Apparemment le régime Andry Rajoelina ne connaît aucune formation politique d’envergure d’opposition. Continuer la lecture
Catégorie Socio-eco
GRENADY « LACRYMOGÈNE » SY BALA: Teny am-pelatanan’ny olon-dratsy
Miezaka ary mampiasa ny paikady amin’ny asan’ireo olon-dratsy ny eo anivon’ny polisim-pirenena. Izay indrindra no nahazoan’izy ireo karazana grenady lacrymogène sy bala. Continuer la lecture
VEHIVAVY MPANDRAHARAHA (GFEM): Miha matihanina hatrany
Seha-pihariana roa no nampiofanina ireo vehivavy mpandraharaha ao amin’ny fikambanana GFEM (Groupement des Femmes Entrepreneurs de Madagascar) ho fampiroboroboana ny indostria momba ny sakafo (agro-industrie) any amin’ny faritra. Continuer la lecture
AKON’NY 8 MARTSA: Hafakely ny fankalazana ho an’ny AIFM Madagasikara
Samy nitady ny fomba hanamarihana ny andron’ny vehivavy, 8 martsa ireo fikambanana mikatsaka ny fampandrosoana eto Madagasikara. Ho an’ny fikambanan’ny vehivavy AIFM sampana Madagasikara dia niavaka ny nanamarihan’ny mpikambana izany, ny zoma lasa teo. Teny amin’ny “jardin de vaniala” Antsakaviro, toerana milamina sy mahate ho tia, mampanofinofy no nanatanterahina ny hetsika. “Sambany nisy seho hafakely toy izao teto Madagasikara dia ny fifandimbiasan’ny velakevitra, ny antsa tononkalo, filatroana ary ny dihy sinoa sy malagasy”, hoy ny sekretera jeneralin’ny AIFM Madagasikara sady tonian-danonana, Andriamamonjy Stella. Nandray anjara tamin’ny fanentanana ara-java-kanto ny avy ao amin’ny Havatsa/Upem, Ramananarinoro Voahangy niaraka tamin’ireo ankizikely notarihiny kosa teo ao amin’ny filatroana, naneho ny kanto ihany koa ireo mpilatro matihanina niaraka tamin’i Jane Rahel sy Emy G ary nitondra karazan-dihy malagasy sy sinoa ny solontenan’ny Institut Conficius.
Velakevitra
Niompana tamin’ny fampahafantarana ny lalàna sy ny zon’ny vehivavy ny resadresaka nandritra ny lanonana izay tsy mifanalavitra amin’ny lohahevitra noraisina: Ny anjara toeran’ny vehivavy malagasy eo amin’ny fiarahamonina amin’ny maha olona azy. Nandray anjara tamin’ny famelabelaran-kevitra ny mpanolontsainan’ny « Haut-Commissariat des Droits de l’Homme » na HCDH eo anivon’ny Firenena Mikambana monina eto Madagasikara, Omer Kebiwou Kalameu. Lohahevitra noresahiny ny zon’ny vehivavy amin’ny fandraisan’anjara eo anivon’ny fiarahamonina. Manaraka izany, namelabelatra momba “ny herisetra mpahazo ny vehivavy malagasy sy ny lalàna” ny mpitsara eo anivon’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany eto Antananarivo, Razafiarinelina Tahiana. Nandravona ny resadresaka kosa Ramatoa Filohan’ny Filankevim-pitantanana eo anivon’ny Consortium National pour la Participation Citoyenne (CNPC) no sady koa Tale Jeneralin’ny orinasa Sofitrans, Ramarosaona Edmondine.
Hafatra
Maro ny hafatra voaray taorian’ny dinika toy ny fanamafisana ny fanentanana ny vehivavy handray andraikitra sy ny fampahafantarana ny zon’ny vehivavy malagasy tsy ankanavaka, ny tsy maintsy handefasana ireo zazavavy any an-tsekoly mba hananan’ny firenena malagasy vehivavy tompon’andraikitra sy mitana andraikitra ambony eto amin’ny firenena amin’ny ho avy, ny fanentanana amin’ny tsy hisalasalana hanatonana ny tomponandraikitra raha tojo herisetra amin’ny lafiny rehetra… Namaranana ny fankalazana ny 8 martsa 2019 ny fisarihana loka izay nahazoan’ireo tsara vintana fanomezana maro.
Lynda A.
Sary
FIVIDIANANA VOKATRA DOVE, AXE, SIGNAL: Fivahinianana any Nosy Be ny loka goavana
Manome fahafaha-po ho an’ny mpanjifany hatrany orinasa Hydis. Mpanjifa 50 isa indray nahazo loka. Loka miisa sivy ny loka goavana ka tapakila mandeha fiaramanidina mandroso sy miverina Antananarivo- Nosy Be ny loka nomena ny voalohany. Continuer la lecture
VEHIVAVY IHARAN’NY HERISETRA: Ny tokony atao
Mety higadra sazy an-terivozona ny fanaovana herisetra amin’ny vehivavy raha toa ka miteraka fahasembanana ho azy izany, hoy ny mpisolovava Raharivololona Hanitriniaina Andriamanantsoa. Continuer la lecture
FIKAMBANANA « DESTINY »: Niavaka ny fankalazana ny 8 martsa
Nisantatra voalohany ny tranom-pokonolona Ankadindravola, kaominina Ivato ny fikambanana “Destiny”. Continuer la lecture
JEAN NAVANDAHY RATIHARISON: Ho solombavambahoaka tsy ho ela
Kandida amin’ny fifidianana solombavambahoaka voalohany nanatitra ny taratasy filatsahan-ko fidian’ny teny amin’ny OVEC (Organe de Vérification et d’Enregistrement des Candidatures), distrika an’Antananarivo faha- II i Jean Navandahy Ratiharison. Continuer la lecture
TRABOINA AO AMIN’NY DISTRIKAN’I MOROMBE: Ampy ao anatin’ny herinandro ireo vatsy ara-tsakafo
Fanintelony izao ny mponina ao amin’ny distrikan’i Morombe no lasibatry ny orambe htramin’ny 20 febroary 2019 no mankaty. Continuer la lecture
TANY HIORENAN’NY CEG AMBOHITRIMANJAKA: Tsy hatahorana ho alain’olon-tsotra
Nankalaza ny faha-40 taonany ny CEG Ambohitrimanjaka ny 5 martsa 2019. Nizara roa lehibe ny lanonam-pankalazana: fanolorana tamin’ny fomba ofisialy ireo fitaovana nomerika avy amin’ny fikambanana Orange Solidarité sy ny fanolorana mari-boninahitra ireo mpampianatra miisa 10. Continuer la lecture