Socio-eco

ADY TANY ENY ANKADIFOTSY: Nihaona tamin’ireo mponina sy mpanajary ny tany ny Minisitry ny Fanajariana ny Tany, Lylyson René de Rolland


Nilanja sorabaventy niantso vonjy tamin’ny ministry ny fanajariana ny tany sy ny raharahan-tany ireo mpivarotra sy mponina nanajary ny tany eny Ankadifotsy Befelatanana, ny 19 febroary 2026. Tamin’io fotoana io no tokony handeha ny raharaham-pitsarana momba ny ady tany eo amin’ireo mponina mpanajary ny tany sy karana mpandraharaha iray milaza ho tompon’ny tany saingy nahemotra amin’ny 26 febroary 2026 izany. Tokantrano 52 no voakasiky ny ady tany. Efa misy trano fonenana, toeram-pivarotana sy tanin’anandrano io tany iadiavina io.

Nandray ireo solontenan’ny mponina ny Minisitry ny fanajariana ny tany, Lylyson René de Rolland, niaraka tamin’ny Tale kabinetra sy ny Tale Jeneralin’ny raharahan-tany.  Nambaran’i Rakotonirina Jean Paul, mpanajary ny tany fa efa ho 40 taona mahery no nipetrahany teny Ankadifotsy Befelatanana. “Tamin’ny 1984 no nanorina trano teny aho. Tamin’izany andro izany ny sefo fokontany niteny taminay hoe: mahazo manorina ianao fa tsy mahazo mangataka fa tanim-panjakana ka rehefa misy ilavan’ny fanjakana azy dia miala ianareo”, hoy Rakotonirina. Taty aoriana anefa dia lasan’ny karana mpandraharaha iray ny tany, araka ny fanazavany. “Nifandimby nangataka ny tany izahay dia nolazaina fa efa lasan’ny karana ny toerana”, hoy izy. Ny taona 2000 no nisy tamin’ireo mpanajary no nangataka ny tany fa tsy nahazo rariny.

Hijery vahaolana ny ministeran’ny fanajariana ny tany

Hijery vahaolana momba ity raharaha ity ny ministeran’ny fanajariana ny tany. “Hanao izay azo atao ny ministera raha misy tany ka tsy nanara-dalàna ny fahazoana azy fa misy hosoka ao anatiny. Hanao lalàna vaovao ny ministera ahafahana manafoana ny titra fa raha lalàna amin’izao dia tsy afaka mikitika ny ministera. Hiditra amin’ny fivorian’ny antenimieram-pirenena manaraka eo izay fanavaozana ny lalàna mahakasika ny fananantany izay.  Fa raha izao dia tsy maintsy miandry ny fanapahan-kevitry ny fitsarana tampony. Fa na izany aza hijery vahaolana ny ministera”, hoy i Vonjy Razafindratsimba, Tale jeneralin’ny fananantany.

Minisitry ny fanajariana ny tany, Lylyson René de Rolland

Minisitry ny fanajariana ny tany, Lylyson René de Rolland

Nambaran’ny ministra Lylyson René de Rolland fa rehefa nojerena ny olana tena sedrain’ny Malagasy momba ny fanantany dia ny tany vita titra  sy tsato-bato , ka lasa eny anivon’ny tribonaly ny ady tany dia tsy maintsy  miandry didim-pitsarana fotsiny ministera. “Tsy misy azonay atao satria any amin’ny fitsarana ny ady no miseho  ary ny Malagasy mpanajary foana no resy eo anolona’ny karana . Miantso ny ministeran’ ny fitsarana izy mba hitsarana haingana  ny raharaha sy tena hijery  ny tokony hisitraka  ny tany ara-dalàna satria lasa ny eo anivon’ny ministeran’ny fanjariana no maloto.

Nilaza ny ministra  Lylyson René de Rolland fa ny tany rehetra eto Madagasikara dia saika  efa voarefin’ny karana avokoa  ka izany no antony nanangana  ny sampandraharaha manokana antsoina hoe: “Direction  de la promotion de l’integrité et de la transparence” eo anivon’ny ministeran’ny fanajariana ny  tany sy ny raharahan-tany. Hanao fitsirihana sy fanarahamaso ity sampandraharaha ity ahafahana manala ny tany eny am-pelantanan’ny olom-pangalatra.

Manana zo hangataka na hividy ny tany ireo izay efa mampiasa ny tany

Soavinalahatra Harijery, mpandrindra nasionaly ny Sehatra iombonana ho an’ny fananantany (SIF)

Soavinalahatra Harijery, mpandrindra nasionaly ny Sehatra iombonana ho an’ny fananantany (SIF)

Nanazava i Soavinalahatra Harijery, mpandrindra nasionaly ny Sehatra iombonana ho an’ny fananantany (SIF) fa tamin’ny lalàna 60-004 momba ny tanim-panjakana azo amidy dia voalaza mazava fa ny tany rehetra tsy mbola vita titra dia heverina ho an’ny Fanjakana. Na izany aza anefa, ny andininy faha-11, tapany faharoa amin’io lalàna io dia manamafy fa tsy ho heverina ho tanim-panjakana ireo tany efa misy olona mampiasa sy manararaotra azy, ary azon’ireo mpampiasa ireo hangatahana araka ny fepetra mifehy izany.

Tamin’ny fanavaozana ny fitantanana ny fananantany tamin’ny taona 2005, nisy fiovana lehibe, indrindra ny fanafoanana ny fitsipika milaza fa ny tany rehetra tsy vita titra dia an’ny Fanjakana. Ny lalàna vaovao momba ny tanim-panjakana azo amidy dia mbola manamafy fa ireo izay efa mampiasa ny tany no manana zo manokana (droit de préemption) hangataka na hividy ilay tany alohan’ny hafa.

Noho izany, tsy mitombina ny filazana fa tsy azo angatahana ny tanim-panjakana, raha tsy hoe tanim-panjakana tsy azo amidy (domaines publics) ilay tany resahina. Na ihany koa tanim-panjakana azo amidy fa misy « affectation ». Izany hoe tanim-panjakana azo amidy, fa saingy tsy azo zaraina na angatahana noho izy mbola natolotra ho hampiasain’ny sampardraharam-panjakana ohatra. Fa ny ankoatra izay, Ireo olom-pirenena malagasy rehetra dia afaka mangataka tanim-panjakana azo amidy, na araka ny lalàna taloha na araka ny lalàna vaovao mifehy izany.

Tsindriana manokana hoy izy fa ireo efa mampiasa sy manararaotra ny tany no manana zo laharam-pahamehana (droit de préemption) hahazo azy, raha oharina amin’ny olona tsy mbola nampiasa ilay tany.

Araka izany, raha misy olona hafa mahazo titre amin’ny tany izay efa nampiasain’olona, dia mety manondro tsy fanarahana ny “procedure” ara-dalàna izany, na fisian-javatra tsy mazava nandritra ny fizotry ny fangatahana sy fanomezana zo.

Ra-Nirina/ Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *