Sport

TRAIL D’IBITY ANDIANY FAHA-10: Hohamafisina ny fiarovana ny mpandray anjara


Ho tontosaina ny alahady 19 Aprily 2026 ny andiany faha-10 amin’ny Trail d’Ibity. Toy ny mahazatra dia eo orinasa Alpha Ciment ao Ibity (Antsirabe), mpiara-miombon’antoka amin’ny hetsika, ny fiaingana. Hamakivaky ny Massif d’Ibity, voarakitra ho faritra arovana vaovao, tantanin’ny Missouri Botanical Garden (MBG) ireo mpihazakazaka avy eo.

Misokatra manomboka ny 16 febroary ka hatramin’ny 15 martsa 2026, ny fisoratana anarana. Afaka atao amin’ny alalan’ny aterineto na eny amin’ny mpiara-miombon’antoka, toy ny ORTANA Antaninarenina sy ORTVAK  Antsirabe izany, araka  ny fanazavan’ny mpikarakara. Mpihazakazaka 1 500 no andrasana  amin’ity andiany mba hitazonana ny kalitao sy ny traikefa tokana manamarika ny Trail d’Ibity.

Feno folo taona nampifandraisana ny fanatanjahantena, ny “tourisme durable” sy ny fanohanana ireo zaza tratry ny tsy fanjarian-tsakafo ny Trail d’Ibity. « Tao anatin’ny folo taona, ny Trail d’Ibity dia lasa iray amin’ireo hetsika ara-panatanjahantena lehibe indrindra eto Madagasikara, manome fahafahana ho an’ny atleta maro hiaina ny traikefa voalohany amin’ny fifaninanana ao anatin’ny tontolo mitaky fahaiza-manao sy mampifandray ny rehetra », hoy ny fampitam-baovoa avy amin’ny mpikarakara.

Arak any tanjona napetraka hatramin’ny voalohany, entina hanohanana ireo ankizy tratry ny tsy fanjarian-tsakafo raisina an-tanana ao amin’ny Maison de la Nutrition d’Ibity ny vola voaangona mandritra ny hetsika. Anisany hampiroboroboana ny fizahan-tany maharitra sy tompon’andraikitra ihany koa izy ity.

Hohatsaraina ny lafiny fiarovana ny mpandray anjara

Araka ny zavamisy sy ny traikefa hita tamin’ireo andiany teo aloha, indrindra ny hetsika tamin’ny taon-dasa dia nanamafy ny mpikarakara fa hohatsaraina ny rafitra fiarovana amin’ny lalana sy ny toerana fandraisana ho fiantohana ny fandriampahalemana.

Ankoatra izany, hisy ny fizarana t-shirt ho an’ny mpandray anjara tsirairay ho fahatsiarovana ny fankalazana ny faha-10.  Hisongadina amin’io andiany io ihany koa ny hazakazaka CORPORATE inter-entreprises, mba hanentanana ny fandraisan’anjaran’ny orinasa.

Manao antso ho an’ny orinasa sy ny fikambanana hanohana ara-bola na ara-pitaovana ny mpikarakara. Ny fanohanana ataon’izy ireo dia hanampy mivantana amin’ny fahombiazan’ity hetsika firaisankina ho an’ny ady amin’ny tsyfanjariantsakafo ity.

 Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *