40 ans déjà ! Le parti Arema de l’Amiral Ratsiraka a fêté samedi dernier cet anniversaire au « Kianjan’ ny Kanto de Mahamasina » La couleur rouge a embrasé les lieux. Mais le plus attendu a été le discours de l’Amiral Ratsiraka, fondateur du parti et ancien président de la République.
Catégorie Actus
Retovo LATIMER: Ny mpanao politika no mampitarazoka ny raharaha Anjozorobe.
“Efa mizotra amin’ny fampiraharahana ny fianakavian’i TSIMIONDRA, ilay manana zanaka maty voatifitra tao amin’ny toeram-pitrandrahana Marotsipohy Anjozorobe”, araka ny fanazavan’i Retovo LATIMER, Filohan’ny Fikambanana Zanaka Androy. Raha ny tokony ho izy dia efa ela no niravona ity disadisa ity fa ireo mpanao politika no misavika ny raharaha mba handrodanana ny fitondrana ankehitriny. Raha jerena mantsy ireo mpanao politika manohana ny fianakaviana dia toa avy amin’ny tetezamita avokoa. Continuer la lecture
CENTRE AKANY AVOKO FFPM : Réouverture officielle du site de Faravohitra
« …et dans ce lieu j’établirai la paix – oracle du SEIGNEUR, du tout-puissant ». C’est à travers ce message de Dieu par l’intermédiaire du prophète Aggée (chap. 2, vs 9b) que la FFPM (Fédération des Eglises Protestantes de Madagascar) a orienté le culte d’action de grâce organisé à l’occasion de la réouverture officielle du centre de prise en charge et de réinsertion sociale des filles mineures placées sous tutelle judiciaire, sis à Faravohitra. Continuer la lecture
Barea Madagascar: Liste des joueurs
Voici la liste des joueurs retenus par le staff technique, une liste qui a été dévoilée ce jour durant la conférence de presse tenue au siège de la FMF à Isoraka, Antananarivo. Continuer la lecture
FIFANINANANA ASA SORATRA: “Sao fanambadiana aloha loatra?”.
Misokatra ho an’ny rehetra ny fifaninanana tantara foronina izay karakarain’ny SyNAEL. Samy mamorona ny lohateniny ny mpandray anjara tsirairay fa tsy mifanohitra amin’ny lohahevitra hoe: “Sao fanambadiana aloha loatra?” kosa. Pejy 50 ka hatramin’ny 70 eo no takiana amin’ny mpanoratra sy atao sora-printy ary amin’ny teny Malagasy . Continuer la lecture
TSIMIONDRA: « Mandainga ny Filoham-pirenena ».
Tsy mety mitsahatra ny raharaha nahafatesana tovolahy iray niasa tao amin’ny toeram-pitrandrahana any Marotsipohy Anjozorobe. Mbola mitohy izany hatramin’izao ary zary lasa fifamaliana eo amin’ny Filohan’ny Repoblika sy ny fianakavian’ilay maty mihitsy aza. Nilaza ny tao amin’ny CIRGN fa tsy nisy poa-basy izany tamin’ny fotoana nanambaran’ny fianakaviana fa maty ny zanany, raha natao ny fanadihadiana ny fokonolona.
Novalian’ny fianakaviana izany teny izany ka nampiantso ny mpanao gazety izy ireo teny amin’ny Mon Gouter Andrefan’Ambohijanahary. Fiarovana ny ekipany fotsiny ny fanambarana nataon’ny CIRGN hoe: tsy nisy fitifirana tamin’io fotoana io ary raha ny hevitry ny fokonolona no nanontaniana dia rariny izy ireo raha namely hoe: “tsy nahare poa-basy” satria 50 km miala ny “carriere” vao misy tanana ka tsy ho re velively izany”, hoy Tomasy TSIMIONDRA, rahalahin-drain’ilay Tovolahy maty.
“Malahelo tokoa izahay fianakaviana fa mandainga amin’ny vahoakany ny Filoham-pirenena satria izahay anisan’ny vahoaka”. Raha tsy zanany i Mathieu dia tsy tany izany ilay olona voalaza fa nitondra mpitandro filaminana niaraka tamin’ny vadintany nandroaka ireo mpitrandraka. Nanizingizina anefa Atoa TSIMIONDRA fa tany ny zanakin’ny Filohan’ny Repoblika ary anisan’ny tomponandraiktra tamin’ny naha voatifitra ny zana-drahalahiny.
Araka ny fanazavana hatrany, efa nametraka fitoriana teny amin’ny “procureur de la Republique” mihitsy ireto fianakaviana mitady an’izao vata-mangatsikan’izao zanany izao fa tsy nisy vokany izany hatramin’izao. Manana olona voatondro nahavanona ny loza ireto farany izay voalaza ao anaty fitoriana, araka ny fanazavan’i YRMAND, rahalahin’ny maty sady nanofa ilay toeram-pitrandrahana.
Mangataka ny fianakaviana fa raha “te ahita ny marina dia avelao ny “procureur de la Republique” hanao ny asany tsy misy teritery fa tsy ilaozana mamorona lainga eo fotsiny”.
Lynda A.
Famangiana hafa kely !
Hafa indray ity famangiana iray ity. Samy eny anoloana avokoa ny rehetra. Ny valopy famangiana mivezivezy sy vao ho fenoina vola eo imason’ny vangina. Ny mandray fitenenana etsy an-daniny mamangy, ny miaraka aminy mihetsika atsy mihetsika eroa. Mahita atao isika Malagasy e ! Ny mpanao politika mantsy e !
Nirina R.
“Ny fanampiana ny an’ny Atsimo izao tokony imasoana fa tsy ny adi-poko”.
Mikaon-doha fatratra ireo avy any amin’ny faritra Androy izay mahatsapa fa voatonotonona manoloana ny raharaha Ankaraoka Anjozorobe. Nivory ireo zanak’Androy ny 03 Martsa lasa teo mba itadiavam-bahaolana haingana mahakasika io raharaha io. Samy miaro ny rambony tsy ho tapaka izy ireo ka nilaza fa tokony hifampiresaka ireo voakasika amin’izany dia ny tompon-tany sy ny mpanofa. Nambaran’ny Loholona MAMITIANA Fabergé fa hisy ny fanambarana natao kanefa noho ny fandaminana sy ny resaka amin’ny ara-drazana dia atao amin’ny manaraka izany. “ Nifanaraka koa ny rehetra fa tsy misy olona manambara fa feon’ny Androy izay havoaka amin’ny haino aman-jery”. “Niteny amin’ny anarany manokana ireo nanao fanambarana ireny fa tsy nifampierana”, hoy izy. Miantso fitoniana noho izany ny zanak’Androy.” Ny ady atao amin’ny kere any Atsimo izao no tokony iraisan-kina”.
AUDIO : MAMITIANA Fabergé
Marihina fa nisy loholona vitsivitsy nanatrika ny fivoriana toy ny loholona KOLO Roger, MAMITIANA Fabergé. Mbola hanao fanambarana miaraka ireo zanak’Androy ireo.
Lynda A.
TOMPON’NY “CARRIÈRE” TAO ANJOZOROBE: “Tsy nisy maty izany tany”.
Niniana natao ve ny filazan’ny fianakavian’i Mandignisoa fa maty izy? Ny ankilany mantsy toa milaza fa fomba entin’i Yrmand ahafahan’ny mitrandraka ao Ankaraoka izany. Continuer la lecture
Mihantsy ady amin’ny Antandroy ny fanjakana.
“Tandroy izay velona, ampy izay ny fialana nenina, handray fanapaha-kevitra izahay”. Niaka-peo ireo havan’i Mandignisoa, maty voatifitry ny mpitandro filaminana tao amin’ny toeram-pitrandrahana Ankaraoka, Kaominina Marotsopoy, Toliara. Mbola tsy hita ny fatiny hatramin’izao ary mitaky izany ireo havany. Continuer la lecture































