Socio-eco

TELMA SHOP TSARALALANA: Miezaka manakaiky ny mpanjifa


Betsaka olona mifamezivezy. Ao anatin’ny politikan’ny Telma ny fanatonana ny mpanjifa. Nisokatra tamin’ny ofisialy ny 06 desambra 2019 ny Telma Shop faha-26 eto Antananarivo ary faha-71 raha manerana an’i Madagasikara. Nambaran’ny tomponandraikitra misahana ny Telma Shop eto Antananarivo, Ramahefaharisoa Hajananirina fa  antony nisafidianana ny eto Tsaralalana ny maha faritra be mpifanerasera be azy, be olona mivezivezy fa indrindra afovoan-tanàna.
Isaky ny fetin’ny noely sy faran’ny taona tahaka izao dia manana tolotra manokana ity orinasam-pifandraisan-davitra ity. Ho an’ny finday dia manomboka  amin’ny 39.000 Ariary ny vidiny, efa misy “connexion internet”, azo hanaovana “partage de connexion” sy facebook ary “selfie” izy ity, araka ny fanazavany. Tolotra vaovao be, vao nivoaka tamin’iny herinandro lasa iny, ihany koa ny finday Wi-Kif 4G izay amin’ny vidiny 79000 Ariary. Amin’ny maha smartphone azy ity dia hita ao avokoa ireto manaraka ireto: Wi-Fi, hotpost, bleutooth, appareil photo et vidéo, google assistant, facebook, whatsapp, youtube. Ankoatra izany, lasa 29.000 Ariary ny “montre connectée” raha toa ka 60.000 Ariary izany amin’ny vidiny tena izy. Santionany ihany  ireo fa marobe ny tolotra eny amin’ny Telma Shop.
Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *