Toko telo mahamasa-nahandro. Manohana sy manampy ho an’ireo izay manana tetikasa fanorenana tanà na vaovao ny fanjakana. Nisy ny fanaovan-tsonia teny Anosy ny 25 Martsa 2021 teo amin’ny Ministera lefitra misahana ny tanà na vaovao sy ny toeram-ponenana , ny Société Générale Madagascar ary ny kaomina ambanivohitry Bongatsara sy Anosy Avaratra ho fanorenana tanà na vaovao . Tafiditra amin’ny veliranon’ny Prezidà Andry Rajoelina raha teo ity tetikasa ity. Manome tohana sy manamora ny fanatanterahana ny tetikasa ary  mitady ny mpiara-miasa no andraikitra raisin’ny Ministera fa ny kaominina kosa no mitady ireo toerana hanaovana ireo trano, hoy ny ministra lefitra misahana ny tanà na vaovao sy ny toeram-ponenana, Michaelangelo ZASY . Ny banky Société Générale Madagascar no hamatsy vola amin’ity tetikasa fanorenana trano sy tà nana vaovao ity.
« Raha ho an’ny kaominin’ny bongatsara dia efa misy toerana roa no hanorenana ity tanà na vaovao ity. Ny iray no efa fantatra ny velarany tany izay mirefy 24 hektara. Tanim-panjakana no ampiasaina amin’ity tetikasa ity », hoy ny ben’ny tanà nan’i Bongatsara, Hanta RABEARISOA. Ny mponina maniry ny hahazo trano fonenana madio sy sahaza eny amin’ny kaominina no omena voalohany ary manaraka avy eo ireo mpiasam-panjakana. Misy dingana tsy maintsy arahina anefa raha hanao fotodrafitra tahaka izao hoy izy. Tsy maintsy entina eo amin’ny filan-kevitry ny kaominina ny toerana hanaovana ny tetikasa. Entina any amin’ny ministera izany avy eo ary farany eny amin’ny fananantany (domaine).
Vonona amin’ny famatsiana ara-bola ny banky Société Générale Madagascar ary amin’ny taha ambany ny zana-bola ho an’ireo maniry hahazo trano eny amin’ireo kaominina roa ireo hoy ny tale jeneraliny, Zdenek METELAK. Tsy voafaritra ny tetibola ampiasaina amin’ity tetikasa ity fa arakaraka ny habetsahan’ireo fianakaviana maniry ny hisitraka ny trano.
Marihana fa ny fanaovan-tsonia ity dia nataon’ ny ministra lefitra misahana ny tanà na vaovao sy ny toeram-ponenana, Michaelangelo ZASY , ny tale jeneralin’ny Société Générale Madagascar, Zdenek METELAK ary ny ben’ny tanà nan’ny Bongatsara, Hanta RABEARISOA sy ny ben’ny tanà nan’ny Anosy Avaratra, Luc RAZAFIMAHEFA.
Ra-Nirina
PHOTO :
Pingback: TRANO MANARA-PENITRA : Hisitraka tanana vaovao ny kaominina Bongatsara sy Anosy Avaratra - ewa.mg