Socio-eco

NY FFKM SY NY 26 JONA 2016 : “Tsy mandroso i Madagasikara…”


“Kanefa noho ny teninao, dia halatsako ihany ny harato” (Lio. 5: 5b). Io teny feno fankatoavana navalin’i Petera an’i Jesosy io no nentin’ny FFKM ampirisihina ny mpisehatra politika rehetra tsisy ankanavaka, sy ny Malagasy tsivakivolo, hiombona handray andraikitra hamonjy ny Firenena. Izany no fonjan-kevitra nasongadin’ny Mpitandrina Razafindrakoto Hasina tamy toriteny nataony araka ny perikopa nalahatry ny FFKM nentina nanome voninahitra an’Andriamanitra noho ny faha 56 taonan’ny fahaleovantenam-pirenena sy ny Tafika Malagasy.

Mbola nanindry ny Pasitera Razafindrakoto Hasina raha nampita ny hafatry ny Filoham-piangonana efatra mirahalahy fa tsy mitsikera akory ny FFKM, tsy anjarany rahateo no miresaka politika. Tsy sanatrian’ny vava ny fitantanan-draharaham-panjakana no tsy mety, fa ny fiainam-pirenena no hitan’ny FFKM fa tsy mandeha satria samy milaza hampandroso an’ity Madagasikara ity ny rehetra kanefa i Madagasikara toa tsy mandroso ihany.

Nanafatra araka izany ny FFKM mba samy handray andraikitra araka izay tandrifiny azy ny tsirairay, hifanatona, hifandray tanana, hiara-mitady vahaolana. Fa ny Fiangonana kosa dia vonona hivavaka sy mitaona ny rehetra hivavaka, ka ho tanteraka ny Teny faneva hoe: “Izaho TOMPO no herin’ny vahoakako; ary ny anarako no hifampiarahabany” Zak. 10, 12b (DIEM), sy ny tanjona nentina nikarakara ny fankalazana faha 56 taona hoe “Madagasikara mandroso no tanjona iombonana”.

Ny Pastora Solofonirina Gilbert, ny Pasitera Razafindrakoto Hasina, ny Vénérable Randrianalizaka Herivony Justin, ny Révérend Père Rakotondrasoa Jean Thimotée no nanantotosa ny fotoam-bavaka FFKM tetsy amy ny FLM 67 ha, notarihin’ny Dr Rakotonirina David, Filohan’ny SPAnta/FLM. Ireo no nisolontena ny Filoham-piangonana efatra mirahalahy, samy raikitra amina raharaha hafa.

Tonga marobe ny mpitondra fivavahana sy ny miaramila (Biffins) ary mpitandro filaminana (Zandary sy Polisy). Teo koa ny mpanao politika sy Kristiana. Nijoro teny amy ny alitara nanotrona ny Talen’ny Kabinetran’ny Praiminisitra nandray fitenenana i Ramatoa Mahafaly Solonandrasana Olivier, ny Filohan’ny HCC Rakotoarisoa Eric mivady, Ny Jeneraly Filohan’ny Komity Miaramila momba ny Fampandrosoana, Loholona sy Minisitra vitsivitsy ary ny Ben’ny Tanàna Ravalomanana Lalao. Tsy ifandrombahana tokoa ny mitondra fitenenana ka DIRCAB no nisolovaika ny akalana anatrehan’ny Tompo.

Razaka Oliva


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *