Mankalaza ny faha-20 taonany ny Espace Sanitaire Interentreprise d’Antananarivo (ESIA). Mikarakara ny fahasalaman’ny mpiasa sy ny vady aman-janany no iandraketan’ity ivon-toeram-pitsaboana arak’asa ity. Orinasa 400 no mikambana ao anatin’ny ESIA ka izy ireo ihany no tompon’ny ivon-toeram-pitsaboana. Miisa 17.000 ireo mpiasa sy vady aman-janakin’ny mpiasa no afaka misitraka fitsaboana ao.
“Ataon’ny ivon-toeram-pitsaboana ny fizaham-pahasalamana, ny fitsaboana manokana (médicine spécialisée), ny fitsirihana (analyse), fizahana maso, ny fitsaboana nify. Manao fikarohana mahakasika ny antony isan-karazany mahatonga ny aretin’ny mpiasa sy radiographie ary échographie fa indrindra scanner ihany koa izahay”, hoy i Randriamananandro Hervé , filohan’ny filankevi-pitantanan’ny ESIA, nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety, ny 18 febroary 2026, teny Antsahabe. Nambarany fa tsy hopitaly ny ESIA ka raha sanatria mila fitsaboana maharitra ilay mpiasa na ny ankohonany dia entina amin’ny hopitaly izay safidiny.
Hetsika maro no hanamarihana ny faha- 20 taona. Hikarakara fizaham-pahasalamana maimaim-poana (fitiliana ny diabe sy tosi-drà) ho an’ny daholobe ity ivon-toerana ity. Hanome rà eny amin’ny “Centre national de transfusion sanguine”, hopitaly Joseph Ravoahangy Andrianavalona (HJRA) ihany koa ireo mpiasa miasa amin’ny ESIA. Ho tokanana ny volana aprily ho avy izao ny trano vaovao an’izy ireo. Hisy ny fanomezana mari-boninahitra ireo mpiasa ao amin’ny ivon-toeram-pitsaboana sy famelabelaran-kevitra momba ny fahasalamana sy ny fiarovana ny mpiasa.
Ra-Nirina



