Socio-eco

TANORA SY VEHIVAVY : Miompana amin’ny tontolon’ny nomerika, fahasalamana sy ady amin’ny herisetra ny fiarahamiasa eo amin’ny Orange sy UNFPA


Fanairana ny sehatra tsy miankina. « Vehivavy sy zazavavy mahaleo tena amin’ny alalan’ny fikirakirana ny nomerika » no lohahevitra nampitondraina ny andro iraisampirenena ho an’ny vehivavy afrikanina (JIFA) 2023. Ho fanamarihana izany dia niroso tamin’ny fifanaovan-tsoniam-piarahamiasa ny Orange Madagascar, ny Orange Solidarité  Madagascar sy ny ratsa-mangaikan’ny firenena mikambana misahana ny  fahasalamana ara-pananahana sy ny fiterahana (UNFPA), ny 31 jolay 2023, andro fankalazana ny JIFA. Ho fanamorana ny fanatanterahana ny asan’ny telo tonta izay mitovy ny tanjona tiana hotratrarina no anton’ny fiarahamiasa. Anisan’ny sehatra hiasana ohatra ny fampiroboroboana ny fahaleovantenan’ny vehivavy sy ny tanora, ny fanentanana sy fanamafisana ny fahaiza-manaon’izy ireo amin’ny tontolon’ny nomerika, ny fahasalamana sy ny zo ara-pananahana, ny fandrindram-piterahana ary ny ady amin’ny herisetra atao amin’ny maha lahy sy ny maha vehivavy. « Ho fampivoarana ny fahaiza-manaon’ny zazavavy sy ny vehivavy , ho fanomezana azy ireo lalana ahafahana manatanteraka izany sy tena handray anjara amin’ny fampandrosoana ny tenany sy ny fireneny n tanjon’ny fiarahamiasa », hoy i Josiane Yaguibou, Solontenan’ny UNFPA eto Madagasikara.

Antso fanairana  sy famporisihana ny sehatra tsy miankina amin’ny fiarovana ny vehivavy ihany koa izao fanapahan-kevitra izao. « Orinasa mandray andraikitra ho an’ny mponina ny Orange Madagascar. Mitodika manokana amin’ny vehivavy sy ny zatovovavy izahay ary mampiofana azy ireo momba ny nomerika mba hitovian’izy ireo eo amin’ny fiainana. Amin’ny alalan’ny Maisons digitales pour les femmes, fandaharan’asa sekoly nomerika, Orange Digital Center ary FabLab Solidaire no hanatanterahanay izany », hoy i Frédéric Debord, Tale Jeneralin’ny Orange Madagascar. Voarakitra ao anatin’ny fifanarahana fa sahan’asa marolafy no hiasana toy ny:

. Fanohanana ireo tranobe ho an’ny tanora amin’ny alalan’ny fampitaovana isan-karazany  (connexion internet), fiofanana, fampirobroboana ny vaky boky, fanentanana, fampisitrahana ny rehetra ny nomerika, ny e-sport ho an’ny tanora ;

. Fampiroboroboana ny fahasalamana, ny zo ara-pananahana sy fiterahana, ao anatiny ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza amin’ny alalan’ny tetikasa « Village Orange ». Santionany amin’ireo asa atao ny fanaovazana ny fotodrafitr’asa, fampitaovana, fampiofanana mpiasan’ny fahasalamana sy fanentanana ;

  • Fanampiana ny vehivavy marefo ( vehivavy voaaro tamin’ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy sy maha vavy, vehivavy miaina ao anatin’ny fahasembanana) hahaleo tena amin’ny alalan’ny nomerika, fampiofanana arak’asa miteraka fidiram-bola, fampitaovana sy fanentanana ;
  • Fanohanana ny « Innovation Room » an’ny UNFPA amin’ny alalan’ny Orange Digital Center sy ny fandaharan’asa Fablab an’ny Orange. Tafiditra amin’izany ny fanomezana tohana ho an’ireo tompona tetikasa

Nanamafy i Arson Benja, Filohan’ny Orange Solidarité Madagascar fa miasa mavitrika amin’ny fanampiana ny vehivavy manerana ny faritra 2023 hisitraka ny nomerika, amin’ny alalan’ny fanohanana ny tetikasan’izy ireo ny fikambanana tarihany.  Nambarany fa manampy ny vehivavy hahaleo tena ny asa ataon’izy ireo.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *