Tetikasan’ny Filoham-pirenena, Hery  RAJAONARIMAMPIANINA amin’ity taona 2018 ny  fanohizana ny asa efa vita teo aloha toy fanamboaran-dalana, ny fametrahana fitaovana mampiodina ny herinaratra. Fanantenana ho an’ireo mpandraharaha ara-toekarena izany. « Mahavelom-bolo ny tetikasan’ny Filohan’ny Repoblika satria manome antoka ny fampivoarana ny sehatra tsy miankina », hoy Filoha Tale Jeneralin’ny orinasa « Vision Madagascar »  (ViMa), Zouzar BOUKA, tamin’ny anterivava natao azy nandritra ny lanonana fifampiarahabana nahatratry ny taona, teny Iavoloha ny 05 janoary 2018.
Vina manome fanantenana ny mpandraharaha  ara-toekarena ny tetikasan’ny fitondram-panjakana amin’ity taona 2018 ity.
Nirina R.



