Fianakaviana 5100 ao amin’ny faritra Itasy mampiasa ny teknika famerenana indray ny tsiron’ny tany. Vokatry ny fahasimban’ny tontolo iainana, tsy mamokatra firy intsony ny tany. Hany ka mihena ny vokatra miakatra. Ho fanampiana ireo tantsaha mpamboly, nitohy ny tetikasa MAHAVOTRA ( MAmboly HAzo sy VOankazo ho antoky ny Tontolo RAhampitso ) izay iantsorohan’ny “Agrisud International”. “Miditra amin’ny tetikasa Mahavotra faharoa isika izao. Continuer la lecture
Catégorie Actus
TAOM-BAOVAO MALAGASY 2018: “Ala faditra”
Lamina ara-boajanahary ny taom-baovao Malagasy. Tapa-bolana alohan’ny fetin’ny paka no tena hankalazana azy. Vondron’olona efatra samihafa samy mikarakara ity fety ity. Ny 17 sy ny 18 martsa 2018 no daty hanatanterahana izany ho an’ny mpikarakara ny “taom-baovao Malagasy, tsy manavaka finoana na fihaviana”. Continuer la lecture
MPIASAN’NY CUA : Mety tsy handray karama volana febroary
Manahy mafy ny mpiasan’ny kaominina an’Antananarivo renivohitra (CUA) fa tsy handray karama volana febroary. Mbola tsy nahazo fankatoavana avy amin’ny prefektioran’ny polisy an’Antananarivo ny teti-bolan’ny CUA 2018. Continuer la lecture
BANKIM-BAROTRA : Halatra ekena
Mamelona banky vahiny isika Malagasy. Bankim-barotra no misy eto ary rah any fijerin’ny maro azy dia tsy manam-bola firy izy ireny fa mampiasa ny volan’ny tsirairay fotsiny. Ahodin’izy ireo noho izany izay vola apetraky ny mpanjifa ka ampindraminy etsy sy eroa. Continuer la lecture
CUA: “Manao fitadiavam-bola mihoa-pampana”
Nanao fanambarana ny teo anivon’ny prefektiora an’Antananarivo Renivohitra momba ny fidiram-bolan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA). Mbola ao anatin’ny teti-bolan’ny CUA 2018 ihany ny fangalana iray alina isan’andro amin’ireo fiara vaventy mivezivezy manodidina ny Tanana. Continuer la lecture
ADY AMIN’NY LEFAKOZATRA: Hiatrika fanadinana i Madagasikara
Firenena tokana hanatitra ny antontan-taratasy ahazoana “certificat de pays libre de poliomyélite” i Madagasikara. Amin’ny volana jona 2018 izao no hoentina eo anatrehan’ny vaomieram-paritra misahana ny fanomezana ny “certificat” ho an’ny famongorana ny lefakozatra eto Afrika (CRCA) ireo antontan-taratasy manamarina fa fongotra ny lefakozatra eto amintsika. Continuer la lecture
GRAND NORD DE MADAGASCAR: La ZES d’Andrakaka augmentera le niveau de vie
La deuxième conférence sur les investissements stratégiques dans le Nord de Madagascar (C2ISNM) concrétisera la mise en place d’une zone économique spéciale (ZES) dans le plateau d’Andrakaka, Diego-Suarez. « Cette ZES contribue à une stabilité économique et sociale, facteurs de garanties de la sécurisation des investissements », déclare le Vice-Président de l’Assemblée nationale Antsiranana et Initiateur de ce projet depuis 2014, Freddie Mahazoasy. Continuer la lecture
FITONDRAM-PANJAKANA:Nahontsan’ny hetsiky ny mpitondra fivavahana
« Aoka tsy ho voafitaky ny mpanolontsaina na ny tarehimarika ianao mitondra ny firenena ka milaza fa manomboka misandratra ny firenena ». Nanamafy ny hetsiky ny mpitondra fivavahana fa mitsororika ny fiainam-bahoaka. Continuer la lecture
FANDEFASANA HORONAN-TSARY:Hampivelatra ny sain’ny mpianatra
Ho ampiasain’ny Ministeran’ny fanabeazam-pirenena (MEN) ny fandefasana horonan-tsary PLAZA Ampefiloha isaky ny talata. Hisy ny fandefasana horonan-tsary arahina ady hevitra natokana ho an’ireo mpianatry ny liseam-panjakana. Continuer la lecture
TOMPONA ORINASA MPITRANDRAKA ETO MADAGASIKARA: Olo-malaza amin’ny famotsiam-bola ?
Misy amin’ireo orinasa mpitrandraka harena an-kibon’ny tany eto Madagasikara no tsy fantatra mazava ny tena tompony. Fenitra takian’ny EITI (Extractive Industries Transparency Initiative) anefa ny fahazoana vaovao momba azy ireo. “Mampirongatra ny kolikoly sy ny fandosirana hetra ny tsy fahafantarana ny tompon’ny orinasa misitraka voalohany ny tombontsoa azo avy amin’ny fitrandrahana”, araka ny fanazavana avy amin’ny EITI Madagasikara. Continuer la lecture