Catégorie Actus



FANARENANA AIR MADAGASCAR: Ho averina indray ny fanajana ny ara-potoana


Zato andro taorian’ny fifanaovan-tsoniam-piarahamiasa teo amin’ny “Air Madagascar” sy ny “Air Austral”, efa miroso tsikelikely ny fanarenana ny kompaniam-pitaterana Malagasy. Amin’ny alalan’ny drafitra fanovana “Alefa 2027” no lalan-jotra hanatanterahana ny drafitra stratejika nifanarahan’ny roa tonta hanatsarana ny fomba fitantanana sy ny kalitaon’ny tolotra omena ny mpanjifa. Continuer la lecture


FAMATSIAM-BOLA: « Fanampiana hanandevozana »


Miverina amin’ny mpamatsy vola ny 60 % ny vola nindramina ankoatra ny famerenana ny vola iray manontolo miampy ny zana-bola. Nambaran’ny mpahay toekarena, Roger RALISON fa ny mpamatsy vola ihany ny mividy ny fitaovana ilaina na ny orinasa vahiny miara-miasa aminy no mahazo ny tsena amin’ny fanatanterahana foto-drafitra asa amina tetikasa iray. Ny 40 % fotsiny no anjaran’ny firenena Malagasy izay mpangataka fanampiana. « Fanampiana hanandevozana ny mitranga eto Madagasikara fa tsy fanampiana mitondra fampandrosoana. Raha tokony ny mpandraharaha Malagasy no tokony hahazo tombony amin’ny tetikasa iray, ireo vahiny indray no migoaka ny tombontsoa amin’izany.

Boka trosa

Tsy miantraika mivantana amin’ny vahoaka ny tetikasam-panjakana nahazoana famatsiam-bola. Nambaran’i Profesora nandritra ny anterivava natao azy fa tokony ny sehatra fototra sy ny faharoa no tena hitadiavana famatsiam-bola. « Mankasitraka ny fanamboarana foto-drafitra asa toy ny hopitaly, lalana, tetezana, sekoly… ny tenako saingy mbola laharam-pamehana ny fanodinana ny vokatra eto an-toerana. Rehefa betsaka ny orinasa mpanodina akora fototra eo amin’ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana, ny jono, ny harena an-kibon’ny tany…teraka ny famoronan’asa, miditra ny vola vahiny amin’ny fanondranana ireo vokatra voahodina. Zava-mitranga amin’izao anefa tototry ny trosa ny fitondram-panajakana satria tsy misy ny vola hamerenana ny vola nindramina noho ny fidiran’ny entana avy ivelany izay tsy mandoa hetra ka tsy mampidi-bola. Mahatonga izany ny tsy fanodinana vokatra.

Nirina R.

Horonan-tsary