Ny ampitson’ny fanendrena ireo mpikambana ao amin’ny governemanta vaovao tarihin’i Christian Ntsay ihany dia niroso tamin’ny famindram-pahefana ireo ministra maromaro. Continuer la lecture
Catégorie Actus
SENATERA LYLISON: Tsy voatery ho ministra vao afaka mampandroso firenena
Nambaran’ny senatera Lylison René de Rolland fa tsy voatery ho ministra vao afaka mampandroso fa na dia mpamafa làlana aza dia efa mampandroso firenena izany. Continuer la lecture
FADINTSERANANA MALAGASY: Hohafohezina amin’ny antsasany famoahana entana
Hankalazaina isaky ny 26 janoary ny andro manerantany ho an’ny fadintseranana ka ny “organisation mondiale des douanes” no mikarakara izany. Continuer la lecture
GOVERNORAN’NY FARITRA: Ho tendrena sa fidiana ?
« Dingana lehibe mankany amin’ny fitsinjaram-pahefana ny fanovàna ny lehiben’ny faritra ho governora », hoy ny lehiben’ny faritra Analamanga, Ndranto Rakotonanahary. Continuer la lecture
MPONIN’I BONGATSARA: Nivadika foto-drafitr’asa ny hetra naloany
Nanamarika ny taona 2018 ny kaominina ambanivohitr’i Bongatsara ny fanamboarana foto-drafitr’asa. Ao ireo foto-drafitr’asa efa vita, ao ihany koa ireo an-dalam-panokanana.
Vita « pavé » tamin’iny taona lasa iny ny lalana mirefy roa kilometatra ao Ambohipiadanana, fokontany Antsahabe ary ny lalana ao Angodongodona fokontany Ambohibao mirefy iray kilometatra sasany. Nasiam-panamboarana ihany koa ny tetezan-kazo ao Angodongodona ka lasa « béton » izy amin’izao fotoana izao. Ankoatra izany, namboarina ny biraom-pokontany ao Ambohibao. Tsy azo adinoina fa nipetraka ho tantara ny hôpitaly fandidiana vaovao amin’ny kaominina Bongatsara izay notokanana tamin’ny fomba manetriketrika ny volana aogositra 2018.
Tsy mandeha lavitra intsony ny mponina sy ny manodidina satria hita ao ny fandraisana sy fikarakarana ny vonjy taitra (Accueil-Triage-Urgences), ny fitsaboana ny aretina ankapobeny (Médecine générale), ny fandidiana ankapobeny (Chirurgie générale), ny « opération césarienne » ho an’ny vehivavy hiteraka. Ahitana toeram-pivarotam-panafody sy « laboratoire » ihany koa. Eo an-dalam-panokanana kosa ny « complexe » amin’ny CEG Amboanjombe izay ahafahana milalao « tennis de table », araka ny fanazavan’ny ben’ny tanàna ny kaominina Bongatsara, Hanta Rabearisoa. Ireo foto-drafitr’asa ireo no vita dia tao ny fandraisan’anjaran’ny mponina tamin’ny alalan’ny fampidiran-ketra. « Manomboka mazoto ny mponina mandoa hetra », hoy ny ben’ny tanàna. Misedra olana anefa ny kaominina Bongatsara amin’izao fotoana izao. Nambaran’ny ben’ny tanàna sy ny lehiben’ny fokontany ao Ambohibao fa mirongatra indray ny hala-botry sy ny vaky trano ary ny halatra taolam-paty.
Lynda A.
Sary
FIRONGATRY TSY FANDRIAM-PAHALEMANA: Ilaina ny « fari-bohitra »
Hetahetan’ny sefom-pokontany ao Ambohibao, kaominina Bongatsara Radimy Andriamparany Jeannot ny fametrahana ny « fari-bohitra ». Continuer la lecture
FIHOTSAHAN’NY RARIVATO TENY TSIMIALONJAFY: Misy hifandraisany amin’ny tafondro ve ?
Indro ny antso avo nataon’i Joe Colombine Rasambaina, mponina eny ambanin’Ampamarinana manoloana ny fihotsahan’ny rarivato tao Tsimialonjafy, ambanin’Andohalo izay nahafaty olona 12: Continuer la lecture
AVERINA NY HASIN’NY FILOHAMPIRENENA : Fa lasan’iza? Sa nosimbain’iza? Sa nopotehin’iza?
Dia averinay kely aloha fa Prezidan’ny Repôblika no « filaza azy » fa tsy filohampirenena… Anaty fanjakana Repôblikana isika, hoy izy (ilay mpampianatra), dia ny fomba repôblikana no ataontsika. Eny tompoko. Mba hainay koa izany ! Continuer la lecture
KAOMININA MAHEREZA: Taonan’ny foto-drafitr’asa ny 2018
Vita tamin’iny taona 2018 iny ny lapan’ny tanàna vaovaon’ny kaominina Mahereza. Tsy latsa-danja amin’izany ny fahavitan’ny sekoly ho an’ny ankizy, hoy ny ben’ny tanànan’i Mahereza, RAKOTOARISOA Johnny. Continuer la lecture
FAMPITOMBOANA NY ISAN’NY FARITRA HO 23: Kajy anankiray
Nilaza ny filohan’ny repoblika Andry Rajoelina nandritra ny lanonam-panjakana nanaovan’ny fianianany fa hizara 23 ny faritra raha toa ka 22 izy amin’izao fotoana izao. Continuer la lecture



























