Rehefa nijery ireo programan’asan’ireo kandida miisa 36 ny solombavambahoaka Randriarimalala Harijaona na Jaona Elite dia ny an’ny kandida Andry Rajoelina no hitany fa hitondra fampandrosoana ho an’ny distrikan’Atsimondrano. Continuer la lecture
Catégorie politique
OLOM-PANJAKANA SY FAMPIELEZAN-KEVITRA: Voasazy na dia manotrona fotsiny aza
Ankoatra ny fanafoanana ny vato azon’ny kandidà amin’ny faritra nahatrarana olom-panjakana mampifidy kandidà dia mety hiafara amin’ny fandoavana lamandy roa ka hatramin’ny dimy tapitrisa miliara ariary miampy sazy an-tranomaizina roa ka hatramin’ny dimy taona ny fampiasana ny fitaovam-panjakana na fampandaniana kandidà ataon’ny mpiasam-panjakana mandritra ny fampielezan-kevitra. Continuer la lecture
ANTOKO MFM : Hery Rajaonarimampianina no tohanany
Nikaon-doha tao anatin’ny roa andro teny amin’ny La villa verte Ambatomirahavavy ny solontenan’ny antoko politika Mpitolona ho an’ny Fampandrosoana an’i Madagasikara (MFM) avy any amin’ny faritra 22 manoloana ny fifidianana filohampirenena amin’ny 7 novambra 2018. Continuer la lecture
ANTOKO REPOBLIKANINA: Hanohana an’i Andry Rajoelina
Samy manana ny safidiny sy tohanany ireo antoko politika indrindra ireo nitsangana tsy ela akory izay. Continuer la lecture
Fanaraha-maso ny fampielezan-kevitra: Miantso ny vahoaka hifanampy aminy ny DFP
Hanaramaso ny fampielezan-kevitra ny Dinika ho Fanavotam-pirenena ( DFP ). « Torinay eny amin’ny « tribunal penal » avy hatrany ireo mpiasam-panjakana izay tratra manao izany fampielezan-kevitra izany. Continuer la lecture
Mandan’ny Tia Tanindrazana Malagasy : « Tompon’antoka ny HCC, CENI, CFM…raha misy ady eto »
Hamerenana ny hasin’ny tanindrazana sy ny vahoaka Malagasy ny vovonana « Mandan’ny Tia Tanindrazana Malagasy ». Continuer la lecture
Antoko Repoblikanina: Manana kandida tohanana
Maniry toy ny anana ny antoko eto Madagasikara. Nitsangana tamin’ny fomba ofisialy ny Antoko Repoblikanina. Mpikambana tao amin’ny antoko Leader Fanilo nametra-pialana ireo mpanorina azy. Continuer la lecture
KANDIDA MAILHOL: Misy mikasa hamono
Tratran’ny ramatahora sahady ny kandida Mailhol noho ny fitakiany ny « Iles Eparses ». Misy mifofo ny ainy ankehitriny. « Tsy hihemotra amin’ny fampitahorana ataon’ny any ivelany aho. Andriamanitra irery ihany no hatahoraka ary tsy misy maty tsy amin’ny androny izany eto. Ampiasaina ny teratany Malagasy hanao izany fa tsy ny any ivelany no hanao mivantana izany», hoy ny kandida Mailhol laharana faha – 34.
Tsy izany teti-dratsy faratampony izany ihany anefa fa misy mikasa hisambotra ka hampiditra am-ponja koa izy. Eo ihany koa ny fisian’ireo olona voakarama mba ho « disqualifié » izy. Anisany fampitahorana azy tsy hitaky ny « Iles Eparses » ny fisamborana ireo teratany afrikana roa izany nitaky niaraka aminy ny famerenan’ny Frantsay ireo nosy kely manodidina an’i Madagasikara. Nomarihany fa tsy hiady amin’ny vahiny izy fa mitaky kosa ny hameranana io « Iles Eparses » io. Nanao antso avo ho an’ireo izay manao izany izy mba hampiato ireo fikasa-dratsy ireo.
Manaiky ny vahoaka
Fihaonana voalohany nataon’ny kandida Mailhol tamin’ny vahoakan’Antananarivo ny teny amin’ny kianja fanaovana basikety Mahamasina ny Sabotsy 22 Sebtambra 2018 lasa teo. Naseho an’ireo olona maro be tonga teny an-toerana ireo taratasy 1.000.000 vita sonian’ireo vahoaka Malagasy momba ny tsy maintsy hamerenan’ny Frantsay ny « Iles Eparses ». Noamafisiny fa tsy maintsy miverina amin’ny Malagasy ny tany izay nalaina amin’ny tsy rariny anisan’izany ny tany lasan’ny vahiny any Atsimo.
Andro Sabata
« Tsy ny mpino apokalypsy irery ihany no ho vonjena fa ny vahoaka malagasy tsy an-kanavaka. Misy koa ny milaza fa mpino ao aminy ihany no mpanaraka ahy ». Iaraha mahalala fa manaja ny andro sabata ny pasitera Mailhol sy ny mpino ao aminy. Misy ny nanome tsiny azy amin’izao famoriana olona amin’ny andro sabata izao. Nisy mihitsy aza no nilaza fa nivadika izy. Noporofon’ity kandida laharana faha-34 tamin’io andro sabata io fa ireo olona maro be tonga namaly ny antsony dia tsy apokalypsy satria tsy tonga teny ireo mpino ireo noho ny andro sabata. Nampiseho ihany koa izy fa filoha ho an’ny Malagasy rehetra fa tsy an’ny apokalypsy irery akory.
Tsy miova ny vinan’ny kandida Mailhol izay sady laharam-pahamena rehefa tonga eo amin’ny fitondrana. Eo ny fijerena ity tsy fandriam-pahalemana mampikaikaika ny vahoaka ity, ny famerenana ny tany azon’ny vahiny na teratany Malagasy amin’ny tsy rariny ao anatin’izany ny « Iles Eparses » ary fijerena manokana ny farim-piainan’ny vahoaka amin’izao fidim-piainana miakatra izao.
Nirina R.
FITAKIANA NY « ÎLES ÉPARSES »: Voarain’ny masoivoho ny taratasin-dry Mailhol
Nanatitra taratasy ofisialy fangatahana ny famerenena ny « îles éparses » amin’ny anaran’i Madagasikara teny amin’ny masoivoho frantsay eny Ambatomena ny solontenan’ny kandida Mailhol. Androany Alarobia 20 septambra 2018 tamin’ny telo ora tolakandro ny talen’ny fampielezan-kevitr’ity mpilatsaka ho fidiana filohampirenena ity , Paolo Raholinarivo niaraka tamin’ireo Malagasy mitaky ny « îles éparses » no nanatitra izany. Sady nanatitra ny taratasy no nilanja sora-baventy milaza ny fangatahana ireo nosy kely manodidina an’i Madagasikara teo ampitan’ny masoivoho frantsay izy ireo.
Ny talen’ny fampielezan-kevitry ny kandida an’ny antoko GFFM (Gideo Fandresena ny Fahantrana eto Madagasikara) no niresaka sady nanolotra ny taratasy tamin’ny solontenan’ny ambasady teo an-tokontanin’ny biraon’ny masoivoho. Tsy tonga d nitodi-doha niverina izy ireo fa niandry ny famalian’ny ambasady fa voarainy soamantsara ny taratasy naterina. Minitra vitsy taty aoriana, nasain’ny mpanolontsainan’ny ambasadaorin’i Frantsa miasa eto Madagasikara nankany amin’ny biraony i Paolo Raholinarivo. Tsy navela nanaraka ny mpanao gazety fa nasaina nijanona teo an-tokontany. Araka ny tatitra nataon’i talen’ny fampielezan-kevitr’i Mailhol momba ny resaka nifanaovan’ny roa tonta dia ho atolotry ny mpanolontsainany amin’i ambasadaoro frantsay eto an-toerana ny taratasy fangatahan’ny kandida Mailhol rehefa tonga izy. Ity ambasadaoro ity indray no mandefa izany any amin’ny ministeran’ny raharaham-bahiny any Frantsa ary izy no manolotra amin’ny fomba ofisialy ny taratasy amin’ ny filohan’ny repoblika frantsay, Emmanuel Macron. Ho taterina eto ihany ny tohin’ny raharaha.
Mibodo
Ao anatin’ny vinan’ny kandida Mailhol, laharana 34 ny famerenana ny « îles éparses » izay nobodoin’ny frantsay kanefa an’ i Madagasikara araka ny fehin-kevitro roa nivoaka tamin’ny fivoriamben’ny firenena mikambana ny 12 desambra 1979 momba ny « îles éparses », ny fehin-kevitra laharana 1514 tamin’ny 14 desambra 1960 momba ny fialana amin’ny fanjanahana sy ny fanomezana ny fahaleovantena an’ireo firenena voazanaka…Nohamafisin’i Paolo Raholinarivo fa manamarina fa an’i Madagasikara ny « îles éparses » raha ny fifanarahan’ny firenena mikambana momba ny zo amin’ny ranomasina tamin’ny 16 novambra 1973 sy ny fifanarahana “Montego Bay” tamin’ny 1980 momba ny zo amin’ny ranomasina sy faritra ara-toe-karena manokana izay neken’i LaFrantsa ny taona 1996 no jerena. Nilaza izy fa ao anatin’ny fifanarahana “ Montego Bay” dia mbola ao anatin’ny fari-dranomasin’ny firenena iray ny 200 miles miala amin’ny sisin-taniny. Noho izany, mbola an’i Madagasikara ny « îles éparses » satria 100 miles miala amin’ny sisin-taniny. 5281, 65 miles na 8500 km miala amin’ny sisin-taniny Lafrantsa kosa no misy ireo nosy kely ireo.
Lynda A.
KANDIDA MAILHOL: Nahazo tso-drano
Tafara-dalana ny finoana kristianina sy ny silamo noho ity fifidianana efa manakaiky ity. Tsy mijanona amin’ny finoana roa ireo ihany anefa fa tonga nanome tso-drano an’ny kandida Mailhol nandritra ny famorina vahoaka nataony tany Toamasina ny Alahady 16 Septambra 2018 lasa teo ny ray aman-dreny ara-drazana. Continuer la lecture





















