Socio-eco

ALA TAPIA AO MIARINARIVO: Potika noho ny ataon’ny olombelona


Lien version française

Maro isan-karazany ny antony mahasimba ny ala tapia ao amin’ny faritr’ Itasy.

landibe

landibe

Eo ny fahasimban’ny tontolo iainana ka mahatonga ny fikahon’ny rika ireo toerana haniriany noho ny rano be loatra. Indrindra koa ny fanapahana ireo tapia hanaovana kitay sy saribao. Miavaka ny ala tapia amin’ny maha toera-ponenan’ny landibe. Anisan’ny niha ringana niaraka tamin’ny ala tapia ny landibe satria ringana ny toerana honenany.  Ankoatra ny fanampahana antsokosoko ny ala tapia dia eo ihany koa ny fakana ireo landibe vavy ( ngeza noho ny lahy), ny zana-dandy izay manankarena proteina . Noho izany tapaka hatreo ny tsingerim-piainany. « Efa misy ny olona tratra manapaka ireo ala tapia ireo fa rehefa tonga eny amin’ny fitsarana dia votsotra. Antony ny tsy fisian’ny lalana mifehy ireo ala tapia. Nanampan-kevitra ny mpisehatra rehetra nangataka amin’ny ministeran’ny tontolo iainana hanaovana iny toerana iny ho atao faritra arovana, anisan’izany ny ao amin’ny tetikasa TAPIA », hoy Lehiben’ny tetikasa TAPIA , Andrianarison Herilaza Thierry. Mety hivoaka amin’ity volana aprily ity ny maha faritra arovana ny ala tapia ao Miarinarivo.

Hitombo iray indray ny faritra arovana

Ho voaro ireo ala tapia sisa tavela sy ireo landibe rehefa lasa faritra arovana ny ala tapia ao Miarinarivo satria misy ny lalàna azo ampiharina amin’ireo manimba sy maka ireo landibe ireo. Eo ampiandrasana an’izany anefa dia mihezaka miaro ny ala tapia ireo Vondron’Olona Ifotony ( VOI )  noho ny fisian’ny tetikasa TAPIA. Miisa 10 ireo VOI, toy ny Maitsoanala, hanitriniala… Tsy vitany miaro fa mamboly tapia ny tetikasa. « Toerana efa nisy tapia teo ihany no ambolena. Tsikaritra anefa fa tsy dia mitombo ny ala tapia nambolena ka mila arovana ireo izay efa teo hatrizay », hoy hatrany ny Lehiben’ny tetikasa TAPIA. Misahana ity tetikasa TAPIA ity ny Planète Urgence. Sahan’asa iray ao anatin’ny tetikasa ny fanarenana ny ala tapia. Velarantany misy ala tapia mirefy 50 ha no hanaovana fanarenana ka hambolena zanaka tapia.

Nisy ny fitsidihana ny ala tapia natao fanarenana, ao Ambohimitarona Miarinarivo, ny 28 martsa 2024. Tao anatin’ny fandaharam-potoana nandritra ny andro natokana ho an’ny “agroécologie” tao amin’ny faritra Itasy, ny 27 sy 28 martsa 2024, nokarakarain’ny GSDM sy notohanan’ny tetikasa ALEFA Agrocéologie sy ny GIZ no nanaovana io fitsidihana io. Samy manao fanosohana zanaka tapia 2500 isan-taona ireo VOI . Mahazo fiofanana momba ny fitantanana ny ala ihany koa ireo VOI ireo.

Jerena ny fiveloman’ny tantsaha

Tsy maintsy nojerena ny lafiny ny maha olona satria ny olona no manimba ny ala. Tantsaha 584 no mahazo tohana avy amin’ny tetikasa ho fanatsarana ny fidiram-bolan’izy ireo, toy ny fiompiana trondro an-tanimbary, fambolena vary an-tanety, fambolena hazo ampisaina atao kitay, fanomezana fiofanana momba ny « agroécologie » na fambolena maharitra. Nametraka ihany koa toerana hamokarana  landy sy atodin-dandy ao Arivonimamo ny tetikasa mba hamerenana amin’ny laoniny ny landibe. Afindra any anaty ala tapia ireo atody avy eo. Nohidiana anaty « case » ireo atody  mandra-pahalehibeny mba hiarovana azy  amin’ireo biby mpihinana, toy ny famakiloha. Ireo VOI no mametraka azy anaty ala sy manaramaso ny fitomboany, nanomboka ny taona 2021. Efa manomboka miverina tsikelikely ny landy ny taona 2023. « Efa misy mivarotra zana-dandy  eny an-tsena nefa tsy tokony mbola atao satria very maina ny asa ataon’ny tetikasa », hoy ny Lehiben’ny tetikasa TAPIA. Nilaza izy fa efa nifampiresaka tamin’ny ministry ny tontolo iainana ny tetikasa fa misy didim-pitondrana novolavolaina ho an’ny faritra ho fandraràna ny fakàna tranondandy (cocon) aloha.

Ra-Nirina

 


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *