Amin’izao fetin’ny noely izao, nahatsiaro ireo ankizy sahirana ao amin’ny fokontany misy ny orinasany ny “Vima real Estate” (VRE). Isan-taona, mizara hafaliana ho an’ireo ankizy ao amin’ny fokontany Ankorondrano Andranomahery izay foiben-toeran’ny orinasa sy ireo ankizy ao amin’ny kaominina Ambohibao Antehiroka ny Vima. Continuer la lecture
Catégorie Socio-eco
JCI ANTANANARIVO: Hitohy ny asa ho an’ny garabola
Efa fantatra sahady ny birao vaovao hitarika ny JCI (jeune chambre internationale) eto Antananarivo amin’ny taona 2019. Notanterahina ny 15 desambra 2018 ny fifidianana ny filoha mpitarika, ny filoha lefitra ary ny filoha lefitra mpanatanteraka. Continuer la lecture
« FOND DE JEUNE NATIONALE » : Manohana ny firenena
Fikambanana manana ny maha izy azy no mivondrona ao anatin’ny FJN (fond de jeune nationale). Nijro tamin’ny fomba ofisialy ny 14 desambra 2018 ity fikambanana ity. Continuer la lecture
RAHARAHA MBOLA RAJAONAH: Ahiana ho tonga any amin’ny fisamborana
Mihenjana amin’ny raharaha momban’i Mbola Rajaonah ny Bianco. Ny 28 Novambra 2018 lasa teo no naharay ny fampiantsoana azy ho eny amin’ny « Birao mahaleotena mpirenena mahaleo tena misahana ny ady amin’ny kolikoly » ( Bianco) ny 12 Desambra 2018 lasa teo izy. Noho ny tsy maha eto Antananarivo azy anefa dia nangataka ny hanaovana ny famotorana azy amin’ny 20 Desambra 2018 ny mpiaro an’i Mbola Rajaonah. « Nivezivezy teny amin’ny bianco hatrany izahay teo anelanelan’ireo fotoana ireo nitondra ny taratasy fampahafantarana ny tsy fahatratraran’i Mbola Rajaoanah ny fotoana hanaovana ny famotorana. Nampahafantarina azy ireo fa tsy ho tonga izy noho ny toetr’andro ratsy sy ny asany. Izay no antony nangatahanay ny fanemorana ny famotorana azy », hoy ny mpisolo vava azy, Eric Rafidison. Ho tonga any amin’ny fisamborana azy ny raharaha raha mitohy izao fihenjanan’ny bianco izao. Nitabataba mafy sady nampiseho fahatezerana tamin’ireto mpisolo vava ireto ny Tale jeneralin’ny Bianco, Jean Louis Andriamifidy raha nifanena azy ireo teny an-dalatsara. Tsy dia fahita izany « police judiciaire » mitabataba ny mpisolo vava izay hitondra fanazavana, hoy hatrany ireto mpisolo vava azy ireto.
Antonta-taratasy
Mahagaga ny fahasahian’ny tale jeneralin’ny biaco milaza ampahibemaso milaza fa misy ny « vesatra » anenjehana an’i Mbola Rajaonah kanefa tsy mbola nandalo famotorana akory izy, hoy ny mpisolo vava azy. Tsy voahaja noho izany ny tsiambaratelon’ny famotorana. Rehefa dinihana ireo fihetsika ataony ireo izao dia mipetraka ao amin’ireto mpisolo vava ireto ny fanontaniana hoe, nahoana no atao tery vay manta toy izao ity raharaha ity.
Tsy nomena ny mpisolo vava azy ny antonta-taratasy momban’ny antony izao fampiantsona izao raha tsy ny andron’ny 12 Desambra 2018 hanaovana ny famotorana an’i Mbola Rajaonah. Nomarihan’izy ireo fa efa nanomboka ny fandraisana ny fampiatsona azy no nangataka izany ny mpisolo vava azy kanefa tsy nomena izany. Gaga anefa ireto mpisolo vava ireto fa ny antonta-taratasy efa vita famotorana ka efa lasa eny amin’ny fitsarana ihany izao hanaovana famotorana azy izao indray. Raha ny tokony ho izy anefa tsy azon’ny police judiciaire atao intsony ny manao famotorana indray rehefa lasa eny amin’ny fitsarana ny raharaha, hoy ny mpisolo vava. Azo atao ihany anefa ny hanatanteraka zavatra ao anatin’ny antontaratasy izany rehefa ny fitsarana no maniraka ny police judiciaire hanao izany.
Nomarihan’izy ireo fa antonta-taratasy avy amin’ny « Sampandraharaha iadiana amin’ny famotsim-bola » (Samifin) ny 04 Mai 2018 ihany ity raharaha ity.
Nirina R.
MADAGASCAR FASHION WEEK OCÉAN INDIEN: Ho any Paris ny mpilatro mendrika indrindra
In-droa isan-taona ny “Madagascar fashion week Océan Indien”. Tonga indray ity ny andiany faharoa ho amin’ity taona 2018 ity. Continuer la lecture
MPIASAN’NY MINISTERAN’NY MPONINA: Nilaozan-tsakaiza
« Tsy latsaky ny in-dimy no nangataka fihaonana tamin’ny ministra izahay fa tsy nisy valiny izany. Fotoana farany nialohan’izao hetsika izao, mbola nangataka fifampiresahana saingy nilaza ny sekretera jeneraly fa tsy manana fotoana hiresahana amin’ny mpiasa ny ministra fa manomana ny diany any an-dafy”, hoy ny filoha lefitry ny sendikan’ny mpiasa ao amin’ny ministeran’ny mponina, Toky Razafimamonjy. Continuer la lecture
MINISTERAN’NY FAHASALAMANA: Ny mampirongatra ny kitrotro
Tsy firaharahiana sa fahatahorana? Na dia lafo vidy aza ny vaksiny natokana ho an’ny zaza vao teraka ka hatramin’ny faha-11 volana dia nomena maimaim-poana izany. Continuer la lecture
FARITRA ANALAMANGA: Mitohy ny fampitaovana an’ireo kaominina
Ho fanohizana ny fiarahamiasa, nanome fampitaovana ho an’ny distrika an’Ankazobe indray ny eo anivon’ny faritra Analamanga. Continuer la lecture
FAMPANDROSOANA NY FARITANY TOLIARA: Tsy vitan’ny alim-pandihizana fotsiny
Fotoana tsy manam-paharoa ho an’ny faritany Toliara ny zava-nitranga tao amin’ny Carlton Anosy, omaly 11 desambra 2018. Continuer la lecture
FINDAY TSY ARA-DALÀNA NY IMEI: Tsy hahazo “réseau” intsony
Noho ny fiaraha-miasa eo amin’ny fadin-tseranana sy ny ARTEC (Autorité de régulation des technologie de communication), voarara ny manafatra finday tsy misy famantarana voamarina (IMEI non-valide). Continuer la lecture





















