Tombanana hitombo avo roa heny ny isan’ny mponina eto Madagasikara afaka 20 taona raha ny antontan’isa vonjimaika momba ny fanisàna ankapobeny fahatelo ny mponina sy ny toera-ponenana (RGPH3), navoakan’ny INSTAT nandritra ny atrikasa natao ny 6 aogositra 2019 teny amin’ny ministeran’ny raharaham-bahiny. Continuer la lecture
Catégorie Actus
MBOLA RAJAONAH : « Mampikatso ny IEM ve ? »
Rehefa afaka madiodio tamin’ny raharaha nisamborana azy i Mbola Rajaonah momban’ny taratasim-bola tsy misy antoka dia naverina eny Tsiafahy indray izy satria mbola misy raharaha hafa hiampangana azy. Continuer la lecture
FITSABOANA DIABETA: Nahita vokatra mahomby ny mpianatry ny ISPM
Fototra iray manatsara ny kalitaon’ny fahaizan’ny mpianatra eny ambaratonga ambony ny fikarohana. Continuer la lecture
TOSIK’ART: Fifaninanana mamorona orinasa amin’ny sehatry ny kolontsaina
Asa mahavelona ny fandraharahana ara-kolontsaina. Mbola sakana tsy mampiroborobo ny indostria ara-koltoraly eto amintsika anefa ny lafiny ara-bola, ny ara-teknika, ny tsy fahampian’ny traikefa, ny tsy fahampian’ny foto-drafitr’asa sy ny maro hafa. Continuer la lecture
KATRO & CO: Modely ny toeram-pivarotan’i Selesy mofo akondro
Tsy iadian-kevitra intsony ny hatsaran’ny kalitaon’ny mofo akondro amidin’i Selesy eny Ambohijatovo Avaratra. Na dia efa miharatsy aza ny toeram-pivarotany dia hifanotofan’ny mpanjifa hatrany ny tsenany. Continuer la lecture
FIKAMBANANA SAINA: Miantso ny tanora manana vinavinan’asa
Andro lehibe ho an’ny fikambanana SAINA ny 29 jolay 2019. Notolorana tamin’io alatsinainy io ny valisoa ho an’ireo tanora manana vinavinan’asa mendrika indrindra tamin’ny fifaninanana vinavinan’asa sy fihariana vaovao. Continuer la lecture
MOHAMAD ABDILLAH : Manaiky izay ho voka-pifidianana.
« Tsy tokony hiverina intsony ny zava-nitranga tamin’ny fifidianana filohan’ny federasiona malagasy ny baolina kitra (FMF) tsy nahomby iny ». Continuer la lecture
MADAGASCAR ATBC 2019 : Fihaonaben’ireo mpikajy ny tontolo iainana
Loza mihatra amin’izao tontolo izao ny fahasimban’ny tontolo iainana. Miezaka ny rehetra ny tokony atao amin’ny fomba afahana mikajy izany. Continuer la lecture
CHAN: Vonona ny handresy ny Barea
Nampahafantarina androany 26 jolay 2019 ny lisitr’ ireo mpilalao 23 mandrafitra ny Barea hifandona amin’ny ekipam-pirenena mozabikanina, etsy Mahamasina ny alahady 28 jolay 2019 ho avy izao. Raha ny vaovao voaray dia hisokatra amin’ny 7 ora maraina ny vavahadin’ny kianjaben’i Mahamasina amin’io fotoana io. Nivelatra ny klioba 16 manerana an’i Madagasikara no nangalàna ireto mpilalao ireto hoy ny mpanazavatra, Maître Franklin. Iray volana no nanaovan’ny ekipam-pirenena malagasy ny fanomanan-tena ka efa vonona na ara-tsaina na ara-batana na ara-teknika izy ireo hiatrika ny lalao fifanintsanana amin’ny CHAN ny alahady izao io. Nampanantena ny kapiteny Ando fa vonona handresy ny ekipam-pirenena mozabikanina ny Barea ary hiezaka hiaro ny voninahitr’i Madagasikara tahaka nataon’ireo Barea tamin’ny CAN 2019 tany Egypte.
Ireto avy ny anaran’ireo mpilalao:
- LEDA (Cnaps Sport)
- JOMA (AS Jet Mada)
- NINA (AS Adema)
- TOBY (Cnaps Sport)
- THEODIN (Fosa Juniors)
- PATRICK (Ajesaia)
- DA-TSIRY (AS Adema)
- GAUCHE KELY (Zanakala)
- BERAJO (Zanakala)
- ROJO (Ajesaia)
- RICHARD (3FB)
- ELEFONI (Fosa Juniors)
- DAHERY (Fosa Juniors)
- LALAINA (Cnaps Sport)
- LOLODY (Fosa Juniors)
- BAGGIO (Fosa Juniors)
- ANDO (Cnaps Sport)
- TSITO (AS Jet Mada)
- ARNAUD (Cnaps Sport)
- FREDERIC (Costm)
- ELIO (Zanakala)
- MIHARY (AS Jofama)
- ROMY (Tia Kitra)
Marihina fa amin’ny herinandro ambony ny lalao miverina
Nirina R.
FESTIVAL THE WEEKEND: Ny zava-kanto sy ny fialamboly miaraka
Hihaona ao anatin’ny toerana iray ny mpankafy mozika sy ireo tia mialavoly na ankizy na lehibe. Ao anatin’ny telo andro dia ho hita mandritra “festival the WeekEnd” ny zava-kanto sy ny fialamboly isan-karazany. Continuer la lecture