Socio-eco

AJE: Mpikaroka, andry lehibe amin’ny fiarovana ny tontolo iainana


Mitana toerana lehibe amin’ny fiarovana ny tontolo iainana ny fikarohana ara-tsiansa. Anisan’ireo nisongadina tamin’izany ny zava-bitan’i Profesora Lily-Arison René de Roland, manam-pahaizana manokana momba ny vorona, sy Profesora Jonah Ratsimbazafy, manampahaizana momba ny varika. Ny asa fikarohana nataon’izy ireo dia nitondra fandrosoana lehibe teo amin’ny fiarovana ny zavaboahary eto Madagasikara.

Nanolotra mari-pankasitrahana azy ireo ny fikambanan’ny mpanao gazety mikirakira ny tontolo Iainana (AJE), ny 19 febroary 2026, tao amin’ny Havoria Anosy.  Notanterahina teo ambany fiahian’ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemantan’ny Fanavaozana, Herintsalama Rajaonarivelo, ary eo ambany fanohanana avy amin’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, Gascar Fenosoa, ny Minisieran’ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Lovainjafy, Michaël Manesimana, ary ny Minisiteran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Profesora Manda-Vy Ravonimanantsoa ny lanonana fanolorana izany.

« Tanjon’ity hetsika ity ny hamporisika ny fankatoavan’ny andrim-panjakana sy mpampahalala vaovao ireo mpahay siansa malagasy, sady hanamafy ny fiarahamiasa eo amin’ny haino vaky jery, ny mpikaroka, ny andrim-panjakana ary ny mpiara-miombon’antoka amin’ny fampandrosoana”, hoy i Njaka Andriantefiarinesy, filohan’ny AJE.

Niorina tamin’ny taona 2001 ny fikambanan’ny mpanao gazety mikirakira ny tontolo Iainana (AJE). Miasa amin’ny fampiroboroboana ny vaovao ara-tontolo iainana marina, ara-siansa ary takatry ny rehetra ny fikambanana. Manamafy ny fahaizan’ny mpanao gazety, manao fanentanana ny vahoaka ary ny manome lanja ireo hetsika miaro ny tontolo iainana sy manohana ny fampandrosoana maharitra eto Madagasikara ihany koa ny AJE.

Nitondra vokatsoa tamin’ny fiarovana ny ala sy ireo kara-java-mananaina

34 taona ny Profesora Lily-Arison no nandray anjara tamin’ny asa fikarohana momba fiarovana ny tontolo iainana. Nanamarika azy ny fahitana indray ireo vorona izay lazaina fa lany taranaka. Noho ny fikarohana nataony niaraka tamin’ny mpiara-miasa aminy dia nahita « Aigle serpentaire de Madagascar » izy ireo ny taona 1994 raha toa ka tamin’ny 1936 no nahitana azy farany. Ny taona 1930 no nahitana ny vorondolo mena ka noho asa fikarohana nataon’izy ireo dia hita indray mandeha tany amin’ny faritra Masoala io karazam-borona io.

Talen’ny tetikasa amerikanina “The Peregrine Fund” (TPF) eto Madagasikara nanomboka tamin’ny taona 2004, ny Profesora Lily-Arison René de Roland.  Miasa amin’ny fiarovana ireo vorona mpihaza ao anatin’ny faritra arovana efatra eto Madagasikara no ataon’izy ireo. Nambaran’ity manam-pahaizana momba ny vorona ity fa manampy amin’ny fiarovana ny biby sy ny ala rehetra eto Madagasikara ny fiarovana ny voromahery sy ny toeram-ponenany.

« Ny voromahery dia fantantsika fa tsy mipetraka amin’ny toerana kely fa velarantany lehibe ka ny fiarovana ny voromahery dia miaro ny biby  aty ambany , toy ny varika lehibe, bibilava, biby madandy… Izay no  hitako tombony lehibe amin’ny asa fikarohana satria ahafantarana inona ny biby tokony ho arovana », hoy izy nandritra ny fandraisam-pitenenany tamin’ny lanonana fanolorana mari-pankasitrahana azy ireo.

Anisany nanamarika ny zava-bitany ihany koa ny fahitana karazana hala vaovao tamin’ny taona 2021. Nantsoina hoe “Katableps lilyarisoni” ny anaran’io ala io ho fanomezam-boninahitra azy.

Nahazo amboara iraisam-pirenena maro ny Profesora Lily-Arison, toy ny Loka Disney Conservation Hero avy amin’ny Disney Wildlife Fund, ny Trophée Conservation Leadership in Africa avy amin’ny National Geographic. Vao tsy ela akory izy no mpikaroka malagasy sy afrikanina voalohany nahazo ny Indianapolis Prize 2025, izay matetika ampitahaina amin’ny : « Prix Nobel » eo amin’ny fiarovana ny biby.

Olo-malazan’ny fikarohana ara-siansa malagasy

Nitondra ny anjara birikiny amin’ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny fikarohana ara-siansa eto Madagasikara ihany koa ny Profesora Jonah Ratsimbazafy. Nanamarika azy ny fiarovana ny varika sy ny toeram-ponenany. Nambarany fa 112 ny karazana varika tsy hita afa-tsy eto Madagasikara.

Anisan’ireo mpikaroka nahita ny karazana varika kely indrindra eto an-tany (microcèbe) ity manam-pahaizana momba ny varika ity. Hita vao haingana tao Mananara Avaratra izany ary nampitondraina ny anarany: « Microcebus jonahi » na « Tsitsidin’i Jonah ».

Filohan’ny GERP (Groupe d’Étude et de Recherche sur les Primates) izay mitantana faritra arovana eto Madagasikara ny Profesora Jonah. Nanamarika azy ny tsy fisian’ny tsindry, indrindra ny afo tao amin’ny faritra arovana Maromizaha, tao anatin’ny valo taona.

Ny Profesora Jonah no Afrikanina voalohany voafidy ho filohan’ny International Primatological Society (IPS) nandritra ny fe-potoana 2021–2025.

Anisany andraikitra notanany ny Filoha lefitry ny International Union for Conservation of Nature (UICN) – Vaomieran’ny Biby, Filoha lefitry ny UICN Primate Specialist Group eto Madagasikara. Mpikambana ao amin’ny African Academy of Sciences (AAS) sy The World Academy of Sciences (TWAS) izy.

Santionany amin’ireo amboara azony ny Lifetime Award avy amin’ny Association for Tropical Biology and Conservation (ATBC) sy ny African Primatological Society (2019).

Ho fankasitrahana ny asany, dia navoaka tamin’ny hajia Paositra Malagasy ny sariny – voninahitra izay matetika natokana ho an’ireo olo-malaza efa nodimandry nandritra ny 25 taona farafahakeliny.

Nanamafy ny Praiministra Lehiben’ny Governemantan’ny Fanavaozana, Herintsalama Rajaonarivelo fa ao anatin’ny paikadim-pirenena sy vinan’ny Filohan’ny Fanaovazana ny Repoblikan’i Madagasikara ny fiarovana ny zavaboahary sy ny fiarovana ny ala ho fampandrosoana ny toekarena fa indrindra ny faritra manodidina faritra arovana.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *