Rehefa nijery ireo programan’asan’ireo kandida miisa 36 ny solombavambahoaka Randriarimalala Harijaona na Jaona Elite dia ny an’ny kandida Andry Rajoelina no hitany fa hitondra fampandrosoana ho an’ny distrikan’Atsimondrano. Continuer la lecture
Auteur lynda
LOVA RAMISAMANANA: “Mondial 2026” no tanjona
Tao anatin’ny enim-bolana monja, nahavita nanampy ny ekipan’ny Barea nandray anjara tamin’ny lalaom-pirahalahiana miisa efatra tany ivelany ny fikambanana Alefa Barea izay tarihin’i Lova Ramisamanana raha toa ka lalao roa tao anatin’ny 10 taona no vitan’ny federasiona malagasy ny baolina kitra (FMF). Continuer la lecture
ACM: Omena alalana hisidina ireo angidim-by rehefa mahafeno fepetra
Na tonga eto Madagasikara aza ireo angidim-by nafarana avy any Afrika Atsimo hampiasaina amin’ny propagandy dia tsy mbola afaka misidina raha toa ka tsy mbola manome alalana ny eo anivon’ny “Aviation Civile de Madagascar” (ACM). Continuer la lecture
LALÀNA MIFEHY NY RAFI-PITSARANA: Ho asiam-panovàna
Lalàna roa mifehy ny fitsarana misahana ny ady atao amin’ny fanjakana eto Madagasikara no dinihina mandritra ny dimy andro eny amin’ny Motel Anosy. Continuer la lecture
OLOM-PANJAKANA SY FAMPIELEZAN-KEVITRA: Voasazy na dia manotrona fotsiny aza
Ankoatra ny fanafoanana ny vato azon’ny kandidà amin’ny faritra nahatrarana olom-panjakana mampifidy kandidà dia mety hiafara amin’ny fandoavana lamandy roa ka hatramin’ny dimy tapitrisa miliara ariary miampy sazy an-tranomaizina roa ka hatramin’ny dimy taona ny fampiasana ny fitaovam-panjakana na fampandaniana kandidà ataon’ny mpiasam-panjakana mandritra ny fampielezan-kevitra. Continuer la lecture
FANITARANA NY SERANAN-TSAMBON’I TOAMASINA : Nanazava ny ahiahin’ny mponina ny SPAT
Famatsiam-bola goavana indrindra hatramin’izay nahazoan’i Madagasikara fahaleovantena ny vola hanatanterahana ny tetikasa fanitarana ny seranan-tsambon’i Toamasina. Continuer la lecture
ASIEF: Noroahina avy hatrany ireo tsy mpiasam-panjakana
Ministera valo nampiasa olona nirahina (mercenaire) tamin’ny lalao fifaninanana ara-panatanjahantena nokarakarain’ny Association Sportive pour l’entretien des fonctionnaires (ASIEF). Continuer la lecture
FIGN : « Arakaraka ny zava-misy ny fampiofanana omena ny zandary »
Feno 50 taona ny hery vonjy taitra ny zandarimariam-pirenena (FIGN). Nankalazaina tamin’ny fomba ofisialy izany ny zoma 28 septambra 2018 teny amin’ny toby ny FIGN Fort Duchesne. Continuer la lecture
ASAN-DAHALO: “ Ao anatin’ny herinandro misy mpitandro filaminana midoboka am-ponja”
Tanjona amin’ity taona 2018 ity ny fandriam-pahalemana ifotony mipaka amin’ny vahoaka. Nisafidy ny hihaona amin’ny mpanao gazety isaky ny telo volana ny eo anivon’ny sekreteriam-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena mba hampahafantatra amin’ny vahoaka ny asa vitan’ity ratsa-mangaika mitandro ny fandriampahalemana ity. Continuer la lecture
GRANDE BRADERIE DE MADAGASCAR: Manolotra zava-baovao ho an’ny mpitsidika
Sehatra iray ahafahana mivarotra entana haingana sy mampiodina ny vola ampiasaina ny hetsika ara-barotra. Natao hampivondronana ireo mpivarotra entana isan-karazany, orinasa madinika sy salantsalany ary vaventy mba hanatonana akaiky ny mpanjifa ihany koa. Continuer la lecture











