Nitory ny kaominina an’Antananarivo Renivohitra (CUA) teny amin’ny fitsarana misahana ny ady ifanaovana amin’ny fanjakana ny mpikarakara ny hetsika ara-barotra « Le Zoma de Tana ». Continuer la lecture
Catégorie Socio-eco
SIF: Manan-jo hahazo taratasin-tany ny fokonolona
Mampiantrano ny fikaonan-doham-paritry ny mpisehatra amin’ny fananantany ho fiarovana ny zo fananantany ho an’ny fokonolona eto Afrika ny firenena malagasy. Continuer la lecture
GRANDE BRADERIE DE MADAGASCAR: Manome sehatra ny fiompiana akoho
Hiavaka ny fetin’ny reny amin’ity taona ity. Hizara traikefa amin’ireo mpitsidika ny hetsika ara-barotra “Grande Braderie de Madagascar” (GBM) ireo matihanina amin’ny seha-pihariana akoho. Continuer la lecture
KANTON’I GASIKARA: Sady mampifaly an’i Neny no manandratra ny vita malagasy
Tsy ampy ny sehatra hivarotana ireo asa tanana malagasy kanefa dia mihatsara hatrany ny kalitaony. Amin’izao ankatoky ny fetin’ny reny izao dia fanomezana mendrika ho atolotra ho an’i Neny ny vita malagasy noho izay hatsaràn’ny kalitao izay. Continuer la lecture
TAGNAMARO ANDIANY FAHA-3: Nifarimbona ny minisitera telo tonta
Volana natokan’ny governemanta malagasy ho an’ny fiahiana ara-tsosialy ny volana mey. Ho fanamarihana izany dia nifarimbona nanao tagnamaro teny amin’ny EPP Anatihazo Isotry ny ministeran’ny mponina, ny fiahiana ara-tsosialy ary ny fampivoarana ny vehivavy, ny ministeran’ny serasera sy ny kolontsaina ary ny ministeran’ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono. Continuer la lecture
TAGNAMARO: Famohazana ny fifanampiana sy fikoloana ny fananana iombonana
Nifanojo tamin’ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ny tranombakoka ny hetsika “tagnamaro: andron’ny olom-pirenena”. Continuer la lecture
ANTOKO FREEDOM: Ho afa-pahasahiranana ny Akany Fitahiantsoa
Herim-pon’ny tale mpanorina no nampiodina ny Akany Fitahiantsoa tao anatin’izay efa-taona izay. Ankizy sahirana miisa 310 no beazina ao amin’ny akany ka ny ivon-toerana no miantoka ny sakafo atoandron’ireo mpianatra. Continuer la lecture
MADAGASCAR NATIONAL PARKS: Ny fanalahidy hiatrehana ny fiovaovan’ny toetr’andro
Efa mizaka ny voka-dratsiny ny fiovaovan’ny toetr’andro i Madagasikara. Miseho amin’ny alalan’ny fiakaran’ny maripana antonony isan-taona izany. Continuer la lecture
Kandidà Serge Zafimahova, N°3, Antananarivo II: Ny isam-batan’olona no miresaka aminy
Nivalona ny herinandro voalohany amin’ny fampielezan-kevitra. Ny fihaonana sy ny dinika mivantana amin’ireo mponina, sy ny isam-batan’olona hatrany no tena iompanan’ny dian’ny kandidà Serge Zafimahova, any amin’ireo fokontany ao amin’ny boriboritanin’Antananarivo II.
Ahoana marina moa ity 320 tapitrisa ariary ity ? Ahoana sy ho amin’ny inona no tokony ho fipetraky ny fampiasana azy ? Mitovy ny feo, niala tany Androndrakely, nandalo an’i Mahazoarivo sy Ambohidraserika, nipaka tany Ampasanimalo, na koa niainga teny Manjakamiadana sy Andohamandry ka hatrany Ankatso sy Ambolokandrina. Ireo no fanontanian’olona, nitondràn’ny kandidà valiny mazava, manoaloana ny manjavozavo nisy hatrizay. Ny fototra hiaingana dia ny fitsinjarampahefana tena izy, hisian’ny Sefompokontany sy Delegen’ny boriboritany voafidim-bahoaka, mahalala ny hetaheta any ifotony, ka ny Komitin’ireo Sefompokontany no hamaritra sy hitantana ny fampiasana ny 320 tapitrisa.
Tonga nizara ny ahiahiny sy ny fanontaniana momba ny ho aviny ihany koa ny tanora, ary dia nanazava ny endrika vaovao hametrahana ny fanompoam-pirenena ny kandidà Serge Zafimahova : ho sokajiana roa, araka ny mari-pahaizan’ny tanora ; hisy ny fiofanana ara-miaramila, ary ho arahin’na fianarana asa ho an’ireo izay manohy antsitrapo, ka ny asa miteraka harena no hahazo tosika, toy ny fahazoana tany, fitaovana, na koa fampindamam-bola.
Mahaliana ny mponina, indrindra moa fa ny renim-pianakavana, ny momba ilay tahirimbola ifampitsinjovana, hajoron’ny mpiara-monina. Fanohanana tsotra, miompana amin’ny sehatra fihariana, toy ny fambolena, fiompiana, varotra, zaitra, hotely gasy, sns. Ny mpikambana no mametraka ny fitsipika, hofanina ny mpitantana, ary samy handrotsaka vola amin’ny fotoana hifanomezana ny mpiara-miombona. Maro ny vehivavy mananontena sahirana rahefa misedra olana ara-pahasalamana na momba ny fianaran-janany, ka, amin’izay, dia ho azony atao ny mindram-bola ao amin’ny tahiry iombonana.
Any an’elakelantrano, any amin’ny tontolo iainan’ny mponina mandava-taona, no mafana ny resaky ry zareo sy ny kanddà Serge Zafimahova : fandriampahalemana, varotra, fambolena, fianarana, ary koa ady amin’ny kolikoly, aretina mikiky ny fiaraha-monina, sy hisatra ho an’ny fampandrosoana. “Mila depiote hitanay tena miasa izahay, fa tsy rehefa fotoam-pifidianana vao tonga handambolambo anay”, hoy ny mponina.
Nanangona: Nirina R.
MINISITERAN’NY MPONINA: Notsinjovina manokana ireo fianakaviana sahirana
Hetsika maro no tanterahin’ny ministeran’ny mponina, ny fiahiana ara-tsosialy ary ny fampivoarana ny vehivavy mandritra ity volana mey ity izay natokan’ny fitondram-panjakana ho volan’ny fiahiana ara-tsosialy. Continuer la lecture