Catégorie Socio-eco



KAOMININA AMPITATAFIKA: Ny mampandeha ny fampandrosoana


“Tsy maharitra iray volana akory ny fanampiana avy fanjakana kanefa misy 12 volana ny taona iray”, hoy ny ben’ny tanàna ny kaominina Ampitatafika, Rado Ramparaoelina. Nambarany fa miha sarotra ny fitantanana ny kaominina satria lasa handoavana ny karaman’ny mpiasa sy fampandehanan-draharaha sisa ny vola miditra amin’ny kaominina. Na dia eo aza izany, mahavita dingana amin’ny fampandrosoana ny tanàna ny kaominina fa tsy mijanona amin’ny fanatsarana ny fomba fiasa amin’ny lafiny fampandehanan-draharaha fotsiny.

Fanampiana
Raha atao ny jery todika tamin’ny taona 2018, nisy ny asa vita na dia nihena aza ny hetra niditra tamin’ny kitapom-bolan’ny kaominina noho ny antony maro samihafa. “Nalaina nandoa hetra ny mponina vao nanomboka ny vanim-potoanan’ny fampielezan-kevitra tamin’ny fifidianana filoham-pirenena. Tsy hay mihitsy ny antony”, hoy i Rado Ramparaoelina. Ankoatra izany, tsy tratra ny fanamby ny kaominina hahaleo tena ara-bola tamin’iny taona iny. Araka ny fanazavan’ny ben’ny tanàna an’Ampitatafika fa ny asa mandeha no nahafahana nanamboatra foto-drafitr’asa. Nanampy tamin’ny fampandrosoana ny kaominina ny PUD na “plan d’urbanisme détaillé” satria rehefa misy ny fividianana tanimbary dia mazava ho azy fa hisy ny fanotorana. Efa nalain’ny kaominina mialoha ny vola tokony aloa amin’ny fanotorana ny tany. Anisany nahafahan’ny kaominina nihetsika izany.

Asa vita
Raha tanisaina ny asa vitan’ny kaominina Ampitatafika tamin’ny taona 2018 dia ao anatin’izany ny fametrahana jiro an-dalam-be miisa 45, ny fanamboaran-dàlana eny anelanelan’ny fokontany izay mirefy efatra kilometatra, ny fanampiana ny efitranon-tsekoly, ny fanadiovana ny tatatra hiatrehana ny fahavaratra, ny fividianana “kubota” miisa roa sy cyclo-pousse miisa valo handraofana fako… Nilaza ihany koa ny ben’ny tanàna fa voaloa avokoa ny karaman’ny mpiasa sy ny volan’ny CNAPS. Tsy hisy olana ny fampandehana-draharaha ny kaominina mandritra ity taona 2019. Nividy tonner (encre) miisa 50 ny kaominina ka haharitra hatramin’ ny volana janoary 2020 izany. Marihina fa mbola mitohy amin’ity taona vaovao ity ny fanamby ny kaominina ambanivohitra Ampitatafika mba hahaleo tena ara-bola.

Lynda A.

Horonan-tsary


RAHARAHA MBOLA RAJAONAH: Ahiana ho tonga any amin’ny fisamborana


Mihenjana amin’ny raharaha momban’i Mbola Rajaonah ny Bianco. Ny 28 Novambra 2018 lasa teo no naharay ny fampiantsoana azy ho eny amin’ny « Birao mahaleotena mpirenena mahaleo tena misahana ny ady amin’ny kolikoly » ( Bianco) ny 12 Desambra 2018 lasa teo izy. Noho ny tsy maha eto Antananarivo azy anefa dia nangataka ny hanaovana ny famotorana azy amin’ny 20 Desambra 2018 ny mpiaro an’i Mbola Rajaonah. « Nivezivezy teny amin’ny bianco hatrany izahay teo anelanelan’ireo fotoana ireo nitondra  ny taratasy fampahafantarana ny tsy fahatratraran’i Mbola Rajaoanah ny fotoana hanaovana ny famotorana. Nampahafantarina azy ireo fa tsy ho tonga izy noho ny toetr’andro ratsy sy ny asany. Izay no antony nangatahanay ny fanemorana ny famotorana azy », hoy ny mpisolo vava azy, Eric Rafidison. Ho tonga any amin’ny fisamborana azy ny raharaha raha mitohy izao fihenjanan’ny bianco izao. Nitabataba mafy sady nampiseho fahatezerana tamin’ireto mpisolo vava ireto ny Tale jeneralin’ny Bianco, Jean Louis Andriamifidy  raha nifanena azy ireo teny an-dalatsara. Tsy dia fahita izany « police judiciaire » mitabataba ny mpisolo vava izay hitondra fanazavana, hoy hatrany ireto mpisolo vava azy ireto.

Antonta-taratasy

Mahagaga ny fahasahian’ny tale jeneralin’ny biaco milaza ampahibemaso milaza fa misy ny « vesatra » anenjehana an’i Mbola Rajaonah kanefa tsy mbola nandalo famotorana akory izy, hoy ny mpisolo vava azy. Tsy voahaja noho izany ny tsiambaratelon’ny famotorana. Rehefa dinihana ireo fihetsika ataony ireo izao dia mipetraka ao amin’ireto mpisolo vava ireto ny fanontaniana hoe, nahoana no atao tery vay manta toy izao ity raharaha ity.

Tsy nomena ny mpisolo vava azy ny antonta-taratasy momban’ny antony izao fampiantsona izao raha tsy ny andron’ny 12 Desambra 2018 hanaovana ny famotorana an’i Mbola Rajaonah. Nomarihan’izy ireo fa efa nanomboka ny fandraisana ny fampiatsona azy no nangataka izany ny mpisolo vava azy kanefa tsy nomena izany. Gaga anefa ireto mpisolo vava ireto fa ny antonta-taratasy efa vita famotorana ka efa lasa eny amin’ny fitsarana ihany izao hanaovana famotorana azy izao indray. Raha ny tokony ho izy anefa tsy azon’ny police judiciaire atao intsony ny manao famotorana indray rehefa lasa eny amin’ny fitsarana ny raharaha, hoy ny mpisolo vava. Azo atao ihany anefa ny hanatanteraka zavatra ao anatin’ny antontaratasy izany rehefa ny fitsarana no maniraka ny police judiciaire hanao izany.

Nomarihan’izy ireo fa antonta-taratasy avy amin’ny « Sampandraharaha iadiana amin’ny famotsim-bola » (Samifin) ny 04 Mai 2018 ihany ity raharaha ity.

Nirina R.


MPIASAN’NY MINISTERAN’NY MPONINA: Nilaozan-tsakaiza


« Tsy latsaky ny in-dimy no nangataka fihaonana tamin’ny ministra izahay fa tsy nisy valiny izany. Fotoana farany nialohan’izao hetsika izao, mbola nangataka fifampiresahana saingy nilaza ny sekretera jeneraly fa tsy manana fotoana hiresahana amin’ny mpiasa ny ministra fa manomana ny diany any an-dafy”, hoy ny filoha lefitry ny sendikan’ny mpiasa ao amin’ny ministeran’ny mponina, Toky Razafimamonjy. Continuer la lecture