Socio-eco

ORANGE MADAGASCAR: Mifono fanomezan-toky ny marika famantarana vaovao « Orange eo anilanao »


Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy ny 14 mey 2024 fa “Orange eo anilanao” ny teny filamatra vaovao an’ny orinasa Orange Madagascar, “Orange eo anilanao”.  Nanatrika izany i Christel Heydemann, Tale Jeneralin’ny vondrona Orange sy i Jérôme Hénique,Tale Mpanatanteraka sy Filoha Tale Jeneralin’ny Orange aty Afrika sy Moyen-Orient. Manamafy ny fandraisan’andraikitra efa nataon’ny orinasa nandritra ny 20 taona ity marika vaovao ity, izay midika fa eo anilan’ny Malagasy hatrany, amin’ny dingana rehetra eo amin’ny fiainany sy amin’ny fotoana rehetra. Mariky ny fahavononan’ireo vehivavy sy lehilahy ao amin’ny Orange  ho lasa tambazotra atokisana ihany koa.  “Faly izahay mampahafantatra ity teny filamatra vaovao  ity, izay manamafy ny fandraisana andraikitray  ho an’ny Malagasy. Tsy marika fotsiny ihany  fa mampiseho ny iraka ataon’ny Orange, ny fampiharana ny soatoavina mahay mizara, miray hina sy manome ny Orange eo anilanao. Mampihetsika ny ekipa sy mampatsiahy ny maha zava-dehibe ny fanatsarana hatrany ny tambazotra, fampitomboana ny fampiasam-bola hanamboarana foto-drafitrasa ary ny  fandraisana andraikitra ara-tsosialy (RSE) ihany koa ity marika ity.”, hoy Frédéric Debord, Tale Jeneralin’ny Orange Madagascar.

Mifono fanomezan-toky miisa enina ny “Orange eo anilanao”. Voalohany, ny fanomezan-toky amin’ny lafiny fahaiza-manao, mampihetsika ny ekipa ho eo anilan’ny vahoaka, hanohana azy ireo amin’ny fampiasana ny nomerika. Faharoa, ny fanomezan-toky amin’ny lafiny ny fifandraisana ka ho afaka misitraka “internet” sy teknolojia nomerika  tsara amin’ny alalan’ny tambazotra tsara kalitao ny mpanjifa. Fahatelo, ny fanomezan-toky mba ahafahan’ny mpanjifa misitraka tolotra manampy azy ireo hiala voly, hanovo fahalalana, hiasa sy hifandray tsy tapaka amin’ireo akaiky azy. Fahaefatra, ny fanohanana ireo matihanina amin’ny maha mpiara-miasa akaiky ny Orange amin’ireo orinasa eto Madagasikara. Fahadimy, ny fitondrana zava-baovao sy fampiatiana ny nomerika mba ahafahan’ny daholobe mikirakira ny nomerika. Fahaenina, ny firaisankiana ho an’ny fandraisana andraikitra eny anivon’ny fiarahamonina, amin’ny alalan’ny hetsika sy tetikasa mivaingana sy mitondra fiovana ho an’ny fiainan’ny Malagasy. Farany, ny fampiroboroboana fanatanjahantena sy ny fialamboly ho an’ny rehetra.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *