanteraka ireo asa ireo fa ny mpiasam-panjakana kosa no mitsara izany.
Hiteraka zava-doza ny fandaniana ny lalana nasiam-panitsiana. “Vao maika hirongatra mihoatra ny 80% ny ady tany tsaraina eny amin’ny tribonaly satria sady handrefy izy no hampiditra ao amin’ny firaketana izay efa andraikiny raha teo”.
Nirina R.

























































Nathalie Safia Mohamed (NSM): “Avy amy ny Focus Development Association izahay, miara-miasa amy ny UNHCR, sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana misahana ny olona mpitsoam-ponenana sy ireo tsy manan-tsata (apatrides). Ny antony anaovanay fampirantiana eto amy ny Rarihasina dia miara-miasa amy Ny Eja mpanoratra izahay. Izy anisan’ny nanoratra tantara ho fanehoana ny fiainan’ireo olona tsy manan-tsata na apatrides eto Madagasikara. Dia anisan’ny nasainy izahay ao amy ny ekipan’ny Gasy Jiaby. Ity campagne Gasy Jiaby ity moa dia nalaina tamy ny campagne mondiale «I belong» na «J’appartiens». Dia ilay “campagne” Gasy Jiaby no natao ho an’i Madagasikara manokana mba ampahafantarana ny olona hoe inona marina izany hoe Malagasy, hoatry ny ahoana ny hoe Malagasy, iza mipetraka eto amin’ity tany ity no hoe Malagasy. Mamerina izay fanontaniana izay nasain’ny tsirairay izany izahay, satria noho ny fanavakavahana dia maro ny olona tsy manan-tsata, dia izay no antony ity campagne Gasy Jiaby ity. »

