Noborahin’ny mpampianatra nandritra ny « conseil de classe » tamin’ny ray aman-drenin’ilay zaza fa manao firaisana ara-nofo sahady ny zanany. Continuer la lecture
Catégorie Actus
KAOMININA IMERINTSIATOSIKA: Ivon’ny fampandrosoana ny mponina
Tahaka ny nananganana ny lapan’ny tanana ihany no hanamboarana ny kianja filalaovam-baolina sy ireo lalana mampita ny fokontany miisa 14 ao amin’ny kaominina Imerintsiatosika. Continuer la lecture
FANDRAHARAHANA: Tsy sakana ny fahasembanana
Anterivava : Vola Rabearivelo
Vehivavy moana marenina iray manao fianarana asa momba “PAO” ao amin’ny orinasa Telma. “Tsy manakana ny olona hiditra amin’ny sehatry ny asa ny fahasembanana misy eo aminy. Continuer la lecture
MPANAO KUNG-FU WISA: Anarivony hanohana an’i Hery Rajaonarimampianina
Nitohy tao an-tampon-tanàna an’Antsirabe ny fankalazana ny faha-38 taonan’ny kung-fu Wisa. Solontena 5000 isa no nanao hazakazaka rodobe nanodidina ny tanàna ny sabotsy 07 Aprily 2018. Nitarika ny hazakazaka i Grand Maitre Avoko sy ny federasiona Malagasy ny kung-fu Wisa. Continuer la lecture
Dr Quanbeck mianakavy : « Miverina amin’ny taniny ny Jiosy »
Tsy Jiosy tsy akory Dokotera Stanley Dwight Quanbeck fa Amerikana fotsy fiodirana. Olo-be, raiamandreny, sady olo-malaza teo anivon’ny Fiangonana Loterana Malagasy Dr Quanbeck. Izy no angady nananana sy vy nahitana (Pionnier) ny Sampan’Asa Loterana momba ny Fahasalamana (SALFA).
Anterivava : Dr Quanbeck
Olon-dehibe tsotra, manetritena. Tsy nofihininy ho azy samy irery ny fisalorana izany fiantsoana hoe “Pionnier” izany, fa mbola notsiahiviny ny tanan-kavanany niombon’antoka taminy tamy fanorenana sy fiterahana ny SALFA avy any an-karangana, dia Chef Andréas Richard. Hoy mantsy izy raha nandray fitenenana: “Hoatran’ny tao amin’ny Testamenta Taloha izahay sy Andréas ka izaho Mosesy, izy Arona”.
40 taona.
Hankalaza tsy ho ela ny faha-40 taona nijoroana ny SALFA. Ho fanatanterahana ny hevitry ny Komity Maharitry ny Synoda Lehibe (KMSL) tamin’ny 1979 no nanendren’ny FLM an’i Dr Quanbeck hanangana ny SALFA. Niainga tamina toerana fizaham-pahasalamana tanaty efitra roa tao amin’ny FLM 67ha ny SALFA ka ankehitriny dia nahavita an’io trano tsara bika eo Andohalo io. Manana toeram-pitsaboana sy hopitaly maro manerana ny Nosy koa ny SALFA, ary anisan’ireny ny any amy faritra Atsimo manontolo. Tsy hadinoin’i Dokotera mianakavy ny hitsidika an’i Ejeda sy Bezaha, izay nandaniany ny fahatanorany.
Fandraisana mendrika.
Lanonana ara-panahy tsotsotra sy mendrika no nandraisan’ny mpiara-miasa rehetra SALFA an’i Dr Quanbeck sy ny zanaka aman-jafiny ny zoma 6 aprily 2018. Taranaka fahatelo misionera niasa teto Madagasikara izy, ary ny raibeny avy amin’ny reniny dia Pastora milevina any Manasoa-Fanjahira Bezaha (Toliara). Tsy nahatana ranomaso ny lehilahy raha nampahatsiahy izany, ary tsaroany ireo anaram-bosotra niantsoana azy hoe Dokotera Marivoranomaso, sy ny hoe Dokotera Lesola. Nahatsikaiky ny filazany fa tsy mitsahatra mitombo ny fahasolany izy misotroronono sy mihoatra ny 80 taona izao.
Tsisy tsy nahalala an’i Dr Quanbeck izay nisera teo anivon’ny FLM. Mahafehy hatrany ny teny malagasy izy na dia 40 taona aty aoriana aza.
Anterivava : Chef Andréas Richard
Razaka Oliva
Sary
JULES ETIENNE: Aidina ny vidin-tsolika
Nitombo indray ny kandida handray anjara amin’ny fifidianana filoham-pirenena. Taorian’ny zaika be nataon’ny antoko Madagasikara Fivoarana (MAFI), androany 05 Aprily 2018, nanao fanambarana ofisialy i Jules Etienne Rolland izay filoha nasionalin’ny antoko MAFI fa ho anisany kandida amin’ity taona 2018 ity. Continuer la lecture
ANTOKO MAFI : Hanao ny kongresiny.
Hisafidy ny Hotel Panorama ny antoko MAFI “ Madagasikara Fivoarana” tarihin’ny filohany, dokotera Jules ETIENNE Rolland raha hanao ny kongresiny rahampitso 05 Aprily 2018. Continuer la lecture
Prix des carburants : Gelé quand on le veut ?
Le 1er avril dernier, jours de Pâques et du « Poisson d’Avril », les prix des carburants ont augmenté de 90 Ar par litre pour l’essence super et le Gasoil et de 40 Ar par litre pour le pétrole lampant. Continuer la lecture
Adoption des lois électorales : Ultime face à face en faveur du régime
Jamais deux sans trois ! L’intransigeance des députés de l’opposition face aux tentatives de forcing des élus pro régime avait fait capoter l’adoption des projets de lois organiques électorales lors de la 2e session extraordinaire parlementaire, nécessitant une troisième session qui a pris fin hier, selon les dispositions légales de 12 jours, par un ultime face à face entre les deux blocs antagonistes. Continuer la lecture
ZAH GASY : Tsy maika ny fifidianana filoham-pirenena
Efa miseho lany ny farisihan’ny antoko politika handray anjara amin’ny fifidianana ho filoham-pirenena amin’ity taona 2018 ity. Mifanohitra amin’izay ny an’ny fikambanana Zah Gasy. Continuer la lecture


























