
CSBI Diavolana
Raim-pianakaviana iray sy ny zanany lahy miisa telo (03) no niaraka voan’ny kitrotro tao Ankijaniavana, kaominina Tsinjoarivo Imanga, distrika Tsiroanomandidy, ny volana martsa 2026. Ny reniny sisa no tsy voa. Samy tsy vita vakisiny avokoa izy ireo. Nentina namonjy toeram-pitsaboana (CSBI) tao Diavolana (kaominina Ankadinondry Sakay) ireo zaza telo ireo (10 taona sy 4 taona ary 4 taona), ny 17 martsa 2026. Araka ny fitantaran’ny renin’izy ireo dia ilay zanany lahy 10 taona no narary voalohany, nanomboka 14 martsa 2026. Avy eo namindra tamin’ireo zandriny. Nahitana tranga fahasaratona ny roa tamin’izy ireo (ilay zazalahy 4 sy 6 taona): misefosefo sy reraka ary mandoa be. Notsaboina sy narahi-maso tao amin’ny CSBI izy ireo nandritra ny roa andro. Nifindran’ny kitrotro ihany koa ny dadany izay tsy vita vaksiny ihany koa.
Ny 27 martsa 2026 dia zazavavy iray monina eny Ankijaniavana ihany koa no nentina teny amin’ny CSBI Diavolana. Tsy nahitana fahasarotana izy hoy i Rasazy Ramalanjaona Andoniaina. Vita vaksiny izy raha ny nambaran’i rasazy. Roa andro taorian’izay dia tovolahy 22 taona avy eny amin’io fokontany io tonga nanao fizaham-pahasalamana. Nanazava ity tovolahy ity fa mpifanolobodi-rindrina nanampy tamin’ny fitondrana ireo zaza miisa 3 voalaza etsy ambony tany amin’ny toeram-pitsaboana satria mandeha tongotra eo amin’ny adiny 1 sasany miala eo amin’ny fonenan’izy ireo no misy ny CSBI Diavolana. Raha ny nambarany dia vita vaksiny izy. Marihana fa tsy nety niteny ny anarana izy. Ahitana tokantrano 14 ka ny telo (3) tamin’ireo no nifindran’ny aretina kitrotro tao amin’ity Fokontany Ankijaniavana ity.

Gago Zafinarivo Arnaud Bathias, Point focal régional de la surveillance intégrée des maladies et de la riposte Bongolava sy tompondraikitra ao amin’ny centre opérationnel d’urgence en santé publique (COUSP).
Tafiditra anatin’ ireo distrika vaovao anatin’ny valanaretina kitrotro i Tsiroanomandidy, nanomboka ny 12 martsa 2026. Taorian’ny fampahafantarana fa anatin’ny valanaretina ity distrika ity dia 94 ny tranga nampahafantarin’ireo toeram-pitsaboana manodidina fa mitovy amin’ny fisehon’ny kitrotro ny mahazo ilay olona na “cas par lien épidémiologique”, nanomboka 4 ka hatramin’ny 29 martsa 2026. “Mbola mampiahiahy io tarehimarika io satria mbola misy toeram-pitsaboana tsy miankina amin’ny fanjakana sasany tsy mitatitra ny tranga hitany. Nefa zava-dehibe ny fanaovana taitra mba ahafantarana ny toerana misy ireo voa sy ahafahana manao fanentanana sy mikaroka sy manao vaksiny ireo tsy mbola vita vaksiny”, hoy i Gago Zafinarivo Arnaud Bathias, Point focal régional de la surveillance intégrée des maladies et de la riposte Bongolava sy tompondraikitra ao amin’ny centre opérationnel d’urgence en santé publique (COUSP).
Nambarany fa tranga efatra (4) no niditra hopitaly tao amin’ny Centre Hospitalier de Référence Régionale (CHRR) ao Bongolava sy nahitana tranga fahasarotana ary tsy vita vaksiny miaro amin’ny kitrotro. « Nisy tamin’ireo tsy vita vaksiny tratran’ny fahasarotana ka voatery niditra hopitaly. Ny tranga fahatelo nahatonga ny distrikan’i Tsiroanomandidy ho ao anatin’ny valanaretina kitrotro izao dia voan’ny tranga fahasarotana ilay zaza antsoina hoe pneumonie. Marihina fa io zaza io dia tsy nanao vaksiny mihitsy na indray mandeha aza nefa 2 taona sy 11 volana”, hoy izy. Nambarany ihany koa nisy ankizy 17 taona koa tratry tranga fahasarotana naiditra hopitaly ary tamin’ny faran’ny volana martsa 2026 dia nisy zaza roa voan’ny kitrotro nampidirina hopitaly ihany koa.
Tsy mahagaga hoy izy raha anatin’ny valanaretina i Tsiroanomandidy satria ambany tahan’ny fandrakofana ny vaksiny. 69 % ny tahan’ny fandrakofana ny vaksiny miady amin’ny kitrotro fatra voalohany (VAR 1) ny taona 2025. Latsaka kelin’izay ny VAR 2. Nandritra valanaretina dia hita fa “ 70 % tamin’ireo voan’ny kitrotro dia tsy vita vaksiny daholo dia izay no manamarina fa miaro ny olona tsara ny vaksiny”,hoy hatrany i Gago Zafinarivo Arnaud Bathias.

Dr Paubert Tsivahiny, Talen’ny fandaharan’asa misahana ny fanaovam-baksiny (DPEV)
13 ny distrika vaovao anatin’ny valanaretina kitrotro tamin’ity taona 2026 ity, araka fanazavan’i Dr Paubert Tsivahiny, Talen’ny fandaharan’asa misahana ny fanaovam-baksiny (DPEV), eo anivon’ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka. Anisan’izany ny distrikan’i Andapa, Sambava, Fianarantsoa I, Antsiranana I, Miandrivazo, Moramanga, Vohémar, Amparafaravola, Toaamasina II, Antalaha, Antsohihhy, Ambatolampy ary Tsiroanomandidy. “Amin’izao fotoana izao dia distrika 25 no tratry valanaretina kitrotro eto Madagasikara”, hoy i Dr Paubert Tsivahiny. Teo anelanelan’ny volana janoary sy martsa 2026 dia 240 ny tranga nampiahiahy natao fitiliana ka ny 83 tamin’ireo voamarina fa kitrotro, araka ny fanazavany, ny 27 martsa 2026.
Fomba fisehony sy ny fahasarotana
Aretina mora mifindra sy mety ho tonga hatramin’ny fahafatesana ny kitrotro na “rougeole”. Ny olona voan’ny kitrotro dia mamindra amin’izay mifaneresera aminy amin’ny alalan’ny fifampikasohana, na lelo na piti-drora entin’ny rivotra. Ny zaza latsaky ny 5 taona no tena matetika voany. Miseho amin’ny alalan’ny tazo, kohaka, orona misy lelo, pentipentina mena miparitaka amin’ny vatana ity aretina ity. Mampiavaka azy ny fisian’ny tasy mena anatin’ny ativava. Mety mitarika fahasarotana toy olan’ny taovam-pisefoana, eo amin’ny sofina sy ny maso ny kitrotro, fivalanana mahery vaika mahatonga tsy fahampian-drano amin’ny vatana ny kitrotro, araka ny fanazavan’ny sampandraharahan’ny firenena mikambana misahana ny fahasalamana (OMS). Matetika ny mahatonga ny fahafatesana dia noho ireo fahasarotana ireo.

Rasazy Ramalanjaona Andoniaina – manao fanentanana momba ny vaskiny
“Eo amin’ny 98 % eo ny zaza tsy vita vaksiny ka tratry ny kitrotro dia misy fahasaratona ary mety hitondra takaitra, toy ny fahajambana, lasa kelin’ny lanjan’ilay zaza avy eo”, hoy i Dr Paubert Tsivahiny.
Miverina ny aretina kitrotro isaky ny 3 na 4 taona eto amintsika satria ambany ny taha-pahavitrihana mitondra ireo zaza hatao vaksiny andavanandro ka ambany ilay fiarovana iombonana na immunité collective, araka ny ranty navoakan’ny fitaleavana misahana ny fandaharan’asa misahana ny fanaovam-baksiny (DPEV).

Ankizy atao vaksiny tsindromina amin’ny sandry
Noho izany, ny fanaovana vaksiny no fomba tsara indrindra hisorohana ny kitrotro sy fiparitahany. “Ny maha zava-dehibe ny fanaovana vaksiny dia mamokatra ilay hery fiarovana izy sy miaro ny vatan’ilay zaza. Raha sanatria voan’ny kitrotro kanefa efa vita vaksiny dia tsy ho tonga amin’ilay fahasarotana”, hoy hatrany i Dr Paubert Tsivahiny.
Rehefa feno 9 volana ny zaza no manao ny vaksiny miaro amin’ny kitrotro ary manao famerenana amin’ny faha-15 volana.
Nanatanteraka fanaovam-baksiny faobe ho fisorohana ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza (anti-HPV) sy fiatrehana ny valanaretina kitrotro ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka, niaraka tamin’ireo mpiara-miombon’antoka (OMS, GAVI – l’Alliance du vaccine, UNICEF…) ny 8 ka hatramin’ny 12 desambra 2025. Zaza 6 ka hatramin’ny 24 volana miisa 1.164.817 no nahazo vaksiny miaro amin’ny kitrotro (VAR). 68,24 % ny tahan’ny fandraisana vaksiny ho an’io sokajin-taona io, araka ny tarehimarika navoakan’ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka ny 2 janoary 2026.
Ra-Nirina



