Manamafy ny fanavaozana ataony eo amin’ny sehatry ny tolotra internet illimité na tsy voafetra ny orinasa Blueline, amin’ny fanolorana ny Airfiber amin’ny endrika “sans engagement”na azo jifaina tsy voafatotry ny fifanarahana maharitra. Safidy vaovao izay manome fahalalahana bebe kokoa ny mpanjifa, nefa mitovy amin’ny tolotra misy “engagement”.
Afaka misitraka internet haingam-pandeha sy marin-toerana, tsy voafatotry ny fifanarahana maharitra ny mpanjifa amin’ity tolotra ity saingy manome fahafahana hiala na hanova safidy amin’ny fotoana rehetra.
Araka ny fanazavan’ny Blueline, ny Airfiber dia isan’ireo tolotra tokana eto Madagasikara izay tena “illimité” marina, tsy misy FUP sy famerana miafina. Midika izany fa afaka mampiasa internet tsy misy ahiahy ny mpanjifa, na amin’ny asa, fianarana, na fialam-boly, mandritra ny ora rehetra, andro aman’alina.
Tolotra telo lehibe ho an’ny mpanjifa
Ahitana safidy telo lehibe ny Airfiber, dia ny Airfiber Unlimited 20, Airfiber Unlimited 30 ary Airfiber Unlimited 50, izay azo alaina avokoa ankehitriny tsy misy fifamatorana.
Manomboka amin’ny 199 000 Ariary isam-bolana ny sarany ary mitaky fividianana fitaovana ilaina amin’ny fametrahana azy (1 500 000 Ariary). Etsy ankilany, mbola misy ihany koa ny tolotra misy fifamatorana, ho an’ireo maniry vidiny mirary kokoa isam-bolana. 99 000 Ariary isam-bolana izany hoan’ireo misoratra anarana alohan’ny 30 aprily 2026.
Ity fandraisana andraikitra ity dia natao hamaliana ny filàna samihafa ananan’ny mpampiasa, indrindra amin’izao fotoana itomboan’ny fampiasana nomerika izao. Manome safidy mazava ho an’ireo te hifanaraka maharitra sy ireo kosa maniry fahafahana tanteraka.
Fampiasana karazana teknolojia
Miorina amin’ny fampifangaroana ny fibre optique sy ny teknolojia radio ny Airfiber, ka manome hafainganam-pandeha avo sy fifandraisana marin-toerana. Mahafeno ny filàn’ny tokantrano sy ny orinasa izy ity.
Ankoatra izany, tsotra sy haingana ny fametrahana ny fitaovana, izay vita ao anatin’ny 48 ora. Mora afindra ihany koa izy raha toa ka misy fifindra-monina, ka manampy amin’ny fahafahan’ny mpanjifa miova toerana tsy misy olana.
Niorina tamin’ny taona 1998, Blueline dia efa anisan’ireo orinasa lohalaharana amin’ny fanomezana internet eto Madagasikara. Hatramin’ny nahazoany fahazoan-dalana tamin’ny taona 2018, dia mampiasa tambajotra fibre mampifandray ny morontsiraka atsinanana sy ny foibeny ao Analamahitsy – Andranobevava izy.
Mba hanomezana fahafaham-po ny mpanjifa, dia nanitatra hatrany ny tolotra ara-teknolojia ampiasainy i Blueline, toy ny boucle locale radio, 4G, faisceau hertzien ary internet haingam-pandeha avy amin’ny zanabolana.
Ra-Nirina



