Socio-eco

SECOURS ISLAMIQUE FRANCE : Fianakaviana 3000 hisitraka fanampiana avy amin’ny tetikasa Milofo


Tetikasa iray hampihenana ny fitsoahana an-daharana any an-tsekoly ny tetikasa Milofo. Ny ONG SIF (Secours Islamique France) eto Madagasikara no misahana azy ity efa an-taonany maro. Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy ny 18 martsa 2021 ny sahan’asa ho tanterahana amin’ity taona 2021 ity. Araka ny fanazavan’ny lehiben’ny mpamita iraky ny SIF eto amintsika, Benilde Mampouya fa  tetikasa miompana amin’ny fanabeazana sy fikatsahana ny fiainan-tsoan’ny ankizy ny tetikasa Milofo. Hita ao anatin’ny tetikasa ny fanohanana ireo fianakaviana sahirana mba ahafahan’izy ireo mandefa ny zanany any an-tsekoly. “Rehefa tsy ampy ny enti-manana dia tsy afaka mandefa ny zanany any an-tsekoly ny ray aman-dreny. Miezaka ny Sesours Islamique France manampy azy ireo amin’ny enti-manana ilaina amin’izany”, hoy i Benilde Mampouya. Fianakaviana sahirana 3000 eny amin’ireo faritra iva eto Antananarivo Renivohitra sy any amin’ny distrikan’i Morombe no hisitraka ny tetikasa Milofo.

Vatsim-pianarana

 Raha sendra marary ireo ankizy dia afaka misitraka fitsaboana noho ny fiarahamiasan’ny ONG sy ny tranom-piantohana momba ny fahasalamana. Ho fanampin’izany dia zaraina fitaovam-pianarana ihany koa ireo ankizy. Araka ny fanazavany hatrany fa manome vatsim-pianarana ho an’ireo zaza kamboty ihany koa ny SIF. Amin’ity taona ity dia zaza kamboty 400 no hahazo izany. “Azo havaozina ny fanomezana io vatsim-pianarana io satria miezaka ny SIF hiantoka ny fianaran’ireo ankizy mandra-pahafeno taona azy ireo”. Ho anay fokontany Ambaravarankazo dia nitondra tombontsoa ho an’ny ankizy sahirana indrindra ny tokantrano marefo ny tetikasa Milofo satria afaka mianatra tsy mianatra, afaka misitraka tombontsoa maro avy amin’ny ONG SIF, indrindra amin’ny resaka sosialy satria tsy vitan’ny fampianarana ihany no iandraiketany ny SIF fa misy ihany koa ny fanampiana ara-tsosialy ohatra fanosehana azy amin’ny resaka ara-pivelomana. Nanomboka 2016 aho nitondra ny fokontany ary nanomboka teo no niara-niasa tamin’ny SIF », hoy Rahajarimanana Solofo, Sefo fokontany Ambaravarankazo – boriboritany fahaenina.

Ra-Nirina

SARY:

HORONAN-TSARY:


One comment on “SECOURS ISLAMIQUE FRANCE : Fianakaviana 3000 hisitraka fanampiana avy amin’ny tetikasa Milofo

  1. Pingback: SECOURS ISLAMIQUE FRANCE : Fianakaviana 3000 hisitraka fanampiana avy amin’ny tetikasa Milofo - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *