Auteur R Nirina


FANANANTANY: Amanalina ireo tompon-tany lasibatry ny “boky rovitra”


Tsy azo hodian-tsy hita fa misy ny mpanararaotra amin’ity resaka boky rovitra ity. Fa maninona no tsy mbola misy vahaolana hatramin’izao? Efa tamin’ny fitondrana teo aloha no nokasaina ho ampidirina eny amin’ny Antenimiera roa tonta ny volavolan-dalàna hamahana ny olan’ny boky rovitra (BR). Araka ny anterivava natao tamin’ny tale jeneralin’ny fananantany sy ny fandrefesantany, Rasolofomampionona Hasimpirenena tamin’ny taona 2017 fa “soso-kevitra ho aroso amin’ny solombavambahoaka sy ny loholona eto Madagasikara ny famolavolana dingana vaovao hanarenana ny boky rovitra”. Nambarany tamin’izany fotoana izany fa raha lany soamantsara io tolo-dalàna io, hisy ny fidinana ifotony hataon’ireo vaomiera avy ao amin’ny Fitsarana sy ny sampandraharahan’ny fananantany sy ny fandrefesantany. Amin’izay fotoana izay no hanaovana ny fitsirihana ny tany ianjadian’ny boky rovitra. Rehefa vita izany, averina raketina indray ny mombamomba ny tany.

Ankehitriny, mbola eo am-pamolavolana ny volavolan-dalàna momba ny boky rovitra sy very indray ny fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny ministeran’ny fanajariana ny tany, ny trano fonenana sy ny asa vaventy (MAHTP) sy ny ministeran’ny fitsarana. Araka ny fanadihadiana lalina natao dia amanalina ireo tompon-tany lasibatry ny boky rovitra eto Madagasikara. Ny faripiadidian’ny fananantany Antananarivo Atsimondrano no tena ahitana BR be indrindra raha ny eto an-drenivohitra. Ankoatra ny kadasitra na titra any am-pelantanan’ny tompon-tany dia voarakitra ao anatiny boky any sampandraharahan’ny fananantany ny mombamomba ny tany mba hanamarinana fa ianao tokoa ny tompon-tany. Potika, rovitra, simba anefa ny rejistra sasantsasany amin’ny boky iray, misy ihany koa ny ankamaroan’ny rejistra mihitsy no simba tsy misy azo raisina noho ny fahateran’ny boky sy ny fikirakirana azy matetika. Araka ny vaovao mari-pototra hatrany, ireo tany vita kadasitra no tena iharan’ny fahavoazana. Vokany, tsy afaka manao na inona na inona ny tompon-tany manoloana izany na io hivarotra tany na hanao famindrana satria ny boky hanoratana izany aza rovitra.

Marihina fa hisy ny varavarana misokatra karakarain’ny sampandraharahan’ny fananantany sy ny fandrefesantany momba ny boky rovitra sy “plan” rovitra. Ny zoma 29 novambra 2019 amin’ny 9 ora maraina eny amin’ny “guichet unique” amin’ny sampandraharahan’ny fandrefesantany Antananarivo Renivohitra no hanatanterahina izany.

Nirina R.


OPEN INTERNATIONAL BMOI – MADAUTO : Handrefesana ny fivoaran’ny fahaizan’ny mpilalao tennis malagasy


Manatsara ny tontolon’ny taranja tennis eto Madagasikara ny fikarakarana fifaninana iraisampirenena. Nanomboka ny taona 2012 no efa nanohana ny « Open International » ny BMOI. Lalao karakarain’ny Country Club miaraka amin’ny ligin’ny tennis Analamanga izy ity. Tanterahina ny 5 ka hatramin’ny 10 novambra 2019 ny andiany fahafito. Nambaran’ny Filohan’ny Country Club, Rakotonindriana Josoa nandritra ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety ny 31 oktobra 2019 fa atao isan-taona ny Open International mba hampivoarana tennis eto Madagasikara. Manampy amin’ny fandrefesana ny fahaizan’ny mpilalao eto an-toerana ny fifandonana amin’ireo sangany any ivelany, hoy izy. Mampatsiahy ny tale jeneralin’ny BMOI, Merlot Alain fa manohana taranja tennis ny banky izay tantaniny satria mifototra amin’ny fenitra takiana amin’ny mpilalao, ohatra hentitra, marina, manome ny tsara indrindra, ny tolotra omeny ny mpanjifa.

Mpilalao

Ho an’ny sokay tokana, 32 ny mpilalao lehilahy hifaninana ary 16 ny vehivavy. Valo ny lehilahy ho any sokajy ho an’olon-droa ary miisa valo ihany kosa ny vehivavy. Nisy fanomanana ireo mpilalao malagasy ka ireo sangany tamin’ny fifaninanana natao ny volana septambra no nifantenana handray anjara amin’ny Open International. Valo ny lehilahy sangany tamin’ny fifaninanana: Njaka Randriamalala, Tsilavina Joharimboahangy, Max Fontaine, Louis Leccia, Thierry Solofonomenjanahary, Dimitri Rabeson, Evah Angelo Tanjondray, Roméo Rakotomalala Roméo. Efatra ny vehivavy: Miarana Andrianafetra, Fikasana Rakotomalala, Ravaka Ramantoaniana et Fitia Andrianafetra. Hanatevin-daharana ireo mpilalao malagasy hafa toa an’i Miary Zo Rakotondramboa, Tsiorisoa Rakotoarilala, Valentin Jerome, Jean Luc Cirotte (wild cards); Sariaka Radilofe, Iariniaina Tsantaniaina, Miora Andrianatoandro, Fitia Ravoniandro, Safidisoa Nomenjanahary, Miora Raolison (dames), Randy Rakotoarilala, Matina Razafimahefa ( wild cards) izy 12 mianadahy ireto. Ankoatra azy ireo dia nanasa mpilalao malagasy milalao any ivelany ihany koa ny mpikarakara. Amin’ny maha fifaninanana iraisampirenena azy dia nanasa mpilalao sangany avy any Argentine, France, La Réunion ary Italie ihany koa ny Country Club. Araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra, mitentina 12 tapitrisa Ariary ny loka ho zaraina ho an’ireo mendrika indrindra.

Nirina R.