Mihorohoro tanteraka ireo mpamily fiara mpitondra mpizahantany mankany Morondava, Tsingin’ny Bemaraha. Amin’ny atoandro be nanahary ireo dahalo no manafika ireo fiara mitondra mpizahantany. Continuer la lecture
Catégorie Socio-eco
Diplomasia malagasy: Mila averina amin’ny laoniny
Efa ho herinandro ny sendikan’ny mpiasan’ny ministeran’ny raharaham-bahiny (SYNCORMAE) no nitokona. Ny fepetra momba ny asa no anton’izany. Continuer la lecture
ASSOCIATION LA CHARITÉ MADAGASCAR: Tsy mifidy finoana ny fanampiana ny mpiara-belona
In-droa isam-bolana ny fikambanana « association la charité Madagascar » no mizara sakafo ho any olona sahirana. Niova tamin’ny mahazatra izany tamin’ity “volan’ny ramadany” ity. Continuer la lecture
FANISAM-BAHOAKA: Mijanona ho tsiambaratelo ny valim-panontaniana
13 andro no ilaina hamitàna ny fanisana ankapoben’ny mponina sy ny trano fonenana, andiany fahatelo (RGPH3), araka ny fanazavan’ny « chef de l’unité de travaux de terrains » an’ny INSTAT, Philémon Razafimamonjy. Tsy ho tratra noho izany ny fe-potoana hamitàna ny fanisàna amin’ny 10 jona 2018. Ny fahataràn’ny karaman’ireo “agents recenseurs” (AR) sasantsasany no anisany antony hampihemotra io daty voatondro io. Nisy tamin’ireo “agents recenseurs” no tsy nanomboka ny asany raha tsy azon’izy ireo ny karamany, hoy ny mpandrindra nasionalin’ny fanisana, Tovonirina Thédore Razafimiarintsoa, nandritra ny valan-dresaka tamin’ny mpanao gazety ny 06 jona 2018. Nambaran’ity tomponandraikitra ity fa nampandraiketina ny fandefasana ny karaman’ireo AR ny tambazotra serasera Telma. Nalefa tamin’ny alalan’ny Mvola noho izany ny karama ka nisy ny tsy fetezana.
Ankoatra izany nampanahy ny mponina ny fanontaniana ataon’ny AR. Nohamafisin’ny mpandrindra nasionalin’ny fanisana fa ao anatin’izany fanontaniana izany ny fanisana ny “biens possédés par le ménage” na ireo fananan’ny tokantrano iray toy ny radio, televiziona, ny finday… Ahafahana mamantatra ny fari-piainan’ny Malagasy izany. Mijanona ho tsiambaratelo tanteraka anefa ny fahafantarana izany fa isa amin’ny ankapobeny no havoaka any amin’ny farany. Tsy vitan’ny fanisàna ny olona ihany no atao amin’ny RGPH3 fa jerena ihany koa ny fahasalamany, ny lafiny asa, ny fahaizana mamaky teny sy manoratra… Masontsivana ilaina amin’ny fananganana tetikasa ny fananana antontan’isa.
Lynda A.
FIOMBONAMBEN’NY MPIASAN’NY M2PATE: Mitaky olom-baovao mahafehy ny fananantany
Ho voavaha ny olan’ny fananantany eto Madagasikara raha teknisianina ny ho minisitra misahana ny fananantany. Noho izany, efa nanome anarana teknisianina azo isafidianana tsara ho atao ministra misahana ny fitantanana ny fananan-tany ny fiombonamben’ny mpiasan’ny ministera eo anivon’ny fiadidian’ny repoblika misahana ny tetik’asan’ny filohampirenena, fanajariana ny tany sy ny fampitaovana (M2PATE). Continuer la lecture
BABY SHOPPING : Hampihena ny fivezivezena
Mpivarotra matihanina amin’ny sehatry kojakoja momba ny zazakely handray anjara amin’ny « baby shopping », andiany faha-enina. Ny Prima baby ihany no mikarakara ny hetsika. Continuer la lecture
Ministeran’ny tontolo iainana : Mitady olom-baovao ny mpiasa
Tsy takona afenina ny fanondranana tsy ara-dalana ireo harena voajanahary arovana toy ny sokatra. Continuer la lecture
Fizahan-tany : Mirona amin’ny fampiroboroboana ny rojo-pihariana
Sakana ho an’ny fampiroboroboana ny fizahan-tany eto Madagasikara ny tsy fahampian’ny foto-drafitr’asa. Continuer la lecture
SECES SAMPANA ANTANANARIVO: Tokony ho ravàna ny antenimierandoholona
Namoaka fehin-kevitra momba ny volavolan-drafitra ho an’i Madagasikara ny SECES sampana Antananarivo. Continuer la lecture
Fitaovam-pandidiana « cataracte »: Hajanona ho an’ny hopitalim-panjakana
Maso voan’ny « cataracte » 200 isa ho didiana maimaim-poana. Fiarahamiasan’ny fanjakana Malagasy, amin’ny alalan’ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka, miaraka amin’ny fanjakana sinoa ity hetsika ity. Continuer la lecture





















